18/08/2026
TAFIKA MASINA LEHIBE 2026 - 📍Vavatenina
Misaotra an’ Andriamanitra lehibe fa tontosa soa aman-tsara ny tafika masina lehibe izay nataon’ ny sampana KTZo tany Vavatenina Faritra Analanjirofo, ny 31 Jolay ka hatramin’ny 11 Aogositra 2026 lasa teo. Maro ireo asa natao toy ny :
✅Porte à porte
✅Fitoriana filazantsara ankalamanjana
✅Fotoam-pifohazana
✅Asa sy fampaherezana
✅Projection film
✅Tantara an-tsehatra
✅Fotoam-pivavahana nitohy tamin’ny antsa-piderana
✅Fanokanana Sampana KTZo tao Ankorabe
Ny voninahitra dia ho an’ Andriamanitra irery ihany.
« Inty aho, iraho aho » Isaia 6:8b