Christ Embassy Endtime Army Mdg

Christ Embassy Endtime Army Mdg ✨ Manomboka eto Madagascar ka hatrany amparan'ny tany , Filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra🕊️

27/08/2026

Tsy afaka ovainao ny omaly , fa afaka mametraka @ laoniny indray ny toeranao ianao androany izay afaka manova ny ampitsonao ❤️💚
Ndao hanova ny ampitso ao @ Rise Youth Conference !!

Ny sabotsy ho avy izao !! Louange - Partage - Jeux - Slam - Danse 🌟🌟🌟🌟🌟
27/08/2026

Ny sabotsy ho avy izao !!
Louange - Partage - Jeux - Slam - Danse 🌟🌟🌟🌟🌟

Ankohonana ♥️Dia ianao koa ho anisany tsy ho ela ...Misy toerana ho anao ato ,  TONGAVA @ RISE YOUTH CONFERENCE SAMEDI 2...
27/08/2026

Ankohonana ♥️
Dia ianao koa ho anisany tsy ho ela ...
Misy toerana ho anao ato ,

TONGAVA @ RISE YOUTH CONFERENCE SAMEDI 29 AOÛT @ 9 ORA MARAINA • CE AMBOHIBAO (En face de la station total)

Eto tsy misy fitsaratsarana ✨Eto mandry fahalemana ny fo sy saina ary fanahy satria eto isika mifampihay , mifampiaino s...
26/08/2026

Eto tsy misy fitsaratsarana ✨
Eto mandry fahalemana ny fo sy saina ary fanahy satria eto isika mifampihay , mifampiaino sy mifampiakatra ✨
Eto ny tsirairay manana ny toerany avy !
Eto ianao tiana fa aza manahy ♥️

25/08/2026

Rise Youth Conference ny fihaonana manaraka ✨
'ndao hiaona @ ankohonana 🔥

25/08/2026

We are GYLF MADAGASCAR

RAISO NY TOERANAO ARY AMPIASAO NY FANAPAHANA*📖Fa raha ny fahadisoan'ny olona iray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny na...
25/08/2026

RAISO NY TOERANAO ARY AMPIASAO NY FANAPAHANA*

📖Fa raha ny fahadisoan'ny olona iray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny anankiray, dia Jesosy Kristy (Romana 5:17).

🔖Misy manontany hoe raha tena Tompo amin'ny zavatra rehetra tokoa sy ny zavatra mitranga amin'izao tontolo izao Jesosy, nahoana no mikorontana ny zavatra rehetra? Eny, Tompo Izy; mipetraka ambony lavitra ny fanapahana sy ny hery rehetra Izy. Fa tsy maintsy fantatrao ny toeranao ao amin'ny fanjakany sy ny maha-Tompo Azy: manjaka amin'ny alalanao Izy. Ianao no fitaovana entiny manapaka.

🔖Noho izany, ny iray amin'ireo antony mahatonga ny zavatra tsy milamina ankehitriny dia tsy noho Kristy tsy manana fahefana, fa satria ireo izay tokony hihetsika eo amin’ny toerany dia tsy mahatakatra na mampihatra izany fahefana izany. Izany no antony ahatongavan'ny Teny aminao, amin'izao fotoana izao. Izany no antony ampianarana anao. Ianao ilay nantsoina hanjaka eo amin’ny toerany.

🔖Ianao ilay mifehy ity izao tontolo izao ity sy handamina ny toe-javatra rehetra mba hifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra tonga lafatra. Efa nahazo fahasoavana be sy ny fanomezan'ny fahamarinana ianao; izay mahatonga anao hahafeno fepetra ho amin'ny fiainan’ny fanapahana. Tsy maintsy mampiasa ny fahefana nomena anao amin'ny anaran'i Jesosy amin’ny fahatongavan-tsaina ianao. Rehefa misy toe-javatra mitranga, aza miangavy, aza mitalaho, aza mangovitra; raiso ny andraikitra. Ampitoero ny sitrapon'Andriamanitra.

🔖Mitantana izao rehetra izao Jesosy Tompo; marina izany; manomboka amin'ny vahindanitra ka hatramin'ny fanjakana, tsy misy afa-miala amin'ny fifehezany. Kanefa mitantana ny fanjakany amin'ny alalan'ny Fiangonany Izy. Midika izany fa na aiza na aiza misy anao, dia tokony miseho amin'ny alalanao ny fahefany. Raha misy zavatra tsy milamina, dia tsy miandry izany hiharatsy ianao; fa mandray andraikitra. Miteny ianao ary mametraka ny fahamarinan'Andriamanitra.

🔖Manana saina ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainana ary efa nobaikoana hihaino sy hankatò an'i Jesosy izany (Matio 17:5), ary raha hitarina kely, ianao satria iray Aminy ianao. Rehefa miteny ianao, ny zava-drehetra eo amin'ny fiainana, na manan’aina na tsy manan’aina, dia manaiky satria mihetsika amin'ny Anaran'i Jesosy ianao, amin'ny fanapahany sy ny fahefany. Aleloia!

🔖Nanome hery anao Izy hanapaka amin’ny tontolo misy anao, ary manapaka ny tontolo amin'ny Anarany. Hoy Izy ao amin'ny Jaona 20:21, "...tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa." Avy eo ao amin'ny Matio 28:18, hoy Izy, "...Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany." Avy eo Izy dia nandidy antsika, amin’ny fanapahany sy ny fahefany, hanao mpianatra ny firenena rehetra ary hahatonga izao tontolo izao ho azo itoerana tsara (Matio 28:19-20). Koa miasà araka izany; raiso ny toeranao ary ampiasao ny fanapahanao ao amin'i Kristy.

📖VAVAKA

Ray malala ô, misaotra Anao noho ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana izay noraisiko tao amin'i Kristy. Mandeha amin'ny fahatongavan-tsaina ny fahefako aho ary mampiasa ny fanapahako amin'ny sehatra rehetra eo amin'ny fiainana. Manatanteraka ny sitraponao eo amin'ny tontolo iainako aho, mitondra filaminana, fahamarinana ary fiadanana, amin'ny anaran'i Jesosy. Amena.

FANDALINANA:

📖Lioka 10:19; Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory.

📖Efesiana 2:6; ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,

📖2 Korintiana 4:13; Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny , dia mino koa izahay ka miteny;

DRAFITRA FAMAKIANA BAIBOLY ERIN TAONA

1 Korintiana 10:1-13 & Salamo 135-138

DRAFITRA FAMAKIANA BAIBOLY ROA TAONA

Kolosiana 2:16-23 & Jeremia 10-11

24/08/2026

Rise Youth Conference
Samedi 29 août • 9h
CE AMBOHIBAO EN FACE DE LA STATION TOTAL 🔥🔥

🔶🔸NY FANAPAHANA SY NY FAHAMBONIAN'I KRISTY📖Izay nataony tao amin’i Kristy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty sy ny n...
24/08/2026

🔶🔸NY FANAPAHANA SY NY FAHAMBONIAN'I KRISTY

📖Izay nataony tao amin’i Kristy tamin’ny nananganany Azy tamin’ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin’ny tànany ankavanana any an-danitra, ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny ho avy koa (Efesiana 1:20–21).

🇲🇬 RHAPSODY NY FAHAMARINANA
🗓️ Alatsinainy 24 Aogositra 2026

🔖Tsy isan'ireo manana fahefana, fanapahana na hery eto amin'izao tontolo izao Jesosy Kristy Tompontsika; ambony lavitra noho ireny Izy. Ambony indrindra amin’ny fanjakana hafa rehetra, ny fahefana, hery, fanapahana ary ny anaram-boninahitra rehetra misy amin'izao andro ankehitriny izao sy amin'ny ho avy Izy. Midika izany fa tsy misy rafitra, tsy misy singa, tsy misy anarana, ary tsy misy toerana na aiza na aiza ivelan'ny fanapahana sy ny fahambonian'i Kristy.

🔖Tsarovy fa milaza ny Baiboly hoe manana ny fanapahany Izy (Isaia 9:6) ary ny fanjakany dia miaraka amin’ny fifehezany, ny heriny, ary ny fanapahany sy ny fahefany tsy manam-petra: "Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana" (Isaia 9:7). Ny fahefany dia mihoatra ny rafitra rehetra misy eto an-tany. Izy no Loha ary isika no tenany. Ary milaza ny Baiboly fa ny fanapahana dia eo an-tsorony, izay midika hoe ny tenany

🔖Izany no antony, raha misy rafitra manohitra ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy na mitady hanakana ny Fiangonana, dia manara-maso azy ireo isika. Manakorontana ny ezaka ataony sy mandrava ny planin'izy ireo isika. Manana fahefana hanao izany isika satria mihetsika amin'ny anarany. Satria ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakan'ny maizina, dia toy izany koa isika, satria niara-natsangany isika ka niara-napetrany taminy any an-danitra (Efesiana 2:6).

🔖Tsy vetivety ny fanjakany sy ny fahamboniany fa mandrakizay. Na ankehitriny na amin'ny ho avy, dia maharitra ny fahefany. Asehon'ny Baiboly ny halehiben'ny fanjakany; eo ambany fahefany ny zava-drehetra. Hoy ny Efesiana 1:20-21 (MSG): "Avy ao amin'i Kristy izany hery rehetra izany: Andriamanitra nanangana Azy tamin'ny maty ka nametraka Azy teo amin'ny seza fiandrianana any an-danitra, mandray an-tanana ny fitantanana izao tontolo izao, ny zava-drehetra eny amin'ny vahindanitra ka hatramin'ny fanjakana, tsy misy anarana sy fahefana afa-miala amin’ny fifehezany. Ary tsy ho an'izao fiainana izao ihany, fa mandrakizay. Izy no mandray an-tanana ny zavatra rehetra, manana ny teny farany amin'ny zavatra rehetra." Isaorana anie Andriamanitra!

🔖Miainà amin'izany fahatongavan-tsaina izany. Mihetsika eo ambanin'ny fahefan'Ilay ambonin'ny zavatra rehetra ianao - dia ny Tompo Jesosy. Koa mandehana amin'ny fanapahana sy ny fahambonian'ny voninahiny sy ny heriny lehibe.

🛐VAVAKA

Ray malala ô, misaotra Anao noho ny fanapahana sy ny fahambonian'i Jesosy Kristy amin'ny fanjakana rehetra, sy ny hery, ny fahefana ary ny fanapahana rehetra ao amin'ny aizina. Mandeha amin'ny fahatongavan-tsaina ny maha-Tompo Azy aho ary mampihatra ny fanapahana amin'ny toe-javatra rehetra. Miorina mafy amin'ny Filazantsara aho, sahy sy feno finoana, satria fantatro fa miasa eo ambanin'ilay fahefana ambony indrindra, amin'ny anaran'i Jesosy. Amena.

FANDALINANA:

📖Kolosiana 2:10; Ary raha niara-maty tamin'i Kristy ianareo ka efa afaka tamin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin'izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana...

📖Filipiana 2:9-11; Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany, sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.

📖Daniela 7:14; Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.

DRAFITRA FAMAKIANA BAIBOLY ERIN TAONA

1 Korintiana 9 & Salamo 128-134

DRAFITRA FAMAKIANA BAIBOLY ROA TAONA

Kolosiana 2:8-15 & Jeremia 9

Address

Antananarivo

Telephone

+261384248250

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Christ Embassy Endtime Army Mdg posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share