17/09/2026
🍃🏮𝗠𝗢𝗙𝗢𝗡𝗔𝗜𝗡𝗔 ANIO: « Ry mpianakavin’ny finoana »🏮🍃
ALAKAMISY, FAHA 17 SEPTAMBRA 2026
🌟Salamo 129 / Hira 643 / Vavaka / Mofonaina:
➖JAKOBA 5, 7 - 11➖
« 7 [Toky ho an'ny Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana. 8 Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo. 9 Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana. 10 Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana. 11 Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po. »
🚩 Ry mpianakavin’ny finoana!
1- Mahareta tsara
Misy ireo mpiasa izay mitaraina noho ny ataon’ny mpifikitra tafahoatra amin’ny harena. Tafiditra any amin’ny Tompon’ny maro ny fitarainan’izy ireny (Jak 5, 4). Misy ireo tsy afa-manoatra amin’ny ataon’ireo mpampahory azy (Jak 5. 6). Mila manana faharetana manoloana ireo tsy rariny samihafa iainany ny mpino. Faharetana tsara no baiko azontsika ho fiatrehana izany.
2- Ho avy ny Tompontsika
Misy fetra ny fijaliana sy ny fihafiana. Tsy vahaolana ny taraina lava, ny mifampimonomonona (and 9). Misy ny fiainana tsara lavitra noho izao iainana ankehitriny izao. Ho avy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Tompontsika handray ireo olom-boavonjy. Manantena lanitra vaovao sy tany vaovao ny mpino, miandry « Ilay mpampakatra ». Izay mino an’i Jesoa Kristy Tompo no hifaly sy ho ravoravo.
3- Miantra indrindra Izy sady be famindram-po
Maro ireo mpanompon’Andriamanitra izay nandalo sedra mafy. Tao ny lafaoro mahamay, ny liona noana, ireo zava-tsarotra samihafa toy izay nihatra tamin’i Joba. Noho ny fiantrana sy ny famindrampon’ny Tompo, ireo rehetra izay niorina tamin’ny finoana, nanana fahatokiana sy faharetana dia samy nivoaka mpandresy avokoa.
👉 Fanontaniana:
Inona no tokony hatao eo am-piandrasana ny Tompo?
🌟Vavaka / Hira 295🌟
📍Sampana Sekoly Alahady Foibe
🌐 https://www.fjkm.mg/fampianarana/ny-teninao-no-fahamarinana/mofonaina/ry-mpianakavinny-finoana/