FJKM Ivandry Firaisana - Ofisialy

FJKM Ivandry Firaisana - Ofisialy FJKM Ivandry Firaisana

14/09/2026

🟡 Toriteny Alahady 13 Septambra 2026
⛪ Lohahevitra Septambra 2026 : METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA
Epistily ho an`ny Romana 1, 16-17
✅ Ny Olona miasa amin`ny finoana dia tsy menatra ny Filazantsara satria mahery ilay Mampandresy azy dia Jesoa Kristy.
🗣 Nitondra ny Hafatra : Pst Pasteur Rasolohery

🎶 ANTSAM-PIDERANA  : "NY MPITORY" 🎤✨  NY MPITORYTAPABOLAM-BOKATRA VFL📖 "Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany?" — M...
10/09/2026

🎶 ANTSAM-PIDERANA : "NY MPITORY" 🎤✨ NY MPITORY
TAPABOLAM-BOKATRA VFL
📖 "Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany?" — Matio 5:47

📅 NY FOTOANA :📆 Alahady 20 Septembre 2026
🕒 Ora : 03 ora tolakandro (15h00)
📍 Toerana : FJKM Ivandry Firaisana

🎟️ Fidirana : Maimaimpoana (Fanahin'ny fahafoizana)

💬 Asao ny fianakaviana, ny namana, sy ny mpiara-belona rehetra!
Zarao amin'ny ity fampahafantarana ity ary tongava maro! 🤝✨

“Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao ; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao…” — 1...
08/09/2026

“Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao ; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao…” — 1 Timoty 4:12 ✨

Misy antso tsy re amin’ny sofina, fa tsapan’ny fo.
Antso iray hanompoana, hanabeazana, hitiavana ary hanampiana ireo taranaka madinika hitombo amin’ny finoana sy ny soatoavina. 🌱

Tsy mitady olona tonga lafatra izahay.
Tsy mitady izay efa mahay ny zava-drehetra…
Fa mitady fo vonona hianatra, tanana vonona hanampy ary fo vonona hitia sy hanompo. ❤️

Raha tia ankizy ise, raha manana faharetana, raha tia mizara ary maniry ny hamela marika tsara eo amin’ny fiainan’ny ankizy, dia mety ho ise no Cheftaine tadiavinay. 🐺💙

Satria indraindray, ny zavatra kely ataontsika anio dia mety ho lasa fahatsiarovana sy lesona lehibe ho an’ny ankizy rahampitso. ✨

IZA NO NAMANAY? 💙

- Vehivavy 16 taona no mihoatra
- Mianatra na miasa
- Mpandray fanasan'ny Tompo na mpanatona

ANDÀO ANAO " CHEFTAINE LOUVETEAU! " 🐺

Tsy hoe ho Cheftaine fotsiny… fa ho olona iray izay hamela dian-tsoa eo amin’ny fiainan’ny ankizy. 🌿

📞 034 35 169 34 / 034 40 569 15

🎓 FANOKAFANA ofisialy NY TAOM-PIANARANA VAOVAO & FANOLORANA MPAMPIANATRA 📖✨📌 Sekoly Alahady eto amin`ny FJKM Ivandry Fir...
06/09/2026

🎓 FANOKAFANA ofisialy NY TAOM-PIANARANA VAOVAO & FANOLORANA MPAMPIANATRA 📖✨
📌 Sekoly Alahady eto amin`ny FJKM Ivandry Firaisana

📖fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin'ny famonjena amin'ny finoana izay ao amin'i Kristy Jesosy...2 Timoty 3:15

04/09/2026

✉️ HETSIKA FIZARANA VALOPY : "NDAO ANDOKO SY HANOKANANA NY AKANY" 🏛️✨

📖 "Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra." — Hebreo 3:4

Efa mandeha ankehitriny ny fizarana ny valopy manokana hamaranana tanteraka ny Akany Fitiavana!
⏳ 2 VOLANA SISA (SEPTAMBRA SY OKTOBRA) :
Hanatanterahana izao ezaka farany izao mialoha ny Fitokanana Lehibe amin'ny volana Novambra! Raha Sitrapon`ny Tompo

📩 INONA NO ATAO?
1 - Afaka alainao ny valopy eo am-piangonana, ambany tilikambo na ao amin`i Me Mamitiana isaky ny Alahady.
2- Ento am-bavaka ary fenoy araka ny nitahian'ny Tompo anao.

💪 5 TAONA NAHAFOIZANTSIKA... 2 VOLANA SISA!
Raha sitrapon'ny Tompo dia hiara-midera an'Andriamanitra amin'ny Akany vita soa sy kanto isika! ❤️

30/08/2026

🟡 Toriteny Alahady 30 Aogositra 2026
⛪ Lohahevitra Aogositra 2026 : MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
III Jaona 1-8
🗣 Nitondra ny Hafatra : Pst BEZILIO Berthin

27/08/2026

FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA - Sampana Sekoly Alahady
Alahady 09 Aogositra 2026 - 📜 3 Jaona 1:4
Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.

23/08/2026

🟡 Toriteny Alahady 23 Aogositra 2026
⛪ Lohahevitra Aogositra 2026 : MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO
2Timoty 2.1-7
Ny Mahatoky amin`ny asany ny mpino satria Miaramila Tsara an`i Kristy Jesoa
1️⃣ An`i Kristy isika
2️⃣ Afaka amin`ny gejan`izao tontolo izao isika
3️⃣ Miady ho an`i Kristy

🗣 Nitondra ny Hafatra : Pst RALAMBOMAHAY Hendrininosy

18/08/2026


Indro ry Havana ny fandaharana ho amin'ny :

FANOMPOAM-PIVAVAHANA FANKALAZANA AN'ANDRIAMANITRA NOHO NY FAHA-58 TAONAN'NY FJKM ny Talata18 Aogositra 2026

FANDAHARANA

Feon-javamaneno fanombohana

Hira fanentanana ny Hazakazaka Masina

Fiarahabana Apostolika: 2 Tes. 1, 2

Fiderana an'Andriamanitra

Salamo 66, 8-12

Hira 427

Vavaka (Fiderana, Fifonana, Famelan-keloka)

Fankalazana ny Tenin'Andriamanitra

Hira 20: 1, 2, 3

Vavaka

Vakiteny

o Nom. 10, 1-10

o Lio. 8, 9-15

o Asa. 9, 26-31

Hira "Mijoroa" (faneva faha-50 taonan'ny FJKM)

Toriteny

Feon-javamaneno

Vavaka setrin'ny tenin'Andriamanitra sy fangatahana

Fanekempinoana

Asan'Andriamanitra

Raharaha

Rakitra + Hira 310

Vavaka fanolorana ny rakitra

Fandraisam-pitenenana

Famaranana

Hira "Ezaho ny fiantsoanao" (faneva faha-45 taonan'ny FJKM)

Tsodrano: 1 Pet. 5, 10-11

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.
Amen.
( Ho an' ny isa- piankohonana, isa- pitandremana, isaky ny Synodamparitany)
🙏Fanompoam-pivavahana iombonana: any amin'ny recyclage pastoraly 2026)

.

Address

Ivandry
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Ivandry Firaisana - Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to FJKM Ivandry Firaisana - Ofisialy:

Shortcuts

Share