Eglise Manamboara Vatsy

Eglise Manamboara Vatsy "Atsangano indray ny fahamarinana efa rava"
Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin'ny Jentilisa. Asa 22 : 21

🔹 À propos de l’Église Manamboara Vatsy 🔹

Fondée le 5 août 2008 sous la direction de RATOVOHARIMAMINIRINA Roland Guy, l’Église Manamboara Vatsy est née d’un appel divin confirmé par la prière, le jeûne et des révélations reçues dès 2005. Depuis sa création à Sabotsy Namehana, l’Église n’a cessé de grandir et de rayonner à travers plusieurs régions de Madagascar, avec des assemblées implantées à Ambahoana, Bevato, Analavory, Soavinandriana, Fianarantsoa, Carion, entre autres.

🎯 Notre vision : Bâtir une Église forte, enracinée dans la Parole de Dieu, et engagée dans la mission d’évangélisation nationale.

📍 Siège actuel : Andavamamba, Antananarivo – un grand projet de temple y est en cours.

📆 En 2018, nous avons célébré notre 10e anniversaire par un congrès national rassemblant fidèles, serviteurs, artistes et autorités chrétiennes.

🔥 En 2019, des croisades missionnaires ont permis l’implantation régulière de nouvelles églises à travers le pays.

🙏 Rejoignez-nous pour adorer, apprendre et servir Dieu ensemble.

📖 "Hatsangana indray ny fahamarinana efa rava!"

"Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, Satria Jehovah efa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra,...
02/09/2026

"Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, Satria Jehovah efa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava"
— Isaia 61 : 1📖

Fanosorana an'ireo Pasitera sy Loholona manerana an'i Madagasikara teto amin'ny foibe Anosibe, fiangonana Manamboara Vatsy.👈

Anjaran'ireo Diakona notokanana indray zao (famintinana an-tsary)📸
02/09/2026

Anjaran'ireo Diakona notokanana indray zao (famintinana an-tsary)📸

Famintinana an-tsary ny fotoam-bavaka lehibe ny Sabotsy 29 Aogositra lasa teo tetsy amin'ny fiangonana Manamboara Vatsy ...
01/09/2026

Famintinana an-tsary ny fotoam-bavaka lehibe ny Sabotsy 29 Aogositra lasa teo tetsy amin'ny fiangonana Manamboara Vatsy foibe Anosibe.
Fotoana iray tena niavaka, feno fanatrehan' Andriamanitra🔥ary ny lehibe indrindra dia ny fanosorana Pasitera sy Loholona ary fanokanana Diakona.
"Fa Izay mampitoetra anay mbaminareo ao amin'i Kristy sady nanosotra antsika dia Andriamanitra" — II Korintiana 1 : 21📖

🎂🎉 Joyeux anniversaire à notre pasteur🫶Ray aman-dreny Evanjelisitra.Isaoranay Andriamanitra noho ny nanomezaNy anao ho m...
31/08/2026

🎂🎉 Joyeux anniversaire à notre pasteur🫶Ray aman-dreny Evanjelisitra.
Isaoranay Andriamanitra noho ny nanomezaNy anao ho mpitarika sy mpanabe ara-panahy ary hitondra ny fiangonana ho amin'ny fifohazam-panahy🔥.
Ny faharetanao, ny fitiavanao ary ny fanompoanao dia tena fitahiana ho anay. 🙏
Ny Tompo anie hanohy hitantana ny dianao, hanome hery anao amin’ny asa fanompoana, ary hampitombo hatrany ny hosotra sy ny fahasoavaNy eo amin’ny fiainanao.♥️
“Ny Tompo hitahy anao sy hiaro anao.” — Nomery 6:24
🎉 Joyeux anniversaire Évangéliste Maminirina Guy Roland ! Que Dieu vous bénisse et vous garde longtemps à Son service. 🙏❤️

Andao mba hirary soa ho azy isika...🥹

🙌🏼 Sabata faha-3, mitohy hatrany ny fifadian-kanina sy ny vavaka, ho fandravana ny fanahin’ny famombàna teto amin’ny Fia...
22/08/2026

🙌🏼 Sabata faha-3, mitohy hatrany ny fifadian-kanina sy ny vavaka, ho fandravana ny fanahin’ny famombàna teto amin’ny Fiangonana Manamboara Vatsy Foibe 🙏

📖 Nomery 6:22-26

Tsy maintsy tonga ny Fifohazam-panahy🔥

✨ CROISADE – SABOTSY NAMEHANA 🙏Fizarana kely tamin’ireo fotoana niarahana tamin’ny tanoran’ny Fiangonana Manamboara Vats...
20/08/2026

✨ CROISADE – SABOTSY NAMEHANA 🙏

Fizarana kely tamin’ireo fotoana niarahana tamin’ny tanoran’ny Fiangonana Manamboara Vatsy nandritra ny fitoriana filazantsara ny Alahady 16 Aogositra lasa teo, tetsy Sabotsy Namehana.

Fotoana feno vavaka, toriteny izay nahakasika sy nitondra hafatra ho an’ny maro, ary fiderana be, izay nanamarika ny fotoana ihany koa niarahana tamin'ny tarika Gasy Tsara Midera 🙌🏼

Misaotra an’Andriamanitra 🙏🏼

Ho tonga anie ny fifohazam-panahy 🔥

🔥Seminera fandravana ny famombàna 🔥Mihezaka mafy ve ianao amin'ny zavatra ataonao kanefa tsy mety mahita vokatra; na ara...
12/08/2026

🔥Seminera fandravana ny famombàna 🔥

Mihezaka mafy ve ianao amin'ny zavatra ataonao kanefa tsy mety mahita vokatra; na ara-panahy, na amin'ny asan'Andriamanitra, na arak'asa, na ara-pitiavana na ianao mihintsy ilay tena momba tsy afaka miteraka?

Natao ho anao ity seminera ity, hiady mafy isika handrava ny famombàna anaty vavaka mahery vaika sy fifadian-kanina isaky ny sabotsy mandritra ny 7 Sabotsy iarahana amin'ny fiangonana Manamboara Vatsy rehetra manerana ny Madagasikara tarihin'i RAD Évangéliste Maminirina Guy Roland ✨

Aza misalasala mifandray aminay raha mila fanazavana fanampiny amin'ny alalan'ny laharana 0331434524/0341933634 na ao amin'ny hafatra miafina 📩

"Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan' Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy...
06/08/2026

"Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan' Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy." Asan'ny Apostoly 8:12📜📖
40 mianadahy mahery indray no nanaiky ny hanara-dia an'i Kristy ka natao batisa, teto Ampefy ny alahady 02 Aogositra 2026 lasa teo.👏
Voninahitra anie ho an' Andriamanitra irery ihany🙏
🔥🔥

✨Sabata Fiankohofana sady Fandraisana Fanasan'ny Tompo rahampitso eny amin'ny fiangonana Manamboara Vatsy rehetra manera...
31/07/2026

✨Sabata Fiankohofana sady Fandraisana Fanasan'ny Tompo rahampitso eny amin'ny fiangonana Manamboara Vatsy rehetra maneran'ny Madagasikara akaiky anao manomboka amin'ny 9ora sasany maraina✨

Afaka manoratra ao amin'ny mp ianao raha mitady izay fiangonana akaiky anao 🤗

Tongava maro 🙏

Ho tonga anie ny fifohazam-panahy 🙏🏼🔥
28/07/2026

Ho tonga anie ny fifohazam-panahy 🙏🏼🔥

Address

Antananarivo

Telephone

+261331434524

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Eglise Manamboara Vatsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Eglise Manamboara Vatsy:

Shortcuts

Share