12/08/2026
**REHEFA MANANA AN'I JESOSY IANAO DIA MANANA FIAINANA**
mercredi, août 12, 2026
Ary izao no fanambarany: fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany (1 Jaona 5:11)
Ny Kristianisma dia ny fanehoana ny tena zavamisy marina ankehitriny: Kristy ao anatinao; ny fiainany, ny voninahiny, ny fahamarinany, ny fahendreny, ny fanapahany ary ny fahasoavany izay aseho sy ambara ao anatinao sy amin'ny alalanao. Tena zava-misy marina izany. Tsy fomba fivavahana ny Kristianisma. Fa ilay tena fiainana sy natioran'Andriamanitra izay nomena anao tao amin'i Kristy ary iainana amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina.
Izany fiainana izany dia tsy zavatra vao ho azonao rehefa tonga any an-danitra ianao. Milaza izany ho fahamarinana ankehitriny ny Apôstôly Jaona ao amin'ny soratra masina fanokafana antsika: "fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany." Dia tohizany ao amin'ny andininy faha-12 hoe: "Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana." Tena marina izany.
Tsy afaka mahazo fiainana mandrakizay amin'ny fomba hafa ianao. Raha manana an'i Jesosy ianao dia manana izany. Vakio ny teniny ao amin'ny Jaona 17:3 "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao." Nilaza Izy tany aloha tao amin'ny Jaona 5:24 hoe: "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy."
Dia nanao fanambarana lalina indrindra Izy tao amin'ny andininy faha-26 hoe: "Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy." Manampy amin'ny fahatakarana ny antony maha-Jesosy Azy izany, fiainana mandrakizay, ilay hany tokana afaka manome izany: "...isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay" (1 Jaona 5:20).
Tsarovy ny teniny ao amin'ny Jaona 14:6 hoe: "... Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako." Rehefa nateraka indray ianao dia tonga tao amin'ny Ray amin'ny alalan'i Jesosy Kristy ary nandray ny fiainany. Noho izany, tongava saina mandrakariva ny amin’ny fiainan’Andriamanitra ao anatinao (1 Jaona 5:13). Aoka izany ho ambonin’ny foto-pampianarana fa ho lasa fahatongavan-tsaina sy fiainana ho anao. Ny fiainana mandrakizay no mahatonga anao ho ambony noho Satana sy ny fetra amin'izao tontolo izao. Izany no mahatonga anao afaka miaina ambonin'ny ota, ny aretina ary ny fahafatesana, ary miaina ho an'Andriamanitra fa tsy miezaka ny hanatratra Azy.
**Vavaka**
Ray malala ô, misaotra Anao noho ny tena zava-misy marina ny amin’ny fiainana mandrakizay ato anatiko. Tsy miaina amin’ny tombatombana aho fa araka ny fahamarinan'ny Teninao. Mandeha amin'ny fahatongavantsaina ny amin'ilay fiainan’Andriamanitra aho, maneho ny natioranao sy maneho ny voninahitrao, ny fahamarinanao, ny fahasoavana sy ny tena zaava-misy, amin'ny anaran'i Jesosy. Amena.