SAMi FJKM Ziona Fahazavana Anosibe

SAMi FJKM Ziona Fahazavana Anosibe Antoko Mpihiran'ny Sampana Sekoly Alahady
FJKM Ziona Fahazavana Anosibe Mbola vitsy ny ankizy ary dia natao feo voalohany daholo.

2012:
"Solofo sy Dimby" no niantsoana ny amboaram-peo ary ankizy kely hatramin'ny 14 taona no Mpikambana tao anatiny ary nihisa 20 teo ho eo. I Zoky Tsinjo no Ray aman-dreny mpiahy, i Zoky Narindra no nampianatra hira ary i Zoky Sedera nanampy teo amin'ny fampianaran-kira. Nivoaka tamin'izany koa ny tenue voalohany,dia ny robe volom-parasy.

2013:
Nitsangana ny komity voalohany tao anaty Solofo sy Dimby izay nahitana an'i: Zoky Tsinjo, Zoky Tiana, Zoky Hanitra, Zoky Holy, Zoky Narindra, Zoky Iavo, Zoky Liva, Zoky Sedera ary Zoky Vero... Mbola fanomanana sy fanatsarana ny seho KRISIMASY no anto-pisian'ny Komity.

2014:
Nitohy ny asa ary resy lahatra ireo mpiandraikitra fa hanangana sehatra iray hitaizana ny ankizy @ alalan'ny hira. Nitsangana noho izany ny Komitin'ny antoko-pihira, izay nahitana an'i: Zoky Tsinjo, Zoky Tiana, Zoky Narindra, Zoky Iavo ary Zoky Sedera. Nanomboka nivelatra ny Antokom-pihiran'ny Sampana Sekoly Alahady ary nitombo ny hamaroan'ny Ankizy ka nihisa 60 teo ho eo. Nanomboka teo koa anefa dia nitombo ireo zatovo sy tanora niroso tao anaty antoko-pihira ka nahitana mpikambana hatramin'ny 18taona. Ny taona 2014 koa no nanomboka nianatra ny atao hoe "comedie musicale" ny ankizy sy tanora.

2015:
Tratra ny tanjona napetraky ny komity. Tapa-kevitra àry ny Biraon'ny Sekoly Alahady ka nametraka ny anarana hoe"Ankizy Mihira" ho antoko-pihiran'ny Sampana Sekoly Alahady. Nitsangana indray ny Komitin'ny antoko-pihira izay nahitana an'i: Zoky Tsinjo, Zoky Tiana, Zoky Omega, Zoky Olga, Zoky Iavo, Zoky Sedera ary Zoky Vero. Nitombo ary ny ankizy sy tanora tao anatin'ny Ankizy mihira, nihisa manodidina ny 80 teo ho eo, ka nanomboka nozaraina feo 2. Ny taona 2015 no nivoaka ny Tenue faharoa izay miloko manga sy mavokely.

2016:
Tsy nitsahatra nitombo anefa ny mpikambana tao anatin'ny Ankizy Mihira ary nihisa te ho eo @ 100 teo. Ny taona 2016 no nivoaka ny tenue "Tee-shirt multicolor" sy ny "tenue Sudaf". Ny volana Novambra 2016 no napetraky ny Mpitandrina Mamy Andrianatoandro tamin'ny fomba ofisialy ny Antoko-pihiran'n Sampana Sekoly Alahady ka natao ho Taniketsa hitaizana ireo ankizy,zatovo ary tanora ho avin'ny Fiangonana.

2017:
Ny 10 Desambra 2017 no nanokanana ny anaran'ny Antoko Mpihira hoe "SAMi" na Sekoly Alahady Mihira tamin'ny fomba ofisialy.

"Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao''.  __Ohabolana 16 : 3__Rakin-tsary SAMi Anosibe
10/08/2026

"Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao''. __Ohabolana 16 : 3__

Rakin-tsary SAMi Anosibe

Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera a...
07/08/2026

Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra

Romana 14: 11

🌿SAMi Anosibe🌿 - Diovy ny Fonay -
04/08/2026

🌿SAMi Anosibe🌿
- Diovy ny Fonay -

''Nefa izaho matoky Anao, Jehovah o; hoy izaho: Andriamanitro Ianao''— Salamo 31 : 14
02/08/2026

''Nefa izaho matoky Anao, Jehovah o; hoy izaho: Andriamanitro Ianao''

— Salamo 31 : 14

🌿SAMi Anosibe🌿 - Impiry -
30/07/2026

🌿SAMi Anosibe🌿
- Impiry -

Finaritra eh!Hafatra kely ho an'ny ray aman-dreny .😇😊
29/07/2026

Finaritra eh!
Hafatra kely ho an'ny ray aman-dreny .😇😊

🌿SAMi Anosibe🌿  - Hifikitra mafy -
28/07/2026

🌿SAMi Anosibe🌿

- Hifikitra mafy -

"Mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika"— Romana 15 ...
26/07/2026

"Mba ho saina iray sy vava iray no hiarahanareo mankalaza an'Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika"

— Romana 15 : 6

Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra ...
23/07/2026

Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.

Heb 13: 15

Salamo 34:1« Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. »
21/07/2026

Salamo 34:1
« Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. »

Address

FJKM Ziona Fahazavana Anosibe
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when SAMi FJKM Ziona Fahazavana Anosibe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to SAMi FJKM Ziona Fahazavana Anosibe:

Shortcuts

Share