La Puissance de DIEU

La Puissance de DIEU centre d'écoute, de conseil et de prière

"AZA MATAHOTRA AN'IZAY ZAVATRA MITRANGA EO AMIN'NY MANODIDINA ANAO FA AOKA IANAO HIFIKITRA AMIN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA"R...
15/12/2023

"AZA MATAHOTRA AN'IZAY ZAVATRA MITRANGA EO AMIN'NY MANODIDINA ANAO FA AOKA IANAO HIFIKITRA AMIN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA"

Raha mahatsiaro ianao fa misy zavatra mampatahotra anao na mahatsapa ianao fa tandindomin-doza dia tsarovy fa mahatoky amin'ny teniny ANDRIAMANITRA ary ny Tanany dia ampy hiaro sy hamonjy anao.

Raiso ny Tenin'ANDRIAMANITRA ho AMPINGA sy FIAROVAN-TRATRA ho anao.

Raiso ny SALAMO 91: 1-11,

Ary na hoy ary ianao hoe mbola tsy tena haiko ny mivavaka dia averimbereno ary raiso amin'ny finoana ity Salamo ity fa MAHERY NY TENIN'ANDRIAMANAITRA ARY TSY MAINTSY MISY FIANTRAIKANY.

"Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra.
Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.

Izaho hilaza an'Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy.
Ary Andriamanitro Izay hitokiako.

Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.

Ny volon'elany na anaronany anao, Ary ao ambany elany no hialofanao;
Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.

Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao.
Na ny zana-tsipika manidina nony andro,

Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina,
Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana.

Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo ankavananao,
Dia tsy hihatra aminao izany.

Hijery maso fotsiny ianao,
Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.

Satria hoy ianao: Jehovah o, Ianao no aroko,
Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,

Dia tsy hisy loza hanjo anao,
Na aretina hanakaiky izay lainao.

Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao
Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra alehanao."

"EFA NOMENA ANAO NY FAHEFANA HANITSAKA SY HANDRESY AMIN'NY ADINAO"Hoy ny ao amin'ny Lioka 10:19 "Indro, efa nomeko fahef...
29/11/2023

"EFA NOMENA ANAO NY FAHEFANA HANITSAKA SY HANDRESY AMIN'NY ADINAO"

Hoy ny ao amin'ny Lioka 10:19 "Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka ny menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory."

Andriamanitra efa nanome anao ny fahefana handresy ny olanao sy izay endrika ratsy rehetra mikasa ny hamotika anao satria zanany ianao!

Mety hiteny ianao hoe:
Inona no hidiran'izany amin'ny trosako? na amin'ny aretiko? na amin'ny fikorontanan'ny tokatranoko?

Mety hiteny ianao hoe vola ihany no mamaha ny trosako. Fa efa impiry ianao izay no nitady vola dia voavaha tanteraka ve ny olanao?
Mety hiteny ianao hoe ny fanafody ihany no manasitrana ny aretiko fa misy aretina tsy sitram-panafody intsony. sns....

Fa ny tena marina ARA-PANAHY NY FIAINANA

Ny menarana sy ny maingoka anie endrik'ireo zavatra mampatahotra sy mamono e!

Inona ny zavatra mampahory sy hatahoranao hamono anao?
Inona ny herin'ny fahavalo efa miantra amin'ny fiainanao? na hita maso na tsy hita? famosaviana ve? fanenjehana ve?

Efa nomeny anao fahefana handresy an'izany FA AMIN'NY FOMBA AHOANA???

Hoy ny ao amin'ny Lioka 10:17 "Ary ny fitopolo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo o, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao."

JESOSY ilay atahoran'ireo fahavalo rehetra ireo.
Ny anaran'JESOSY no mampanaiky ny demonia izay loharanon'ireo faharatsiana rehetra eo amin'ny fiainanao ireo.

Ny ahafahanao mandresy dia ny MIFIKITRA amin'ilay efa nandresy sy hatahoran'ireo adinao ireo dia i JESOSY izany.

Hampandrosoy ao am-ponao Izy!

Hampandrosoy ao an-tokatranonao Izy!

Hampandrosoy eo amin'ny lafim-piainanao rehetra Izy fa indrindra amin'ilay adinao tsy vitanao io!!

Antsoy ny Anaran'JESOSY amin'ny fotoana rehetra fa indrindra amin'ny fotoan-tsarotra fa ho HITANAO fa ho hitsahinao ny olanao rehetra ary ho resinao ny herin'ny fahavalonao rehetra noho ny ANARANY!!!

Mahereza dia ho tahian'ANDRIAMANITRA!!!

RESEO GOLIATA DIA HANDRESY HO AZY NY FIANAKAVIANAO.SamoelaI,17: 24-37 (tantaran'i Davida sy Goliata)I Davida raha mihoat...
27/11/2023

RESEO GOLIATA DIA HANDRESY HO AZY NY FIANAKAVIANAO.
SamoelaI,17: 24-37 (tantaran'i Davida sy Goliata)

I Davida raha mihoatra an'i Goliata dia tsy possible mihitsy ny handresen'i Davida azy raha jerena ivelany, raha jerena amin'ny maha olombelona.
Resin'i Davida anefa izy satria hoy ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny SamoelaI 17:37 " Ary hoy koa Davida: Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny tanan'ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin'ny tanàn'io Filistina io"

Ohatry ny ahoana ny ady atrehanao? mety mieritreritra ianao hoe tsy possible intsony ny hisian'ny vahaolana amin'ity adiko ity.
Tsy amin'ny herinao na tanjakao no handresenao ny karazanà Goliata rehetra eo amin'ny fiainanao ( ny trosa, ny zanaka na vady maditra, ny fanenjehana, ny aretina) fa ANDRIAMANITRA irery ihany no afaka hamonjy sy anafaka anao.

Ny fanalahidy goavana ahafahanao mandresy dia ny fandraisanao an'Andriamanitra sy ny famelanao Azy hiditra an-tsehatra eo amin'ny fiainanao.
Dia ho hitanao fa hianjera eo anoloanao Goliata satria lehibe loatra ilay ANDRIAMANITRA momba anao.

Mahereza dia ho an'ANDRIAMANITRA irery ihany ny voninahitra!!!

Besoin de conseil dans les moments difficiles, ou juste pour se confier et surtout besoin de "prière", n'hésitez pas, no...
20/11/2023

Besoin de conseil dans les moments difficiles, ou juste pour se confier et surtout besoin de "prière", n'hésitez pas, nous sommes là

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when La Puissance de DIEU posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share