20/08/2026
๐ก Vatikana, 19 Aogositra 2026 - Notendren'ny Papa , ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Maruisz Kasperski.
Toy izao ny momba azy :
Teraka ny 15 aogositra 1963 tany Wolsztyn, ao amin'ny Arsidiosezin'i Poznan, any Pologne, i Mompera Mariusz Kasperski, O.M.I.
Ny 8 septambra 1987 no nanonona ny voady voalohany.
Nanao ny fiofanana filozofia sy teolojia tao aminโny SEminera zokiny anโny Fikambanana O.M.I. any Obra, Pologne, ny taona 1987 hatraminโny 1993.
Ny 21 jona 1993 izy no nohamasinina ho pretra tany Obra.
Ireto avy ny iraka efa nampanaovina azy taorianโny fanamasinana azy ho pretra :
โข 1993-1994 Vikera tao aminโny Paroasy Saint-Stanislas Kostka ao Lubliniec, Pologne
โข 1995-1996 Tonga teto Madagasikara ary niofana momba ny teny sy ny kolontsaina malagasy,
โข 1996-1997 Misionera tany Ambinanindrano, Toamasina
โข 1997-2002 Talenโny Prรฉ-Noviciat O.M.I. any Toamasina
โข 1997-2012 Curรฉ-nโny Paroasy Saint-Jean-Baptiste ao Analakininina, Toamasina
โข 2003-2012 Mpikambana tao aminโny filan-kevitry ny Delegasiona O.M.I. eto Madagasikara
โข 2012-2015 Curรฉ-nโny Paroasy Saint-Jean-Paul II ao Tsimahavaobe, Diosezinโi Morondava
โข 2015-2022 Lehibenโny Delegasiona O.M.I. eto Madagasikara
โข Ny taona 2022 taona sabatika tany Poznan (Pologne) sy Canada
โข Hatraminโny taona 2023, Lehibenโny Ankohonam-piainana O.M.I. ao Toamasina sady curรฉ-nโny Paroasy Saint-Eugรจne de Mazenod ao Tsarahonenana, Toamasina.