Antoko Mpihira Taninketsa Ambohimamory

Antoko Mpihira Taninketsa Ambohimamory Antoko Mpihira

04/06/2022
14/03/2022

MOFON'AINA ANIO 14/03/2022
Jeremia 11:18-23
Ny teny nasain'i Jehovah nolazaina ny amin'ny mponina tao Anatota, izay nitady hamono an'i Jeremia
18. Ary nampahafantarin'i Jehovah aho, ka dia nahalala;
Tamin'izany dia nasehonao ahy ny fanaony. 19. Fa izaho dia tahaka ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina;
Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy:
Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany. 20. Nefa, ry Jehovah,
Tompon'ny maro o,
Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy;
Fa aminao no efa nanankinako ny adiko. 21. Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe:
Aza maminany amin'ny anaran'i Jehovah, fandrao matin'ny tananay ianao, 22. izao no lazain'i Jehovah,
Tompon'ny maro:
Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary; 23. Ka tsy hisy hiangana izy;
Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho amin'ny taona hamaliana azy.

11/03/2022

MOFON'AINA ANIO 11/03/2022
Jaona 5:20-29
20. Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon'ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo. 21. Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman'ny Zanaka izay tiany. 22. Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka, 23. mba hanajan'ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray,
Izay naniraka Azy. 24. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa:
Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina*; fa tafafindra niala tamin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana izy. *Grika: hotsaraina 25. Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa:
Avy ny andro* ary tonga ankehitriny, izay handrenesan'ny maty ny feon'ny Zanak'Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona. *Grika: ora 26. Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy; 27. ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak'olona. 28. Aza gaga amin'izany; fa avy ny andro* izay handrenesan'ny olona rehetra any am-pasana ny feony; *Grika: ora 29. dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin'ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin'ny fitsanganana ho fahamelohana*. *Grika: ho fitsarana

09/03/2022

MOFON'AINA ANIO 09/03/2022
Ohabolana24:19-28

19. Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy,
Ary aza mialona ny ratsy fanahy; 20. Fa tsy hisy fanantenana*ho an'ny ratsy;
Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy. Hebreo: farany 21. Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka;
Ary aza mikambana amin'izay miovaova*; Na: hafa saina noho izany 22. Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny;
Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny*? Hebreo: taonany 23.Izao koa no tenin'ny hendry:
Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana. 24. Izay manao amin'ny meloka hoe:
Marina ianao,
Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena; 25. Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara. 26. Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra. 27.Amboary ny asanao any ivelany,
Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha;
Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao. 28. Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao;
Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao?

08/03/2022

IIPetera3:13
Ny amin'ny hihavian'ny Tompo, sy fananarana noho izany1. Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana, 2. mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho aty aminareo; 3. efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany 4.ka manao hoe:
Aiza ny teny fikasana ny amin'ny fihaviany?
Fa hatrizay nodian'ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao aza. 5. Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin'ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin'ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin'ny tenin'Andriamanitra, 6. ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy; 7. fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin'izany teny izany ho amin'ny afo ka tehirizina ho amin'ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. 8. Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. 9. Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra, 10. Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo, ary amin'izany ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo ny tenan'ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. * Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana 11. Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, 12. sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian'ny andron'Andriamanitra,

05/03/2022

I Sam15:1-11
Ny tsy nahatanterahan'i Saoly ny tenin'Andriamanitra ny amin'ny handringanana ny Amalekita, sy ny nandavan'Andriamanitra azy tamin'izany1. Ary hoy Samoela tamin'i Saoly:
Jehovah naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjakan'ny Isiraely olony; koa ankehitriny mihainoa ny tenin'i Jehovah ianao. 2. Izao no lazain'i Jehovah,
Tompon'ny maro:
Hovaliako izay nataon'ny Amalekita tamin'ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dàlana, fony izy niakatra avy tany Egypta. 3. Koa mandehana ankehitriny, ka mameleza ny Amalekita, ary aringano*izay rehetra mety ho azy, ka aza asiana miangana, fa vonoy avokoa, na lahy na vavy, na ankizy madinika, na zaza minono, na omby, na ondry aman'osy, na rameva, na boriky. Hebreo: ataovy herema 4. Ary Saoly namory ny olona ka nandamina azy tao Telaima, dia roa hetsy ny mandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy amin'ny Joda. 5. Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan'ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha. 6. Ary hoy Saoly tamin'ny Kenita:
Andeha miala ianareo, ka midìna hiala amin'ny Amalekita, fandrao miaraka aringako aminy ianareo, fa ianareo nanisy soa ny Zanak'Isiraely rehetra, fony izy nivoaka avy tany Egypta. Ka dia niala tamin'ny Amalekita ny Kenita. 7. Ary Saoly namely ny Amalekita hatrany Havila amin'ny lalana mankany Sora izay tandrifin'i Egypta. 8. Ary azony sambo-belona Agaga, mpanjakan'ny Amalekita, fa ny vahoaka rehetra kosa dia naringany*tamin'ny lelan-tsabatra. Hebreo: nataony herema 9. Fa Saoly sy ny olona tsy namono an'i Agaga sy izay tsara indrindra tamin'ny ondry aman'osy sy ny omby sy ny mifahy sy ny zanak'ondry ary izay tsara rehetra, fa tsy foiny ho naringana* ireny; fa ny ratsy rehetra sy izay tsy tiany kosa dia naringany* ihany avokoa. Hebreo: hatao herema 10. Ary tonga tamin'i Samoela ny tenin'i Jehovah hoe: 11. Manenina Aho noho ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ka tsy nahatanteraka ny teniko. Dia tezitra Samoela ka nitaraina tamin'i Jehovah mandri

04/03/2022

MOFON'AINA ANIO 04/03/2022
Lioka21:20-24

20. Ary raha mahita an'i Jerosalema voahodidin'ny miaramila ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy.21. Ary izay any Jodia amin'izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. 22. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra. 23. Fa lozan'ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin'izany andro izany! satria hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany ary fahatezerana amin'ity firenena ity. 24. Dia ho ringana amin'ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon'ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin'ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron'ny jentilisa.

02/03/2022

Lioka23:39-43

39. Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe:
Tsy Ianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.40. Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe:
Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? 41. Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. 42. Ary hoy izy:
Jesoa o, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Ianao. 43. Dia hoy Jesoa taminy:
Lazaiko aminao marina tokoa:
Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.

28/02/2022

MOFON'AINA ANIO 28/02/22
Lioka 1:34-38
34. Ary hoy Maria tamin'ilay anjely:
Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho? 35. Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe:
Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka* dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra. *Na: haterakao 36. Ary, indro,
Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba. 37. Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra. 38. Dia hoy Maria:
Inty ny ankizivavin'ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.

25/02/2022

MOFON'AINA ANIO 25/02/2022
Jaona15:9-16

9. Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo. 10. Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. 11. Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 12. Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. 13. Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14. Ianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.15. Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo.16. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona

Address

Ambohimamory
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antoko Mpihira Taninketsa Ambohimamory posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share