28/08/2025
Tonga indray ny fotoana nandrasantsika rehetra hifalifaliana, hifanohanana, hifampitsinjovana ary indrindra hifampaherezana sy isaorantsika an'Andriamanitra.β€οΈπβ€οΈ
Aza adino manomboka 13 SEPTAMBRA hiaraka ho eny amin'ny FJKM IFALIMANJAKA MANANARA FILADELFIA isika rehetra . Toy izao ny fandaharana :
ππͺAsabotsy. 13 /09/25 Hiaraka hifalifaly amin- dry RAJAO MIANAKAVY isika , ho tonga eo koa i HONORAT hanentana e π²π¬πππ»π
Tsy misy vidim- pidirana fa ento izay foinao atolotra na hividiananao izay entana ilainao,
hisokatra amin'ny 9 ora maraina ny tsenan'ny Fampandrosoana izay hahitantsika zavatra maro mora vidy tokoa , toy ny vary, voninkazo isan- karazany , siramamy, sira, fitafiana, fitaovan'ny mpianatra kahie, stylo SNS. Sakafo masaka maro izay efa fanaontsika ho fifanampiana sy hanatanterahantsika ireo asa maro anatiny sy ivelan'ny fiangonana.
ππͺAlahady 14 Septambra : Fetin'ny Taranaka 2025 , 9 ora sy sasany no hanomboka ny fotoana izay hanasana ny terak'Ifalimanjaka tsy ankanavaka.
ππͺAlahady 21 Septambra manomboka amin'ny 9 ora sy sasany, fanompoam- pivavahana miaraka @ TORINTENY AN- KIRA iarahana amin'ny ALFA FJKM ANDRAVOAHANGY FIVAVAHANA izay arahina asa sy fampaherezana, ny tolakandro dia seho Γ©vangΓ©lique iarahan'ny Sampana velon'ny Fiangonana sy ny ALFA
ππππMarihina fa ny tsenan'ny Fampandrosoana dia misokatra tontolo andro isak'ireo sabotsy ireo fa ny Alahady kosa dia mialoha sy aorianan'ny fanompoam- pivavahana kosa ihany . Natao ho an'ny rehetra ny ''TSENAN'NY FAMPANDROSOANA'' HIFALIANA, HANJIFANA MORA NY ZAVATRA ILAINA REHETRA SADY HAHAZOANA AIM-PANAHY HAMITANA NY ASA TSARA REHETRA . KOA TONGAVA NA HIFAMPIRARY SOA FOTSINY AZA EEEπ
MIANDRY AHY SY IANAO.
ππππ²π¬π²π¬π²π¬ππ@