Jesosy Filazantsara Fiainana

Jesosy Filazantsara Fiainana ... fa ny toe-panahy araka an' Andriamanitra no mahasoa amin' ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin' ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.

(1Tim. 4: 8).

NY MAHAMARINA NY OLONA ✅ Tsy misy olona hohamarinin' ny fankatoavana ny lalàna (Romana 3: 20a).👉 Raha hoy isika :olomari...
16/04/2026

NY MAHAMARINA NY OLONA

✅ Tsy misy olona hohamarinin' ny fankatoavana ny lalàna (Romana 3: 20a).

👉 Raha hoy isika :

olomarina aho ka hankasitrahan' Andriamanitra satria TSY MBA MANOTA tahaka ny hafa fa mahavita mankatoa ny fitsipika sy ny didy aman-dalàn' Andriamanitra,

👉 dia diso isika :

maro ireo mihevitra fa mahatanteraka ny sitrapon' Andriamanitra satria tsy mba manao kolikoly, tsy mangalatra, tsy mijangajanga, tsy mamono olona sy ny sisa _ ary koa manam-mpitiavana satria antra olona, malala-tànana sy manao asa soa isankarazany. (Lioka 18: 10-14).

Ny fahotana dia tsy amin' izay ataontsika ihany fa any anatintsika mihintsy, ao amin' ny fo ; dia izay saitsainintsika sy irintsika ary kobonintsika. Isan' ireny ny avonavona, ny fialonana, ny fankahalana, ny lolompo, ny tsy fahaizana mamela ny heloky ny hafa. (Ef. 4: 31-32). Mety tsy ho hita sy tsy hitan' ny olona maso ety ivelany mihintsy ireny fa miharihary eo anatrehan' Andriamanitra kosa. (1 Samoela 16: 7b).

✅ Ny finoana an' i Jesosy no manamarina ny olona eo anatrehan' Andriamanitra (Romana 3: 22).

Lazaina fa MARINA noho ny FINOANy an' i Jesosy ny olona rehefa :

👉 manaiky fa maty sy nitsangana tamin' ny maty Jesosy.

👉 mino fa NENTIN' I JESOSY NIARA-MATY taminy teo amin' ny hazofijaliana ny FAHOTANy. Maty tamin' ny ota izy. Voavela heloka izy. (Romana 8:1)

👉 mino fa rehefa maty tamin' ny ota ny olona dia novelomin' Andriamanitra indray ho olom-baovao noho ny fitsanganan' i Jesosy tamin' ny maty. Lazaina hoe NOHAMARININY na nodioviny TAMIN' NY FAHOTANA isika rehefa avy namela ny fahotantsika Izy. (1 Petera 2: 24a ; Romana 4: 25 ; Kolosiana 2: 13 ; Romana 6: 11).

Ny mino dia nahatsapa ny rikorikon' ny fahotany teo aloha ka tsy andevoizin' izany intsony, manana hery noho ny Fanahy Masina (Izay efa nampianatra sy nitari-dalana azy) ho afa-manohitra fakam-panahy anaty faharetana sy fifehezantena, mbola mety ho solafaky ny fahotana anefa satria mbola anatin' ny ady amin' ny maha-nofo ihany, raha sanatria lavo dia tsy mahazo aina ka mifona mangata-pamelana avy hatrany amin' i Jesosy. (Titosy 2: 11-12 ; Ohabolana 24: 16).

Araka ny hitantsika tary aloha dia ny fahotantsika no tsy hananantsika ny fiainana tsara avy amin' Andriamanitra. Izany ...
22/03/2026

Araka ny hitantsika tary aloha dia ny fahotantsika no tsy hananantsika ny fiainana tsara avy amin' Andriamanitra. Izany fahatsarana izany no lazain' i Paoly amin' ilay hoe voninahitra avy amin' Andriamanitra. (Rom. 3: 23).

Afaka misitraka io fiainana io isika raha misafidy handray ny fanafahan' Andriamanitra amin' ny fahotana.

Tsara àry ny hiresahantsika eto izay isan' ny mahakasika ity fahotana ity.

✅ NOHO NY FAHOTAN' I ADAMA DIA NAHATRATRA NY OLOMBELONA REHETRA NY MAHA OLONA MPANOTA

Rehefa nandika ny didin' Andriamanitra i Adama, noho ny fihinanany ny voan' ny hazo izay efa nandraran' Andriamanitra azy tsy hohaniny, dia niditra teo amin' izao tontolo izao ny ota ka nahatratra ny taranak' i Adama rehetra ny fahotana, efa mpanota tao amin' ny mahaolona azy noho ny nanotàn' i Adama ny olona rehetra.

(Rom. 5: 12 sy 19).

Araka izany, nanomboka tamin' i Adama ka hatramin' ny nanomezana ny lalàn' i Mosesy dia efa nanota ny olona, eny fa na dia tsy nandika lalàna voasoritra mazava tsara avy amin' Andriamanitra tahaka ny an' i Adama aza izy. (Rom. 5: 14).

Nanana ny fahotany tsirairay avy manokana koa anefa ny olona na dia mbola tsy voasoratra aza ny lalàna. Tsy sitrak' Andriamanitra ohatra, ny namonoan' i Kaina an' i Abela rahalahiny. (Gen. 4: 1-16).

✅ NY FAHOTANA REHEFA TONGA NY LALÀNA

Ny Isiraely na ny Jiosy, izay firenena nofidian' Andriamanitra manokana ho Azy, no nomen' Andriamanitra ny lalàna tamin' ny alalan' i Mosesy.

Ny lalàna no nanorina ny fifaneken' Andriamanitra sy ny vahoaka Isiraely, mitaridalana ny Isiraely sy mandamina ny fiarahamonina misy azy, ary mampianatra ireo vahoaka hiaina araka ny sitrapon' Andriamanitra.

Fa samy teo ambanin' ny fahefan' ny lalàna avokoa na ny Jiosy na ny firenena hafa. Tsy nizaha tavanolona Andriamanitra fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna ; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna. Hita ho tsy nahatanteraka ny lalàna izy rehetra ka nilazan' i Paoly fa "tsy misy olo-marina, na dia iray akory aza". Na dia niambo ho marina aza ny Jiosy tamin' ny naha vahoaka voafidin' Andriamanitra azy noho ny famorana sy ny fanany ny lalàna dia nambaran' i Paoly fa tsy nahavita nankatoa ny lalàna izy (Rom. 2: 23). Ny lalàna dia niasa hahafantaran'ny olombelona mazava hoe nanota izy. Izao tontolo izao mihintsy no hiaiky fa diso eo anoloan' ny lalàna ary tsy misy olombelona hoeken' Andriamanitra ho marina manoloana ny lalàna (Rom. 3: 19-20). Nampiharihary ny fahotana ny lalàna (Rom. 5: 20a ; Rom. 7: 7).

Mety nisy ihany ny olona nantsoina hoe "mahitsy" na "marina", izay midika hoe marina amin' ny finoany an' Andriamanitra, voavelan' Andriamanitra heloka, miaina amin' ny fankatoavana Azy, fa saingy tsy hoe tsy nanam-pahotana mihintsy akory izy ireny.

✅ NY FAHOTANA REHEFA TONGA JESOSY

❤️ A] Hanafaka ny olona amin' ny fahotana Jesosy ary ny lalàna no hanome fahalalana ny olona ny amin' ny ota.

👉 Koa satria,

1°) ny fanafahana ny olona amin' ny fahotana (atao koa hoe fanamarinana maimaimpoana ny olona amin' ny fahotana) no famonjen' i Jesosy azy avy amin' Andriamanitra. (Mat. 1: 21-23).

👉 àry koa,

2°) Ilain' ny olona ny mahafantatra tsara ny atao hoe fahotana ahafahan' Andriamanitra manampy azy ho afaka amin' izany. Ny fahalalana ny marina ny amin' ny fahotana (na ny ota) anefa dia avy amin' ny lalàna (Rom. 3: 20b),

👉 araka izany,

Nanambara i Paoly fa ny lalàna no nitaiza ny olona ho amin' ny finoana ny famonjen' i Kristy Jesosy (Gal. 3: 24a).

❤️ B] Efa nambaran' ireo mpaminany ny hihavian' i Jesosy hitondra ny famonjena.

Taonjato maro talohan' ny hahatongavan' i Jesosy tety an-tany no efa nanambaran' Andriamanitra tamin' ny alalan' Isaia ny hihaviany sy ny hitondrany ny famonjena ho an' ny firenena rehetra. (Isaia 42: 1,DIEM ; Mat. 12: 14-18).

Ny ❤️A] sy ❤️B] no maneho fa ny fanamarinan' Andriamanitra ny olona amin' ny fahotana dia avy amin' ny lalàna sy ny finoana an' i Jesosy izay efa nambaran' ny mpaminany :

"Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra, tsy amin' ny lalàna anefa, fa ambaran' ny lalàna sy ny mpaminany".(Rom 3: 21).

Na inona na inona zavatra maningotra ny fiadananao ankehitriny dia tononina ho anao ny fiainambaovao ho amin' ny fahatsa...
02/02/2026

Na inona na inona zavatra maningotra ny fiadananao ankehitriny dia tononina ho anao ny fiainambaovao ho amin' ny fahatsarana. Ny fahatsarana dia ao amin' Andriamanitra Irery ihany.

👉 Ho fiainana tsara, hatrany am-pamoronana

Efa nirian' Andriamanitra hatrany am-boalohany ho eo amin' ny fiainan' ny olona ny fahatsarana. Tia ny olona hatrany am-pamoronana Izy ; fahatsarana ny nifofonan' Andriamanitra fofonaina mahavelona ny vavoron' ny olona noforoniny, ka nahatonga azy ho olombelona ; fahatsarana ny naharian' Andriamanitra ny olona hitovy endrika Aminy sy hanahaka Azy. Tsara ny fiainana nomeny ho fampanjakany ny olona amin' ny biby rehetra, ny nanomezany ho sakafo ho azy ireo ny zavamaniry amin' ny tany. Fahatsarana ny nanolorany ny olona ny fahefana hiasa sy hitandrina ny tany izay honenany.
Niavaka tamin' ny voahary rehetra nohariana ny olona ary nanana fifandraisana manokana tamin' Andriamanitra mihitsy Izy. Tsara indrindra tamin' Andriamanitra izany !
Ny fahatsarana tahaka izany no mbola irin' Andriamanitra ho an' ny fiainanao ankehitriny.

👉 Fahafahana amin' ny fahotana : famonjena ho amin' ny fahatsarana

Noho ny fahotan' ny olona teo anatrehan' Andriamanitra anefa dia rava io fifandraisana nampifamatotra ny roa tonta io. Niala tamin' ny olona ny fiainana feno fahatsarana. Tanjon' Andriamanitra àry ny hanafaka ny olona amin' ny fahotana mba ahafahany misitraka indray izany fiainana izany. Nidina tety an-tany naka endrika Nofo tamin' ny alalan' i Jesosy Andriamanitra mba hamonjy ny olona ka hanafaka azy amin' io fahotana io : Jesosy no mampihavana antsika amin' Andriamanitra. Manasa ny olona hino an' i Jesosy Andriamanitra raha te-ho afaka amin' ny fahotana izy ka ho voadio amin' izany. Raha mino an' i Jesosy isika dia handray ny famonjeny ka hiaina fiainana feno fahatsarana avy aminy.

Ny hoe mino an' i Jesosy dia :

🙏 mino fa nentin' i Jesosy niara-maty taminy teo amin' ny hazofijaliana ny fahotantsika. Maty tamin' ny ota isika. Voavela heloka isika.

🙏 mino fa rehefa maty tamin' ny ota isika dia natsangan' i Jesosy ho olom-baovao noho ny fitsanganany tamin' ny maty. Lazaina hoe nohamarininy na nodioviny tamin' ny fahotana isika rehefa avy namela ny fahotantsika Izy. Atao koa hoe miara-belona aminy isika rehefa mino ny fitsanganany tamin' ny maty.

👉 Fiainana feno fahatsarana

Miahy antsika toy ny Mpiandry ondry Tsara Izy ary isika no ondry fiandriny, nahafoy ny Ainy ho antsika Izy. Tia antsika sy mikarakara ary mamelona antsika Izy. Mitondra ny entamavesatsika Izy. Manome fitsaharana sy fitsaharan' ny fanahintsika Izy. Momba antsika sy miaradalana ary mitoetra eo amintsika Izy. Manome fiadanana sy fifaliana ho antsika Izy. Miantoka ny fiainantsika rahatrizay Izy. Izany no fiainana be dia be avy Aminy.

1 Pierre 2:7a; Gen 1: 26-31; Gen 2: 15; Isaia 59: 2; Matio 1: 21; 2. Kor. 5: 18; Titosy 2: 14 ; 1 Petera 2: 24; Jaona 10: 9-14; Matio 11: 28-30; Hebreo 13: 5b; Jaona 3: 36.

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261345086300

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesosy Filazantsara Fiainana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share