FJKM Avaratr'Andohalo

FJKM Avaratr'Andohalo "Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô" (Salamo 93:5b)

Fiadanana ! Mpiangona ao amin'ny FJKM Avaratr'Andohalo ianao ?

"He, Ry Avaratr'Andohalo, Fiangonanay malala, sarotra afoy, sarotra adinoina fa hiorenan'ny fo sy ny saina..." Zanak'Avaratr'Andohalo any am-pielezana ? Sa sendra mandalo fotsiny ? Raiso isanandro ato ny Mofon'Aina FJKM izay nalaina tao amin'ny tranonkalan'ny FJKM: www.fjkm.mg

Zarao amintsika rehetra ihany koa ny sary, na rakitsary, na hevitra hitanao fa mety mahasoa antsika rehetra ka ahafahana mampandroso ny Fanjakan'Andriamanitra.

09/03/2023

MOFONAINA 09/03/2023, Mofonaina Soratra Masina

ATOLOTRY NY FJKM AVARATR'ANDOHALO

MAMERINA HO AMIN'NY. FAHAMARINANA NY TOMPO

Jao 4, 1-26

1 Koa amin'izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona
2(kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany),
3 dia niala tany Jodia Izy ka nankany Galilia indray.
4 Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy.
5 Dia tonga tao an-tanàna anankiray any Samaria Izy, izay atao hoe Sykara, akaikin'ny tany izay nomen'i Jakoba ho an'i Josefa zanany.
6 Ary teo ilay fantsakan'i Jakoba. Ary satria sasatra Jesosy tamin'ny nalehany dia nipetraka teo am-pantsakana Izy, rehefa tokony ho tamin'ny ora fahenina.
7 Ary nisy vehivavy Samaritana anankiray avy hantsaka rano dia hoy Jesosy taminy: Omeo Aho hosotroiko.
8(Fa ny mpianany efa lasa nankany an-tanàna hividy hanina)
9 Fa hoy ravehivavy Samaritana taminy: Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin'ny Samaritana.)
10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan'Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
11 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, tsy manana fanovozana Hianao, sady lalina ny fantsakana; koa avy aiza no ahazoanao izany rano velona izany?
12 Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto?
13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray;
14 Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay.
15 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony.
16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa atỳ .
17 Ravehivavy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy manam-bady aho. Hoy Jesosy taminy: Marina ihany izay nolazainao hoe: Tsy manam-bady aho;
18 Fa efa nanam-bady indimy ianao, sady tsy vadinao ilay itoeranao ankehitriny; marina izany voalazanao izany.
19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao.
20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray.
22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena.
23 Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.
24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. 25 Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. 26 Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy.
==
"Ray Masina o! Manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana." Amena.

08/03/2023

MOFONAINA 08/03/2023, Mofonaina Soratra Masina

ATOLOTRY NY FJKM AVARATR'ANDOHALO

MAMERINA HO AMIN'NY. FAHAMARINANA NY TOMPO

Deo 23, 10 - 19

10 Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
11 Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin'ny alina, dia hivoaka eny ivelan'ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
12 Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin'ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin'ny toby indray izy.
13 Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao;
14 Ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
15 Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
16 Aza atolotrao amin'ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
17 Eo aminao no hitoerany, dia eo amin'ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
18 Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin'ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
19 Aza mitondra ny tangin'ny vehivavy janga, na ny karaman'alika, ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
==
"Ray Masina o! Manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana." Amena.

07/03/2023

MOFONAINA 07/03/2023, Mofonaina Soratra Masina

ATOLOTRY NY FJKM AVARATR'ANDOHALO

MAMERINA HO AMIN'NY. FAHAMARINANA NY TOMPO

Mat 5, 43-48

43. Efa renareo fa voalaza hoe: Tiava ny namanao (Lev. 19. 18), ary mankahalà ny fahavalonao.
44. Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,
45. mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.
46. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?
47. Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?
48. Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra.
==
"Ray Masina o! Manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana." Amena.

06/03/2023

MOFONAINA 06/03/2023, Mofonaina Soratra Masina

ATOLOTRY NY FJKM AVARATR'ANDOHALO

MAMERINA HO AMIN'NY. FAHAMARINANA NY TOMPO

I Kor 4, 1 - 5

1 Aoka hataon'ny olona ho mpanompon'i Kristy sy mpitandrina'ny zava-miafina izay an'Andriamanitra izahay. 2 Ary raha izany, dia fantatrareo fa ny mpitandrina dia tokony ho olona mahatoky.
3 Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho, na hotsarain'olona fa ny tenako aza tsy mitsara ahy.
4 Fa tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahamarina ahy izany; fa ny Tompo no Mpitsara ahy:
5 Koa amin'izany aza mitsara na inona na inona alohan'ny fotoana, dia ny fihavian'ny Tompo, Izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin'ny maizina ka hampiseho ny fikasan'ny fo; dia samy hahazo izay derany avy amin'Andriamanitra izy rehetra
==
"Ray Masina o! Manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana." Amena.

Fiadanana,Indro ny fandaharam-potoana anio Alahady 05 Martsa 2023Tahian'ny Tompo !
05/03/2023

Fiadanana,

Indro ny fandaharam-potoana anio Alahady 05 Martsa 2023
Tahian'ny Tompo !

04/03/2023

MOFONAINA 04/03/2023, Mofonaina Soratra Masina

ATOLOTRY NY FJKM AVARATR'ANDOHALO

MAMERINA HO AMIN'NY. FAHAMARINANA NY TOMPO

Lioka 16, 19 - 31

19. Nisy lehilahy manan-karena anankiray niakanjo volomparasy sy rongony fotsy madinika sady nanaram-po fatratra isan'andro tamin'ny fahafinaretana.
20. Ary nisy olo-malahelo ferena anankiray atao hoe Lazarosy napetraka teo anilan'ny vavahadiny;
21. ary naniry mba hihinana izay latsaka avy tamin'ny latabatr'ilay manan-karena izy, fa ny alika kosa no avy ka nilelaka ny feriny.
22. Ary maty ilay malahelo, dia nentin'ny anjely ho any an-tratran'i Abrahama; ary maty koa ilay manan-karena, dia nalevina;
23. ary raha nijaly tao amin'ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an'i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.
24. Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron'ny rantsan-tanany amin'ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin'ity lelafo ity.
25. Fa hoy Abrahama: Anaka, tsarovy fa ianao efa nahazo ny zava-tsoanao tamin'ny andro niainanao, ary Lazarosy kosa ny zava-dratsy; fa ankehitriny izy no ampifalinay . ary ianao kosa no fadiranovana.
26. Ary mihoatra noho izany rehetra izany, misy tevana makadiry ajadona ao anelanelantsika, mba tsy ho afa-mita hankeny aminareo izay te-hiala etỳ, ary ny ho afa-mita hanketỳ aminay izay eny.
27. Dia hoy izy: Mangataka aminao ary aho, ry raiko: mba iraho Lazarosy hankany amin'ny tranon'ny raiko
28. (fa manana rahalahy dimy aho), mba hilaza tsara aminy, fandrao mba ho tongay amin'ity fijaliana ity koa izy.
29. Fa hoy Abrahama taminy: Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy.
30. Fa hoy kosa izy: Tsia, ry Abrahama, raiko; fa raha misy miala amin'ny maty hankany aminy, dia hibebaka izy.
31. Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza.
==
"Ray Masina o! Manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana." Amena.

03/03/2023

MOFONAINA 03/03/2023, Mofonaina Soratra Masina

ATOLOTRY NY FJKM AVARATR'ANDOHALO

MAMERINA HO AMIN'NY. FAHAMARINANA NY TOMPO

Rom 4, 13 - 22

13 Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin'ny finoana, no nahazoan'i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy. 14 Fa raha izay amin'ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;
15 fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
16 Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an'ny taranaka rehetra,- tsy ho an'izay amin'ny lalàna ihany, fa ho an'izay amin'ny finoan'i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra -
17 araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain'ny firenena maro ianao (Genesisy 17:5) - teo anatrehan'izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
18 Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Genesisy 15:5).
19 Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan'ny kibon'i Saraha,
20 ary tsy niahanahana ny amin'ny teny fikasan'Andriamanitra tamin'ny tsy finoana izy, fa nampaherezin'ny finoana ka nanome voninahitra an'Andriamanitra
21 ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa. 22 Dia nisaina ho fahamarinany izany.
==
"Ray Masina o! Manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana." Amena.

02/03/2023

MOFONAINA 02/03/2023, Mofonaina Soratra Masina

ATOLOTRY NY FJKM AVARATR'ANDOHALO

MAMERINA HO AMIN'NY. FAHAMARINANA NY TOMPO

MAT 25. 14-30

14 Fa ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany;
15 koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray-samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
16 Ary niaraka tamin'izay dia lasa ilay nandray ny talenta dimy, ka nataony varotra izany; ary nahazo tombony talenta dimy koa izy?
17 Ary toy izany koa, ilay nandray ny roa dia nahazo roa ho tombony.
18 Fa ilay nandray ny izay kosa dia lasa nihady ny tany ka nandevina ny volan'ny tompony.
19 Ary nony ela, dia tonga ny tompon'ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin'ny volany.
20 Ary nony nanatona ilay nandray ny talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy: indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho.
21 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky ; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.
22 Ary nony nanatona koa ilay nandray ny talenta roa, dia hoy izy: Tompoko, talenta roa no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta roa koa aho. 23 Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.
24 Fa nony nanatona kosa ilay nandray ny talenta iray, dia nilaza hoe: Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary hianao, mijinja eny amin'izay tsy namafazanao, ary manangona eny amin'izay nanahafanao;
25 dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao.
26 Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, efa fantatrao fa mijinja eny amin'izay tsy namafazako aho, ary manangona eny amin'izay tsy nanahafako;
27 koa tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanàna vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany.
28 Koa alao aminy ny talenta, dia omeo ilay manana ny talenta folo.
29 Fa izay rehetra manana dia homena, ka hanam-be izy; fa izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia halaina aminy.
30 Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
==
"Ray Masina o! Manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana." Amena.

01/03/2023

MOFONAINA 01/03/2023, Mofonaina Soratra Masina

ATOLOTRY NY FJKM AVARATR'ANDOHALO

MAMERINA HO AMIN'NY. FAHAMARINANA NY TOMPO

1 Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe:
3 Jehovah o, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
4 Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna* afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: [* Na: kianja]
5 Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao.
6 Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko.
7 Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.
==
"Ray Masina o! Manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana." Amena.

28/02/2023

MOFONAINA 28/02/2023, Mofonaina Soratra Masina

ATOLOTRY NY FJKM AVARATR'ANDOHALO

NY FAHEFAN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA

Hebreo 4, 12 - 13

Mofonaina anio
Talata 28 Febroary 2023
NY FAHEFAN' NY TENIN' ANDRIAMANITRA
Hebreo 4 : 12 - 13

12 Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
13 Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.
==
"Ray Masina o! Manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana." Amena.

27/02/2023

MOFONAINA 27/02/2023, Mofonaina Soratra Masina

ATOLOTRY NY FJKM AVARATR'ANDOHALO

NY FAHEFAN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA

Marka 2, 1 - 12

1. Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,
2. ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
3. Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy.
4. Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesoa, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay nararin'ny paralysisa.
5. Ary Jesoa, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.
6. Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:
7. Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy* Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? [*Grika: manao blasfemia, izahao Matio 9:3]
8. Ary niaraka tamin'izay Jesoa dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
9. Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana?
10. Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa):
11. Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
12. Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
==
"Ray Masina o! Manamasina anay amin'ny fahamarinana, ny Teninao no fahamarinana." Amena.

Address

Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Avaratr'Andohalo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to FJKM Avaratr'Andohalo:

Share