Ilofav- FBL- FLM

Ilofav- FBL- FLM IVONTOERANA LOTERANA HO FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY
Pejy ofisialy

30/06/2026

🙏🎉 ZAIKABE FAHA-18 FIKAMBANAM-BEHIVAVY LOTERANA (FBL) – FLM 🎉🙏

📖 "Efa nahita ny Tompo aho."
📍 Jaona 20:18b

Amim-pifaliana no anasan'ny Foibe FBL antsika rehetra hanatrika ny Zaikabe faha-18, fotoana iray hiombonana amin'ny finoana, ny fiderana ary ny firaisankina. ❤️

📍 Toerana : SPFT Toliara – Kianja Maître Kira
📅 Daty : 10 – 16 Aogositra 2026

🙏 Tongava maro, ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany!

🙌💒🇲🇬

21/06/2026
Alahadin'ny TRINITE 2026
31/05/2026

Alahadin'ny TRINITE 2026

🌸💐Miarahaba antsika reny rehetra amin'izao fety izao ! ❣️🌸🏵
31/05/2026

🌸💐Miarahaba antsika reny rehetra amin'izao fety izao ! ❣️🌸🏵

Miarahaba antsika rehetra tratry ny PENTEKOSTA 2026! Hitondra fihavaozana ho antsika tsirairay anie izao fahatsiarovana ...
24/05/2026

Miarahaba antsika rehetra tratry ny PENTEKOSTA 2026! Hitondra fihavaozana ho antsika tsirairay anie izao fahatsiarovana sy fankalazana ny nilatsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny mpianatra izao!

Isaorana an'i Andriamanitra ny fahavitany fiofanan'ireo andiany voalohany Femme de ménage tato amin'ny centre Ilofav .Is...
23/04/2026

Isaorana an'i Andriamanitra ny fahavitany fiofanan'ireo andiany voalohany Femme de ménage tato amin'ny centre Ilofav .

Isaorana ny mpampianatra sy mpampiofana rehetra nahatanteraka izany, isaorana koa ireo rehetra nanohana. Isaorana lehibe koa ny Lovasoa4CC nanampy tamin'ny stage pratique.

Ho fitahiana ho an'izay toerana hiasany avy anie izy valo mianadahy mianaka.
Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.

Asa adino fa efa hifarana ny fisoratana anarana ho amin'ny andiany manaraka koa hararaoty.

Antsoy ny laharana finday 034 50 490 29.

Ry Sakaiza velona Jesosy! Efa nitsangana tamin'ny maty tokoa Izy. Mirary fetin'ny P***a feno fiadanana ho antsika rehetr...
05/04/2026

Ry Sakaiza velona Jesosy! Efa nitsangana tamin'ny maty tokoa Izy.
Mirary fetin'ny P***a feno fiadanana ho antsika rehetra.

Isaorana Jesosy Tompo fa vita soa aman-tsara ny fotoana fanakalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy ...
12/03/2026

Isaorana Jesosy Tompo fa vita soa aman-tsara ny fotoana fanakalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy natao teto @ Foibe FBL/ILOFAV ny Sabotsy 07 Marsa teo.
Indro atolotra antsika ny fintina an-tsary.

Aza adino ny fotoantsika rahampitso!
06/03/2026

Aza adino ny fotoantsika rahampitso!

💐Ho fiarahana mankalaza ny 8 Mars andron'ny Vehivavy manerantany. Ny Foibe
💐✨Fikambanambehivavy Loterana dia manasa antsika Vehivavy sy tovovavy rehetra hiara hiombombavaka ety amin'ny Ilofav ny Asabotsy 7 mars manomboka amin'ny valo ora sy sasany.
Toy izao ny fandaharam-potoana amin'izany:
✨Fampianarana momban’ny fitandreman-pananana, fianarana fromage, glace, Saucisson maimaimpoana fa fandraisana anjara amin’ny akora (ingrédients) 5000 ar.
Misoratra anarana mialoha hatramin'ny faran'ny volana Febroary izay liana Hisy varotra sakafo maivana karakarain'ny aty antoerana Tongava maro fa ny aimpanahy ho azo, ny fahaizana hitombo, ny fifaliana koa ho safononoka. Mandran-pihaona eny amin'ny Ilofav.

Address

Ambohibao Morondava
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ilofav- FBL- FLM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share