Mirehitra ho an'ny Tompo

Mirehitra ho an'ny Tompo Manompo sy miasa ho an'ny fanjakan' Andriamanitra 🔥🔥🔥

05/04/2026

Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.🔥🔥🔥
Rom 8:11

Amin'ny fotoana mandalo ady ianao ka feno tahotra sy tebiteby iny, mijanona vetivety ⛔ dia angataho ny Fanahy Masina🕊️, ...
12/03/2026

Amin'ny fotoana mandalo ady ianao ka feno tahotra sy tebiteby iny, mijanona vetivety ⛔ dia angataho ny Fanahy Masina🕊️, lazao Izy " FENOY NY FIADANANAO INDRAY AHO"🙏🏻🙏🏻
🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥
Tahin'i Jesosy daholo💜 🥰

✨“Aza ho mpihaino ny teny fotsiny, fa ho mpanatanteraka.”✨— Jakoba 1:22💧Inona no dikan’ny hoe miaina ny Tenin’ Andriaman...
10/02/2026

✨“Aza ho mpihaino ny teny fotsiny, fa ho mpanatanteraka.”✨
— Jakoba 1:22

💧Inona no dikan’ny hoe miaina ny Tenin’ Andriamanitra?

🎗️Ny kristianina dia tsy hoe ilay Fotoana famonjena fotoam-bavaka ao am-piangonana ihany,fa isan’andro:
-ao an-trano
- eny an-tsena,
-eny am-piasana,
-eny an-dalana
na aiza na aiza misy antsika na inona na inona ataontsika dia kristianina isika 👌🏻

👉 Tsy am-bava fotsiny ihany ny finoana fa aseho amin’ny fiainana.
Amin’ny voany no ahafantarana ny hazo.”
— Matio 7:16📖

🫧Ao an-trano
-Fifanajana eo amin’ny mpivady
-Fitiavana sy faharetana amin’ny zanaka
-Tsy teny manaratsy fa teny manasitrana
-Ny tso-drano fa Tsy ozona ...
“Ny fitiavana mahari-po sady malemy fanahy.”
— 1 Korintiana 13:4📖
📌 Ao an-tokantrano dia tokony toerana tsara sy mahatamana .

🫧Eny am-piasana / eny an-tsena
-Fahamarinana (tsy mangalatra, tsy mandainga)
-Asa atao amin’ny fo, na misy mijery na tsia
-Fahazotoana sy fahatokiana

“Na inona na inona ataonareo dia ataovy ho an’ny Tompo.”
— Kolosiana 3:23📖
📌 Ny fomba fiainantsika kristianina dia toriteny velona .

🫧Amin’ny fifandraisana amin’ny olona
-Mamela heloka
-Tsy mamaly ratsy amin’ny ratsy
-Miteny amim-pahendrena
“Aoka ho feno fahasoavana ny teninareo.”
— Kolosiana 4:6📖
📌 Indraindray ny fahanginana no fahendrena.

🫧Amin’ny fotoan-tsarotra
-Tsy kivy fa matoky an’Andriamanitra
-Mivavaka ka Tsy reraka
-Mahatoky fa misy lalana makany amin'ny tanjona ny fitsapana
“Fantatsika fa ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa.”
— Romana 8:28📖
📌 Tsy mpandresy isika Raha Tsy misy ny zavatra resena

KRISTIANINA AO AMIN’NY VANIM-POTOANA ANKEHITRINY🔥📖 Romana 12:2“Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao, fa miovà amin’n...
06/02/2026

KRISTIANINA AO AMIN’NY VANIM-POTOANA ANKEHITRINY🔥

📖 Romana 12:2
“Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao, fa miovà amin’ny fanavaozana ny sainareo.”

🍂Vanim-potoanan'ny :
-tsy fahamarinan-toerana (eo amin'ny lafiny rehetra)izao
-fakam-panahy maro (tambajotra sosialy, kolikoly, fitiavan-tena)
-tahotra, adin-tsaina, fahakiviana sns
👉 Kanefa: JESOSY TSY MIOVA na miova aza izao tontolo izao.
📖 Hebreo 13:8
“Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.”

🍂 Maro ny olona miaina amin’ny:tahotra ny ho avy,
tebiteby amin’ny fiainana, fitarainana lalandava...
Fa ny kristianina kosa:
🪷miaina amin’ny finoana
🪷mitoky amin’Andriamanitra
🪷tsy mora hozongozonina
📖 2 Timoty 1:7
“Fa tsy fanahin-tahotra no nomen’Andriamanitra antsika.”

🍂 Kristianina mampiasa tsara ny teknolojia
Tsy ratsy ny:
Facebook, WhatsApp, TikTok, Instagram...
Fa mila fahendrena ny fampiasana azy ireny✨
👉 Fanontaniana tokony hapetraka foana n'y hoe:
Mampifanakaiky ahy amin'Andriamanitra ve?
Connecté aminy ve za raha manao an'ity?
📖 1 Korintiana 10:23
“Azo atao avokoa ny zavatra rehetra, nefa tsy mahasoa avokoa.”

👉 Tsy azo adinoina fa isika dia nantsoina
🔥ho mazava
🔥ho sira
🔥ho vavolombelona velona
📖 Matio 5:16
“Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo.”

Ry havana,
Tsy mora ny fiainan'ny kristianina amin’izao vanim-potoana izao,
fa azo atao tsara raha miaraka amin’Andriamanitra.💥
👉 ✉️Aoka isika:
hifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra
hivavaka tsy tapaka ,ho ohatra tsara amin’ny fiainana andavanandro
🙏 Ho hita foana ny maha kristianina na inona na inona vanim-potoana.

🔥Calme fotsiny fa Tsy mikoropaka,  🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥Fiadiana ara-panahy ny fitoniana.Miandry anao hisendotra sy hanakorota...
04/02/2026

🔥Calme fotsiny fa Tsy mikoropaka, 🔥
🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥
Fiadiana ara-panahy ny fitoniana.

Miandry anao hisendotra sy hanakorotana
Mampatahotra izy ireo.
Miandrandra faharavana...

Ianao anefa calme foana 🪷,navelanao hiady ho anao Andriamanitra.🙇🏻🙏🏻

Aza taitra amin'ny zava-drehetra.
Miorena tsara.
Tsy fahalemena ny fiadanana, fa marika fa manana ilay MPIADY MAHERY IANAO 💥

Eo ilay fotoana ifikirana amin'ilay teny hoe: 📖“Fantatro izay inoako”( II Timoty 1:12)

📖 "Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina."

— Eksodosy 14:14

Rehefa misafidy tony ianao,misafidy ny hamela an'Andriamanitra hiasa malalaka 🙏🏻


🍃Mety ho lavo ianao🍃Mety misalasala 🍃Mety ho kivy ihany koa🍃Na mety ho reraka.Hoy i Davida ao amin'ny Salamo 139:8📖 “Rah...
03/02/2026

🍃Mety ho lavo ianao

🍃Mety misalasala

🍃Mety ho kivy ihany koa

🍃Na mety ho reraka.

Hoy i Davida ao amin'ny Salamo 139:8

📖 “Raha miakatra any an-danitra aho, dia any ianao;
raha amboariko any amin’ny fiainan-tsi-hita ny fandriako, dia any ianao”.

Ao amin'ny Isaia 59:1 indray milaza fa
📖" Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy,
Ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;"

Manàna antoka fa tsy tapitra izany ny mombanao✨
MBOLA EO ANDRIAMANITRA🏵️
Izy ilay MPANANGANA🍀 Izy ilay MPANASITRANA, Izy no ilainao❤️

Salamo 46:1B
📖"ANDRIAMANITRA no aro sy hery ho antsika;Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy."

🌳Andriamanitra tsy mandao anao amin'ny fahalavoanao.
Manintsy anao Izy 🪵mba hitodianao aminy indray.

Izany no Jesosy tompointsika❤️

Andriamanitra tsy mahafoy ny Azy❤️❤️❤️❤️

Androany isika mba Tsy angataka indray fa haka fotoana isika hisaotra an'Atra, andeha isika hisaintsaina ny nataon'i Jéh...
23/01/2026

Androany isika mba Tsy angataka indray fa haka fotoana isika hisaotra an'Atra, andeha isika hisaintsaina ny nataon'i Jéhovah antsika.
🏵️🏵️🏵️
📖Jaona 10:28
ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako.
🎈Betsaka ny tànana te handray antsika , ny fahavalo ihany koa tsy hitazam-potsiny ..
Fa izay mitantana antsika ihany no hitondra antsika ho any amin'ny tanjony .. 🔥
Andeha isika tsy ho maika handray na horaisin'ny hafa an- tànana satria betsaka ny efa nanenina tamin ny safidy diso ..
🎆Fotoana izao hanaovantsika safidy TSARA ..
🎆Fotoana izao isaorana an'Atra n'y @ tanany izay Tsy mamotsitra antsika.
🎆Fotoana izao ny hametrahantsika ny mikasika antsika eo an-tànan ilay mahay azy .. dia i JESOSY KRISTY ❤️
FA tsy misy tahaka Azy
🏵️🏵️🏵️

31/12/2025

Inona no havaliko an’i Jehovah

Noho ny soa rehetra nataony tamiko?
Salamo 116:12

Vizana ve ianao?Misy fotoana tsy ny vatana ihany no vizana, fa indraindray na ny fanahy ary reraka…⛈️Voatafika ny finoan...
28/11/2025

Vizana ve ianao?

Misy fotoana tsy ny vatana ihany no vizana, fa indraindray na ny fanahy ary reraka…
⛈️Voatafika ny finoana...
⛈️Ny saina lasa sous pression...

Amin'izay fotoana izay , ny vavaka atao matanjaka🙏🏻💪🏻. Satria tsy avy amin’ny fitsaharana sy fakan'aina ny herin’Andriamanitra, fa avy amin’ny FANATREHANY 🔥🔥🔥

Mety mahatsapa ianao fa hatreo ny fahaizanao ianao…
lany hery…
Tsy manana ho lazaina intsony...
💦Mandohalia , dia hanandratra anao ny lanitra. 🔥🔥🔥
🌀Mivavaha mandra-piverin'ny afonao.
🌀 Mivavaha mandra-pilamina ny fanahinao.
🌀 Mivavaha mandra-panavaozana ny herinao indray
🌀 Mivavaha… mandra-pahazonao ilay afo avy amin'Andriamanitra 🔥
📖 “Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
Handeha izy, nefa tsy ho reraka."( Isaia 40:31 ).

Jesosy hametraka olona eo amin'ny lalanao izay hino ny fahaizanao🌷, hanohana ny ezaka ataonao🌷, ary hanandratra anao.🌷📖I...
26/11/2025

Jesosy hametraka olona eo amin'ny lalanao izay hino ny fahaizanao🌷, hanohana ny ezaka ataonao🌷, ary hanandratra anao.🌷

📖Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra,
Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana. Ohabolana 17:17

Ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, misy fijoroana vavolombelona momba ny fisakaizana sy finamanana.✔️
Mbola mino ve ianao fa Andriamanitra dia afaka mametraka olona eo amin'ny lalanao izay ho loharanon'ny fitahiana eo amin'ny fiainanao❓❓

⚜️Misy olona napetrak'Andriamanitra eo amin'ny lalanao satria manana anjara toerana lehibe horaisina!🔔

Mivavaka ho an'ny zavatra maro isika 🙏🏻, fa matetika isika no manadino ny mivavaka ho an'ny relation mety hampisy fiatraikany eo amin'ny fiainantsika.
Tian'Andriamanitra ny hitahy antsika ka fomba hitahiny antsika koa ny fananana relation.
⚜️Ny fanahin'i Davida dia mifamatotra amin'ny fanahin'i Jonatana. Fantatr'i Davida fa afaka miantehitra amin'i Jonatana izy.
🪔Ny fananana namana azo ianteherana dia fanomezana avy amin'ny Tompo. ⚜️Tian'Andriamanitra ny hametraka olona manodidina antsika
🪔mba hanampy antsika handroso
🪔 hanohana antsika,
🪔ary hanitsy antsika raha manao fahadisoana isika.

⚜️ Jesosy rehefa naniraka ny mpianany dia naniraka azy ireo tsiroaroa.
Mila mpiara-dalana isika 🧑‍🤝‍🧑
⚜️Niara-nandeha tamin'i Barnabasy i Paoly, ary niara-nahavita zavatra lehibe izy ireo.

Oento am-bavaka ny relation anao 🏵️

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mirehitra ho an'ny Tompo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share