STK Za - FJKM Avaratr'Andohalo

STK Za - FJKM Avaratr'Andohalo Sampana Tanora Kristiana Zandriny eto amin'ny FJKM Avaratr' Andohalo, Synodamparitany Antananarivo Atsinanana (SPAA 12).

Manana Rantsana 5 ny STK Za (Sampana Tanora Kristiana Zandriny):
1) Hira
2) Aim-panahy sy sosialy
3) Fanabeazana sy Teny vahiny(English club)
4) Fanatanjahan-tena
5) Famokarana (loharanom-bola maharitra)

🤝
02/08/2026

🤝

02/08/2026

SABOTSY 25 JOLAY 2026 | TEAM BUILDING STK Za Avaratr’Andohalo 🤝

« 𝐌𝐚𝐧𝐚𝐢𝐤𝐲 𝐡𝐨 𝐢𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐧𝐨 » 𝟏 𝐓𝐞𝐬𝐚𝐥𝐨𝐧𝐢𝐚𝐧𝐚 𝟓,𝟏𝟒-𝟏𝟓

Nanatanteraka Team Building teny Vontovorona, tao an-tokantranon’ny Ray aman-dreny Mpitandrina misotro ronono ANDRIAMASINORO Fidimalala mivady izahay. (Izay isaoranay azy ireo nandray anay 🙏🏽)

💪🏽 Ny maraina dia natomboka tamin’ny lalao maro izay mifono fampianarana sy fahaiza-miaina tokoa. Fotoana iray nanamafisana ny firaisankina sy ny fifanampiana, nampivelarana ny fahaizana miara-miasa, ny fifaninanana ara-drariny, sady nahafana nianatra ny Soratra Masina tamin’ny alalan’ny lalao maro samihafa.

📖 Ny tapany hariva kosa dia niompana tamin’ny fampianarana ara-panahy, nifantoka tamin’ireo fakam-panahy sy fanamby atrehan’ny tanora kristiana amin’izao vanim-potoana izao, indrindra ny fitiavan-tena, fitiavam-bola, fahafinaretana ary fitaoman-dratsy.

Notsindriana ny maha-zava-dehibe ny fiorenana amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny maha-FJKM, mba hahafahana mijoro amin’ny finoana sy tsy ho voasariky ny zava-mandalo.

Andro iray nahafahana nampitombo finoana sy firaisankina, ho fanamafisana ny antso maha-iraka ny mpino ✨

« 𝑀𝑖𝑒𝑧𝑎ℎ𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎𝑘𝑎𝑟𝑖𝑣𝑎 ℎ𝑖𝑡𝑎𝑑𝑦 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎, 𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑛𝑎𝑚𝑎𝑛𝑎𝑟𝑒𝑜 𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑟𝑒ℎ𝑒𝑡𝑟𝑎. » — 1 𝑇𝑒𝑠𝑎𝑙𝑜𝑛𝑖𝑎𝑛𝑎 5,15

📌 Sahan’asa nokarakarain’ny Rantsana Hira, Aim-panahy sy Sosialy ary Fanatanjahantena.

📖 ALAHADIN’NY SAMPANA TANORA KRISTIANA – 12 JOLAY 2026Lioka 5, 5« Kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato....
23/07/2026

📖 ALAHADIN’NY SAMPANA TANORA KRISTIANA – 12 JOLAY 2026

Lioka 5, 5
« Kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato. »

Rehefa tonga amintsika ny antson’ny Tompo, dia antsoina isika hanaiky ny Teniny sy hanatanteraka ny baikony. Tahaka an’i Petera, na dia misy aza ny fisalasalana, dia ny finoana sy ny fankatoavana no mitarika antsika amin’ny fitahiana sy zava-dehibe mihoatra noho izay noeritreretintsika.

Ny maraina dia niombona tamin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny FJKM, Fitandremana Avaratr’Andohalo, ary ny tolakandro kosa dia niara-nisakafo sy niara-nifaly.

🌊 Eo am-panomanana ny Fihaonambe Nasionaly STK, izay hotanterahina any Nosy Be ny 26 ka hatramin’ny 30 Aogositra, dia mitohy ny ezaka sy ny fiomanan’ny Sampana.

Koa ny vavaka sy ny fanohanana amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ireo hetsika izay karakarainay dia isaoranay sahady anareo, na ny efa nandray anjara na ireo izay mikasa ny amin’izany 🤲

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra ! 🙏

Ny Sampana Tanora Kristiana Zandriny dia faly manasa antsika rehetra hiaraka hiombom-bavaka noho ny Alahadin'ny STK FJKM...
08/07/2026

Ny Sampana Tanora Kristiana Zandriny dia faly manasa antsika rehetra hiaraka hiombom-bavaka noho ny Alahadin'ny STK FJKM amin'ny Alahady 12 Jolay 2026 ho avy izao. Manomboka amin'ny 8 ora 30 min ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny FJKM, Fitandremana Avaratr’Andohalo .

Samia hotahian' Andriamanitra, ry havana.

Isaorana an' Andriamanitra ny fahatanterahan'ny sahanasa tamin'ny Sabotsy 13 Jona 2026 lasa teo tao amin'ny Akany ao Anj...
16/06/2026

Isaorana an' Andriamanitra ny fahatanterahan'ny sahanasa tamin'ny Sabotsy 13 Jona 2026 lasa teo tao amin'ny Akany ao Anjohy. "MY IDENTITY IS IN CHRIST" no lohahevitra tamin'izany ary ny Rantsana Fanabeazana sy Tenim-Pirenena no nandrindra azy niaraka tamin'ny Rantsana Aim-Panahy sy Sosialy.

Inona tokoa moa no ambaran'ny Soratra Masina momba ny maha isika antsika? 🤔 Nozaraina telo ny fiaraha-mandinika Soratra Masina ka namelabelarana ireto zana-kevitra manaraka ireto:
👉 "I am wonderfully made" (Namboarin' Andriamanitra tamin'ny fomba mahagaga aho)
📖 Sal. 139, 13-16; Sal. 100, 1-3; Sal. 71, 6
👉 "I am loved" (Tian' Andriamanitra aho)
📖 Gen. 1, 27; Gen. 2, 21-24
👉 "I am chosen, I am never alone" (Nofidin' Andriamanitra aho, tsy irery izany mihitsy aho)
📖 Jos. 1,9; Kol. 3,12

Ny tanjon'ity sahanasa ity dia ny hahatsapan'ny olona tsirairay fa tsy kisendrasendra ny fisiany eto an-tany fa efa planin' Andriamanitra hatrany am-pamoronana azy. Noho izany dia misy iraka ampanaovin'ny Tompo antsika ary manome hery sy toky antsika Izy mba hahafahantsika manatanteraka izany.

Ho Azy Tompo hatrany ny voninahitra.

Misaona ny Sampana Tanora Kristiana Zandriny ✝️Nodimandry ny namanay, Ny Ony, izay anisan’ireo nandray anjara mavitrika ...
05/06/2026

Misaona ny Sampana Tanora Kristiana Zandriny ✝️

Nodimandry ny namanay, Ny Ony, izay anisan’ireo nandray anjara mavitrika teo amin’ny fiainan’ny STK Za Avaratr’Andohalo nandritra ny taona maro.

Niditra tao amin’ny STK Za izy ny taona 2013 ary nanolo-tena tamin’ny asa fanompoana sy ny fiainam-pikambanana. Nitana andraikitra tao amin’ny Komity Rantsana Sosialy izy nandritra ny taona 2015–2016 ary ny taona 2019. Tamin’ny taona 2016 ihany koa no nananganany ny Rantsana Seho an-tsehatra sy Dihy, fanehoana ny finiavany hampivelatra sy hampanan-karena hatrany ny fiainan’ny STK Za tamin’izany.

Tsaroanay ny fanomezany lanja ny andraikitra nankinina taminy sy ny fandraisany anjara mavitrika tamin'ireo fotoana niarahana taminy.

Ny Sampana Tanora Kristiana Zandriny Avaratr’Andohalo dia miara-miombona alahelo amin’ny fianakaviany sy ireo havany ary mivavaka ho azy ireo amin’izao fotoan-tsarotra izao.

“Fa izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.” (Jaona 11:25)

Mandria am-piadanana Ny Ony 🤍🕊️

INY LALANA INY ... Sahanasa nokarakarain'ny Rantsana Fanatanjahantena niaraka tamin'ny Rantsana Fanabeazana sy Tenim-Pir...
01/06/2026

INY LALANA INY ...

Sahanasa nokarakarain'ny Rantsana Fanatanjahantena niaraka tamin'ny Rantsana Fanabeazana sy Tenim-Pirenena tamin'ny Sabotsy 29 Mey 2026 lasa teo teny Ilafy. "Randonnée"🏃 nahafahana nampitombo ny fahalalana ara-tsoratra masina 📖, ny fahalalana ankapobeny 🧑‍🏫, ary ny fahaizana teny vahiny 🇨🇵🇺🇸 no natao tamin'izany.

Ireto misy sary vitsivitsy nanamarika iny tontolo andronay iny.

Soli Deo Gloria.

✨️ PENTEKOSTA MANAVAO • PENTEKOSTA MAMPIFALY ✨️Ho avy indray ny fotoana hiarahana am-pifaliana sy firaisam-po amin’ity A...
13/05/2026

✨️ PENTEKOSTA MANAVAO • PENTEKOSTA MAMPIFALY ✨️

Ho avy indray ny fotoana hiarahana am-pifaliana sy firaisam-po amin’ity Alatsinainin’ny Pentekosta 2025 ity 🌿
📍 Eny Ilaivola, mandritra ny fitsangatsanganan’ny Fiangonana.

Ireto avy no atolotry ny STK Za ho anareo (ao amin’ny sary ny andinindininy) :

🍽️ Sakafo atoandro
• Riz + Poulet aux champignons + Lasary

➡️ Azo jifaina eo an-tokontanim-piangonana
🥤 Yaourt à boire izay vokarinay manokana 0,5L na 1L

🎮 Tournoi E-sport
Ho an’ireo te handray anjara dia misorata anarana ao amin’ny hafatra miafina (message privé) 📩

“Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina.” Salamo 133 : 1

Tongava maro ary hiara-hankalaza ao anatin’ny hafaliana, fifankatiavana ary ny herin’ny Fanahy Masina 🙏🔥

📅 Sabotsy 02 Mey 2026🙏 Fianarana mivarotra, Tanora Kristiana mandraharaha, fanomanana ny fihaonambe any Nosy Be 2026...I...
02/05/2026

📅 Sabotsy 02 Mey 2026

🙏 Fianarana mivarotra, Tanora Kristiana mandraharaha, fanomanana ny fihaonambe any Nosy Be 2026...
Ireo indray ary ny sahanasa notontosaina androany tao amin'ny **STK Zandriny FJKM Avaratr'Andohalo** ! 🏛️✨

Tao anatin'izany no nianarana fa **tena misy ny fenitra izay tokony harahina amin'ny maha-Kristiana** : 🌟

✅ Eo amin'ny kalitaon'ny akora ampiasaina sy ny vokatra azo avy eo
✅ Eo amin'ny fivarotana — ao anatin'ny tsikitsiky hatrany 🤝
✅ Eo amin'ny fandraisana ireo sosokevitra fanatsaràna rehetra📈

💡 Ireo rehetra ireo dia tena tsara ampiharina amin'ny fiainana andavanandro — tsy eo amin'ny sehatry ny varotra ihany, fa amin'ny zavatra rehetra atao ho voninahitr'Andriamanitra ! 🙌
🏝️ Sady ho fanohanana ny amin'ny fandehanana any Nosy Be amin'ny Aogositra 2026 e!

Koa dia manentana anareo rehetra 📣 hanjifa ny vokatra misy ato aminay, amin'ny alalan'ny tapakila / billets 🎟️, azo alaina any amin'ireo mpikambana !

🙏 Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra ! 🕊️

Misaotra an' Andriamanitra lehibe izahay fa vita soa aman-tsara indray ny sahanasa nokarakarain'ny Rantsana Fanabeazana ...
20/04/2026

Misaotra an' Andriamanitra lehibe izahay fa vita soa aman-tsara indray ny sahanasa nokarakarain'ny Rantsana Fanabeazana sy Tenim-pirenena niaraka tamin'ny Rantsana Fanatanjahantena. Tamin'ny Sabotsy 18 Aprily 2026 lasa teo no nanaovana izany tao amin'ny CEG Avaradrova.

"INNER JOY WITH JESUS" na "Fifaliana anaty miaraka amin'i Jesoa" no lohahevitra nifantohana tamin'izany. Nisy ny fampianarana narahina fampiharana izay niarahana tamin'ny Peace Club Madagascar ka toy izao no tsara ifampizaràna mba hiainana izany fiainam-pifaliana araka ny sitrapon'i Jesoa izany:
👉 Giving (manome, fitiavana mizara amin'ny hafa)
👉 Positive speech (fiteny miabo, fitenenana zavatra tsara amin'ny hafa)
👉 Helpful (fitiavana manampy ny hafa)
👉 Consistency (fitozoana amin'izay zavatra atao)

Rehefa faly isika dia afaka mitondra hafaliana ho an'ny manodidina antsika ihany koa. 😊 Taorian'ny fampianarana dia nilalao basketball izahay. 😄⛹️

Dia toy izay ny Sabotsinay farany teo ... 😁

Ho Azy Tompo irery hatrany ny voninahitra.

Address

FJKM Avaratr'Andohalo
Antananarivo
00101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when STK Za - FJKM Avaratr'Andohalo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share