Jesosy No Mpamonjy

Jesosy No Mpamonjy FITORIANA FILAZANTSARA JESOSY KRISTY

11/09/2026

Hivavaka isika izao tompoko🙏
Rojom-bavaka mahery anio 🙏🙏🙏

Manonkana ora hivavahana anio alina🙏🙏Manomboka @ 8 ora hifampivavaka isika 💓😇
11/09/2026

Manonkana ora hivavahana anio alina🙏🙏
Manomboka @ 8 ora hifampivavaka isika 💓😇

11/09/2026
Job 20:5" Vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy"...
10/09/2026

Job 20:5
" Vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy"

1. Heverina mahazatra fa, ny fahavoazan'ny mpino dia noho izy ratsy, ary mizaka ny sazy mendrika azy.

2. Heverina mahazatra fa, ny fahombiazana dia porofon'ny fahatsarana, ary misitraka izany maharitra.

3. Averimberin'ny bokin'i Joba anefa fa tsy voatery ho marina izany. Joba no porofo fa mety mijaly ny marina, fa tsy nafoin'Andriamanitra velively. Tafarina indray ny fiainan'i Joba (Job 42:12)

✨ TADIDIO FA REHEFA MIVAVAKA ISIKA dia tsy ANDRIAMANITRA no miova fa isika Amin' ny maha zanak' ANDRIAMANITRA anao dia t...
09/09/2026

✨ TADIDIO FA REHEFA MIVAVAKA ISIKA dia tsy ANDRIAMANITRA no miova fa isika

Amin' ny maha zanak' ANDRIAMANITRA anao dia tsy safidy tsotra loatra ny hoe mivavaka fa zavatra tsy afaka hialàna satria fomba afahana miresaka amin' ny Ray

Ny fiainantsika ety an-tany dia fantantsika tsara hoe manana fikasana ho antsika ANDRIAMANITRA, tsarovy anefa hoe vavaka no hidiranao amin' iny teny fikasana iny satria avy amin' ANDRIAMANITRA iny ary vavaka no fomba hifandraisana Aminy

Tsy misy fiovana tonga tonga ho azy izany raha tsy misy ezaka ao, mihatra anie izany amin' ny fiainana rehetra e fa ho antsika dia haintsika tsara fa miha marefo raha tsy ampy vavaka izany

Voalohany aloha ny ara-panahy raha vao reraka dia tsy misy filaminana izany ny ambiny eo satria io no base-n' fiainana

Tsy misy very maina mazava ho azy ny vavaka ary tsy maintsy hitondra vokatra amin' ny fiainanao satria voa nafafy iny tsy maintsy hiotazana fa mila mamafy aloha izany

Jakoba 5 : 17
Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.

Olona tahaka antsika ihany Elia hoy ny Tenin' ANDRIAMANITRA, ary izy NAHERY NIVAVAKA

Izany hoe mialohan' ny vokatra azon' i Elia izany dia nisy aloha tao hoe nahery nivavaka izy fa tsy hoe nanana pouvoir manokana

Tadidio fa na i Jesoa Kristy koa aza anie ka nivavaka e,
Nivavaka Izy aloha vao nisy zavatra niova
Lioka 9 : 29
Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny

Nisy fiovana izany fa ny zavatra niseho voalohany aloha dia nivavaka Izy,
Raha Jesosy izay ANDRIAMANITRA ary ve nila nivavaka dia ahoana isika no tsy hivavaka

Tadidio fa ho an' ny tombon' ny tenantsika ny vavaka fa tsy hampiova na inona na inona amin' ANDRIAMANITRA izany na hanao isika na tsia

Aza atao antsirambina ny fiainam-panahy fa fototry ny fisiantsika ety an-tany izany

Tahin' i Tompo ✨

Address

Rabemananjara
Antananarivo
101

Telephone

+261329321729

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesosy No Mpamonjy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share