06/11/2025
📖 Asan'ny Apostoly 9 : 36
"Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon'izany vehivavy izany."
🎶 Extrait hira :
"Resy lahatra aho fa ny anton'ny havelomako ety. Tsy ho ahy mihintsy fa hiasa ho anao ilay zoky tia..."
❓ FANOTANIANA
📌INONA TOKOA KAY NY ANTONY HAVELOMANAO ETY AN-TANY ?
📌MBA EFA VOAFARITRAO, EFA VOAVALINAO SY NOSAININAO VE ?
📌 SA VE TSY RARAHANAO FA DIA MANDEHA FOTSINY AMIN'IZAO DIA IZAY MISEHO EO MIDONA ?
- HANAIKY HO VOAGEJAN'NY "ROUTINE" na ny fahazaran'ny daholobe
- HIASA SAINA NY AMIN'NY AMPITSO sy ny HOAVY
- VARIANA HIPETRAPETRAKA NA HANDANY FOTOANA AMIN'NY ZAVA-POANA
- HIADY IRERY AMIN'NY FAHORIANA SY SEDRAN'IZAO TONTOLO IZAO
✝️ Raha KRISTIANINA ianao, ka
te HIAVAKA amin'izao FIAINANANA AN-TANY MANDALO izao,
te HANAM-PIFALIANA anaty,
👉 DIA NDAO HAMPIASAINA NY ZAVATRA REHETRA HANANANTSIKA : talenta, fahaizana, fahalalana, vola, fotoana…
MBA HANASOAVANA SY HIANTRANA NY MPIARABELONA AMINTSIKA.
TIAVA MANAO SOA NY HAFA ARY ENTO HANEHOANA NY VONINAHITR'ANDRIAMANITRA NY FAHASOAVANA REHETRA RAISINTSIKA. 🙌
🤔 Mahagaga ihany...
Misy KRISTIANINA SASANY HONO MULTI-MILLIARDAIRE dia tsy mihevitra afa-tsy ny tenany,
TOA MBOLA MISY SAHIRANA ZARA RAHA MISAKAFO IREO MALAGASY MPIARABELONA MANODIDINA NA KOA TSY VOATERY MANODIDINA FA MIHAINGA EO AMIN'NY MANODIDIANA ALOHA, REHEFA VITA NY MAMPANDROSO NY MANODIDINA DIA MIHITATRA MBA HO TONGA EO ANIVON'NY FIRENENA SY IZAO TONTOLO IZAO.
FA INONA MARINA IZANY NO HO ATAO AMIN'IRETO HARENA BE, FAHAIZANA, FANANANA SY TALENTA IRETO ?
➡️ HIREHAREHANA SY HIFANINANANA VE SANATRIA ?
✅ TSY ALEO VE ATAO IZAY MAHATAFITA NY OLONA REHETRA DIA SAMY FALY AMIN'IZAY ?
🔊 HATOMBOHY AMIKO, AMINAO ARY IZANY E! MIHEZAHA, ATAOVY IZAY MAHATAFITA AMIN'NY LAFINY REHETRA FA MAHAIZA MANAMPY SY MIZARA HO AN'NY HAFA 🤝
👉 Mitomboa fitahiana ary manana fanahin'ny fahafohizana ho fanasoavana ihany koa ny hafa.
🕊️ (1 Jaona 3:18)