Tanora Nazareana Anjanahary

Tanora Nazareana Anjanahary …fianarana ho an’ny mino ianao…

27/01/2026

Lohahevitra: Faharetana ✨💯
Indraindray isika mivavaka, miezaka, manao ny tsara… fa toa tsy misy fiovana mihitsy ny zavatra mitranga eo amin'ny fiainantsika. Mora kivy, mora te hiala, te hi-abandonne😐
Fa mampahery antsika ny Tenin’Andriamanitra: tsy very maina ny faharetana.
Tsy tara Andriamanitra. Miasa Izy, na dia tsy hitantsika aza. Raha mbola mitoetra ao Aminy isika, ho tonga amin’ny fotoanany ny valiny fa fotsiny mila Faharetana ary tsy reraka ny manao ny tsara.
👉 Aza mijanona. Aza kivy.
Ny faharetana anio dia hitondra fitahiana rahampitso.

🙏Vavaka: Tompo ô, ampio aho tsy ho sasatra manao ny tsara,
na dia tsy hita aza avy hatrany ny vokany.
Omeo fo maharitra sy finoana tsy kivy aho,
hahatoky fa tsy very maina ny asa tsara atao ho Anao.
Amena.

25/01/2026

✨💯Santionany amin'ny fotoam-bavaky ny tanora eto amin'ny Fiangonana Nazareana Ranovelona Anjanahary isaky ny Sabotsy amin'ny 2 ora folakandro. Misy fiderana, fiankohofana, partage, témoignage ary fitondrana am-bavaka 🤗

Anasana antsika Rehetra tsy ankanavaka 🤗

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tanora Nazareana Anjanahary posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Tanora Nazareana Anjanahary:

Shortcuts

Share