CHIAN HAQ

CHIAN HAQ اللهم صل على محمد وآل محمد

16/03/2021

🤣😂😀Aza manapa-tsinay anay nareo.

Ho avy aminao raha ty zany no voalazan'izy ireo amin'ity Video ty.

21/01/2021

🤚Mifohaza rehetra fa i Madagascar🇲🇬🇲🇬 .
Partagé-o mba afahan'ireo mpino Islam namanao hitandrina sy anara-baovao.

بسم رب فاطمة(2)Fantatrao vé ! ! ?😯😕🙃🤔Allah swt dia naniraka ireo Mpaminany maro be mba hitari-dalana ny zanak'olombelona...
17/01/2021

بسم رب فاطمة(2)
Fantatrao vé ! ! ?😯😕🙃🤔

Allah swt dia naniraka ireo Mpaminany maro be mba hitari-dalana ny zanak'olombelona mankany amin'ny fahitsiana . Marina dia marina tokoa fa tena nijaly sy niaritra ny mangidy ireo Mpaminany rehetra reo teo ampanaovana izany zavatra izany. Rehefa nitakiana valisoa amin'izany ireo Mpaminany dia saika nandà avokoa.

Hoy Mpaminany Nouh a.s
سورة الشعراء
آية ١٠٩
(Ndao ary isika hiaraka amaha sy hiaraka amaky boky masina kor'any Al-karim ; sorato As-shou'ara ayat 109 )
« وَمَا أَسْأَلُكُمْ عَلَيْهِ مِنْ أَجْرٍ ۖ إِنْ أَجْرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ الْعَالَمِينَ

Ary tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho,fa ny tompon'izao tontolo izao no manome tambiny ahy,

Ao amin'ny andininy 127 mbola ao amin'ny surat الشعراء ihany
Hoy Nabi Houd a.s

« وَمَا أَسْأَلُكُمْ عَلَيْهِ مِنْ أَجْرٍ ۖ إِنْ أَجْرِيَ إِلَّا عَلَىٰ رَبِّ الْعَالَمِينَ

Ary tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho,fa ny tompon'izao tontolo izao no manome tambiny ahy,

Mbola mitovy amin'ilay tenin'ny Nabi Nuh a.s iny ihany no navaliny.
Ary maro be ireo mpaminany nanontaniana ny valin'ilay asa soa nataon'izy ireo ka namaly izy ireo hoe ny tompon'izao tontolo izao no manome tambiny anay.

Fa ahoana ndray ary rehefa ilay iraka farany no sady lehiben'ireo Iraka rehetra rehefa nanontanian'ireo vahokany ny tambin'ireo fijalian’ny mangidy amin'ny fitaritana azy ireo amin'ny lalana mahintsy sy ireo asa soa izay nataony .

Ndao ndray isika hijery Surate Shoura 23 ( سورة الشورى ،آية ٢٣)Allah mintsy no naniraka an'i Muhammad saw .

ۗ قُلْ لَا أَسْأَلُكُمْ عَلَيْهِ أَجْرًا إِلَّا الْمَوَدَّةَ فِي الْقُرْبَىٰ ۗ وَمَنْ يَقْتَرِفْ حَسَنَةً نَزِدْ لَهُ فِيهَا حُسْنًا ۚ إِنَّ اللَّهَ غَفُورٌ شَكُورٌ

Lazao hoe: “Tsy mangataka tambiny aminareo amin’izany aho, afa-tsy ny fitiavana ireo havana akaiky”.
Ny tambin'ny fitaritan'ilay Iraka masina Muhammad saw antsika mpino Islam amin'ny lalana mahintsy dia ny fitiavana ireo fianakaviany akaiky ihany.
Zany hoe n'iza n'iza olona niditra finoana Islam dia mila manatanteraka izany tambiny izany , sahalan'ireo mpianatra mianatra amin'ireny sekoly tsy miankina ireny ihany io , ny tambin'ny fampianarana dia ny fandoavam-bola isam-bolana ka izay tsy mahaloa izany tambiny izany dia voaroaka.
Marihina fa Allah swt tsy nitady tambiny hafa afa-tsy io ihany.

Noho izany na iza na iza(na sahaba na tabyuina na …) olona niditra tato anatin'ny finoana Islam dia tsy maintsy manatanteraka an'ilay tambiny tadiavin'Allah

Ireo mpaminany tany aloha dia nisy havana sy mpanaradia fa nahoana no tsy nirahan'Allah swt izy ireo mba hitady tambiny amin’ny fitiavana ireo havany sy ireo mpanaradia azy amin'ireo vahoakany ?
Mpaminany Muhammad saw dia manana mpanaradia niaritra nijaly taminy fa ahoana no naniraka Allah hoe ny tambiny dia fitiavana ireo havanao akaiky fa tsy ireo mpanaradia anao ?

Mbola ireo havan'ny Mpaminany Muhammad saw ihany koa no nidiovin'Allah manokana ao amin'ny boky masina kor'any Al-karim surate Ahzab : ayat 33

إنما يريد الله ليذهب عنكم الرجس أهل البيت و يطهركم تطهيرا

« Tena marina tsy misy afa tsy anareo no hilain'Allah ho hiarovana amin'ny Rijsa (asan'ny satana) ry Ahlul bayt ary anadio anareo tanteraka. »

Misy moa ireo olona tsy dia fanana fandinihana lavita ho entin'ny fo amin'ny fankahalana dia mahasahy manevateva ireo fianakavian'ny mpaminany saw miteny hoe matoa nidiovina izy ireo dia maloto.
Nihevitra izy hoe nandinika lavitra be ; mbola ho avy amalian-tsika anazy dia ampahafatarintsika azy ireo fa donto sy feno fankahalana ireo fianakavian'ny mpaminany saw ao am-pon'izy ireo fa tsy fitiavana.

Fa ny fanontanina tokony hipetra dia ny hoe : fa inona loatra ny zava-miafina napetrak’Allah swt misy ao aminareo ry fianakavian'ny Mpaminany saw ?



Ireny rehetra ireny dia resaka fampidirana avokoa fa ndao ary isika hiditra amin'ilay tena resaka.
Ny rehetra miara manaiky hoe Eny fa ny zanaka vavin'ilay Iraka masina mitondra anarana hoe « FATIMA AZ-ZAHRA a.s »dia anisan'ireo fianakaviany akaiky ka tafiditra tamin'ireny resaka teo ambony ireny.☝️👆

Rehefa tonga ireo CHIAN milaza hoe nisy tokoa ny habibiana izay nataon'ny Omar l.a tamin'ny Fatima Az-zahra a.s , ka ahita ireo sunnites anao ilaza hoe izany dia forona ,angano , lainga niforonon'ireo majous , chian.
Fa maninona ry zareo no milaza an'izany, manana porofo vé izy ireo « NON. » Namaky bokin'izy ireo ve izy ireo « NON. » Fa maninona fotsiny ary ?
= > fihenoana an'ireo Oustage tsy misy famakafakana na fikarohana fa tonga dia fanekena tsotra izao an'izay voalaza.

Ndao ary hiaraka jerevan-tsika ny bokin'izy ireo hoe LAINGA AVY AMIN'NY CHIAN , FORONA AVY AMIN'NY CHIAN VE ILAY TANTARA SA TENA NISEHO TOKOA !?🤔

Tsy ilaina intsony ny fanalavana resaka fa tonga dia ho vahan-tsika ny bokin'ny manampahaizana sunnit iray izay boky mitondra ny anarana hoe :
المصنف
Mpanoratra : ابن أبي شيبة
Volume : 13 page :201 num Hadith : 38061 (567/13)

مُحَمَّدُ بْنُ بِشْرٍ , نا عُبَيْدُ اللَّهِ بْنُ عُمَرَ , حَدَّثَنَا زَيْدُ بْنُ أَسْلَمَ , عَنْ أَبِيهِ أَسْلَمَ أَنَّهُ حِينَ بُويِعَ لِأَبِي بَكْرٍ بَعْدَ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ كَانَ عَلِيٌّ وَالزُّبَيْرُ يَدْخُلَانِ عَلَى فَاطِمَةَ بِنْتِ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ فَيُشَاوِرُونَهَا وَيَرْتَجِعُونَ فِي أَمْرِهِمْ , فَلَمَّا بَلَغَ ذَلِكَ عُمَرَ بْنَ الْخَطَّابِ خَرَجَ حَتَّى دَخَلَ عَلَى فَاطِمَةَ فَقَالَ: «يَا بِنْتَ رَسُولِ اللَّهِ صَلَّى اللهُ عَلَيْهِ وَسَلَّمَ , §وَاللَّهِ مَا مِنْ أَحَدٍ أَحَبَّ إِلَيْنَا مِنْ أَبِيكِ , وَمَا مِنْ أَحَدٍ أَحَبَّ إِلَيْنَا بَعْدَ أَبِيكِ مِنْكِ , وَايْمُ اللَّهِ مَا ذَاكَ بِمَانِعِي إِنِ اجْتَمَعَ هَؤُلَاءِ النَّفَرُ عِنْدَكِ ; أَنْ أَمَرْتُهُمْ أَنْ يُحَرَّقَ عَلَيْهِمِ الْبَيْتُ» , قَالَ: فَلَمَّا خَرَجَ عُمَرُ جَاءُوهَا فَقَالَتْ: تَعْلَمُونَ أَنَّ عُمَرَ قَدْ جَاءَنِي وَقَدْ حَلَفَ بِاللَّهِ .
Voaray avy amin'ny papan'ny Aslama : « tena marina fa rehefa tonga ny fanaovana fifanekena( mpitondra) an'i Abu Bakr taorian'Irak'Allah saw , I Ali a.s sy Zoubair nihiditra tao amin'ny Fatima zanakan'ilay Irak'Allah saw mba anontany azy ireo sy amerina ny raharahan'izy ireo an'izy ireo, raha vao fantatr'i Omar zanak'i Khathab anefa izany dia nivoaka tao aminy izy ka nandeha niditra tao amin'ny Fatima Az-zahra a.s ary niteny hoe « ory ilay zanak'Irak’Allah saw , mifanta aho fa tsy misy n'iza n'iza tena tianay mihoatra an'ny papanao , ary tsy misy n'iza n'iza amin'ireo zava-boahary tena tianay aorin'ny papanao mihoatra anao ; ka hifantako amin'Allah ihany koa fa zany akory tsy manakana ahy aniraka ireo olona ireo andoro an'ity trano ity".
Ka rehefa lasa i Omar zanak'i Khathab dia tonga ry zareo( Ali a.s sy Zoubair). Ka niteny Fatima a.s : fantatrareo vé ny fahatongavany Omar teto amiko ary nanohitra an'Allah izy . »

Voalaza ao anatin'ilay boky fa ity Hadith ity dia marina ( ) fa tsika tsy hioninana amin'izany fotsiny fa ndao porofoin-tsika mintsy ny fahamarinany.
Fa alohan'izany ndao azavahin-tsika tsara ilay Hadith :
Rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy anaovana fifanekem-pitondrana an'i Abu Bakr dia tsy nanao an'izany i Ali a.s sy Zubair ka tonga teo amin'ny Fatima Az-zahra a.s ireo, ny avy eo niverina namonjy ny asan'izy ireo tany.

فلما بلغ ذلك عمر
Ka rehefa enon'i Omar fa Ali a.s sy Zubair ao amin'ny Fatima zanakan'ny Mpaminany Muhammad saw .

خرج حتى دخل على فاطمة
Nivoaka ny misy azy izy ka niditra tao amin'ny Fatima a.s .

Fanontaniana ary hoe ahoana no nidiran'omar a.l tao amin'ny Fatima a.s ? Ali a.s izay vadiny tsy tao , ka tsy possible izy amaha varavarana an'Omar a.l zany mintsy .

= > tena marina nivakin'Omar a.l ny trano🙊🏚 , mihevitra izy fa miafona ao foana Ali a.s.

Nandokadonka an'i Fatima a.s izy avy eo niteny hoe:

وآيم الله ما ذاك بما نعي
Nifanta amin'Allah swt fa izany hoy izy tsy asakana ahy 🙈

أن أمر بهم أن يحرق عليهم البيت
Aniraka ireo oloko ireo andoro ity trano ity,😰😢😭😓

Matoa Omar mazava ho azy fa tsy maintsy hodorany io trano io.

Tonga dia porofoin-tsika amin'izay ary ny fahamarinan'io Hadith io fa efa tena lava tokoa ny resaka.

Ndao ary hojeren-tsika ny tenin'ireo manam-pahaizana mikasika ireo mpitatitra 4 nitodra io Hadith io.
محمد بن بشر 1

كتاب : تهذيب التهذيب
لإبن حجة العسقلاني الشافعي
ج: الثالث
صفحة:٥٢٠
محمد بن بشر(ع): عن ابن معين" ثقة"

عبيد الله بن عمرن (ع)2
سير أعلام النبلاء
الجزء السادس ، صفحة ٣٠٤
قال أبو زرعة و أبو حاتم: ثقة و قال النسائي:ثقة*

زيد ابن أسلم (ع)3
تهذيب التهذيب لإبن حجر العسقلاني الشافعي، الجزء الأول، صفحة ٦٥٨
قال أحمد ، أبو زرعة و أبو حاتم، و محمد بن سعد النسائي و ابن خراش : ثقة *
وقال يعقوب بن شببه ثقة * من أهل الفقه و العلم و كان عالم بتفسير القرآن

أبيه أسلم (ع)4
أسامي رجال معاني الآثار لبدر الدين العيني ، الجزء الأول
قال أبو زرعة: مدني ثقة*

Ireny ny fomba fijerin'ireo manampahaizana mikasika ny sanad ny Hadith na fomba fijerin' ireo manampahaizana ny Ouloumul -rijal mikasina ireo olona efatra nitatitra ilay Hadith nijerevan-tsika teo iny.

Izay olona mbola misalasala amin'io Hadith io dia olona efa tsy manan-tsaina intsony.
Fa na dia zan aza afaka mangataka amiko ao amin'ny Mp anareo hoe iza ireo manampahaizana mampiasa io Hadith nohentinao io amin'ny bokiny dia inona no nambarany mikasika io Hadith io.

Zay ny vitan'Omar tamin'ilay fianakavian'ny Muhammad saw avy eo tsy iza akory fa Fatima ilay as-sudikat.

Mbola hitohy …

Fa mbola tsy tara anao ry rahalahy raha toa ka mipetraka dia miverina mandinika tsara ka miala ao anatin'ny fahaverezana.

Ny asa ratsy vitan'Omar izay nalainao ho mpitarika dia tsy angano fa zavatra tena nisy ary voarakotra amin'ny Hadith sahih ao amin'ny bokin'ny Sunna.

Mbola hitohy …

❤اللهم صل على محمد وآل محمد ❤

بسم ربّ فاطمةNy tenin'Allah momban'ilay Irany Muhammad (swall’ Allaho anlayhi wa alihi wa sallam) ao anatin'ny boky masi...
11/01/2021

بسم ربّ فاطمة

Ny tenin'Allah momban'ilay Irany Muhammad (swall’ Allaho anlayhi wa alihi wa sallam) ao anatin'ny boky masina Kor'an dia mazava tsara
Surate An-najm( Toko faha :53)
Ayat : 1 -4 ( andininy 1-4)

وَالنَّجْمِ إِذَا هَوَىٰ
« Mianiana (mifanta) amin'ilay Kitana efa hilendika Aho (Allah swt) »
وَمَا يَنْطِقُ عَنِ الْهَوَىٰ
« Tsy miteny arakan'ny sitrapony izy »
إِنْ هُوَ إِلَّا وَحْيٌ يُوحَىٰ
« fa izany dia faminaniana tonga taminy. »

Mpaminany Muhammad saw ato anatiny finoana Islam dia tsy milaza zavatra avy aminy sy antsitrapony fa izay voalaza rehetra dia avy amin'Allah avokoa .

Manomboka androany isika hiresaka momban'olona iray izay ezahana tsy atao ny miresaka be momba aminy sy ireo fianakaviany fa manimba ny hafa .☺

Ilay Mpaminany masina aman-kaja dia nanambady maro tokoa fa i a.s ihany no niterahany nazahoany taranaka.
Nomen'Allah an'i mpaminany Muhammad tamin'ny alalan'ilay renin'ireo mpino mitondra anarana hoe i
a.s .
Io zanan’ny mpaminany vavy io no ho resadresahan-tsika Inch'Allah taala.

Voalohany , tsy anana-tsika mpino Islam rehetra tsy ankanavaka fisalasalana fa i Fatima Az-zahra a.s dia voadio amin'ilay fanadiovana masina nataon'Allah swt voarakotra ny boky masina kor'an

بسم الله الرحمن الرحيم

إِنَّمَا يُرِيدُ اللَّهُ لِيُذْهِبَ عَنْكُمُ الرِّجْسَ أَهْلَ الْبَيْتِ وَيُطَهِّرَكُمْ تَطْهِيرًا"

" Ny hanala ny fahalotoana aminareo no tadiavin’Andriamanitra, ry fianakavian’ny Mpaminany, ary ny hanadio anareo tanteraka »

Surate Ahzab :33

Arakizan'izany dia madio i Fatima Az-zahra satria nidiovin'Allah ilay Mpahary.

Ahoana ndray ary ny tenin'ny mpaminany masina izay tsy miteny afa-tsy faminaniana momba azy !?😞

(Ialana tsiny ny amaroan'ireo bokin'ireo sunnit eo amin'ireo référence izay omentsika fa dia zany aza tsy very anjara ny bokin-tsika chian)

_لقبّ رسول الله (ص) فاطمة الطاهرة "الصديقة الكبرى"
Nametraka anaram-bositra an'ilay madio Fatima a.s ilay iraka masina hoe « Ilay mpilaza ny marina (ilay marina) indrindra. »
Référence :
البحار ج٤٣ ص١٠٥ ح١٩ باب ٥


-فاطمة أشبه الناس بالنبي خلقا و خلقا
Fatima a.s no manam-pitovizana amin'ilay Mpaminany saw ara-panahy sy ara-batana(endrika).
R :
صحيح الترمذي ج١٣ ص ٢٤٩

-عن أبي عبد الله (ع) حرم الله النساء على علي ما دامت فاطمة حية، لأنها طاهرة لا تحيض
Voaray avy amin'ny Abi adillah a.s manao hoe : « noraran'Allah tamin'Ali ny fanambadiana vehivavy hafa raha mbola velona i Fatima a.s, satria izy dia madio tsy mandeha fadim-bolana. »
R :
:٣٠:٦ العوالم

-عن النبي(ص) : لو كان الحسن شخصا لكان فاطمة بل هي أعظم، إن فاطمة ابنتي خير أهل الأرض عنصرا و شرفا و كرما
Voaray avy amin'ny Mpaminany saw :
« raha ny hatsarana olombelona dia i Fatima a.s , fa i Fatima a.s no tsaratsara kokoa, tena marina Fatima zanako tena tsara amin'ireo mponin'ny tany eo amin'ny fiaviana , voninahitra, fahamendrehana."
R :
فرائد السمطين ٦٨:٢

Mazava tsara ny fisongadinan'i Fatima Az-Zahra a.s amin'ireo tatitra maro samy hafa ireo.
Fa ahoana ary izy sy ny mamany no lasa vitsy mpiresaka ?🤔
Ahoana no ilazana fa mbola misy olona sasany tsara mihoatra azy sy tian'ilay Iraka mihoatra azy ?🙃😇

Mpaminany Muhammad milaza hoe :
فاطمة سيدة نساء العالمين
Fatima a.s talehin'ireo vehivavin'izao tontolo rehetra izao
Ref :
رواه أبو داود الطيالسي في مسنده ج٦

Avy eo mbola hoy ihany koa ilay Mpaminany manao hoe :
فاطمة سيدة نساء أهل الجنة
Fatima a.s talehin'ireo vehivavin'ny paradisa
R : صحيح البخاري
باب مناقب فاطمة
ح: 3767

N.B: Marihina fa ireny tatitra rehetra ireny dia marina avokoa .

Raha misy vehivavy tokony ho resahina sy ankalazana indrindra amin'ny finoana Islam dia i Fatima a.s

Zay sy zay ny tenin'Ilay Mpaminany momba azy fa ho avy isika hitantara ny zava-najo azy amin'ny tantara mari-pototra sy marina.

Ho avy tsy ho ela izany .

Mbola Hitohy …

😘❤F A T I M A A Z - Z A H R A 😘😍

❤ اللهم صل على محمد و آل محمد ❤

Assalam anlaikum w w Ory ireo izay milaza fa   sy   an'i Muhammad s.a.w sy ny fianakaviany  a.s ny   sy   ary ny    no m...
18/12/2020

Assalam anlaikum w w
Ory ireo izay milaza fa sy an'i Muhammad s.a.w sy ny fianakaviany a.s ny sy ary ny no miandry anareo ,
Marina tokoa fa mpandresy ianareo , ny fahamarinana dia miaraka tsy misaraka amin'i Muhammad s.a.w sy ny fianakaviany mandrakizay .

Fa izay manohitra sy misalasa ny amin'izany dia efa nanohitra sy misalasala ny boky masina kor'any sy ny faminanian'ilay Mpaminany farany.

Hoy Allah ao @ surat Ahzab : 33 manadio ireo Ahlal bayt manao hoe :
" Ny hanala ny fahalotoana aminareo no tadiavin’Andriamanitra, ry fianakavian’ny Mpaminany, ary ny hanadio anareo tanteraka."

Izay miaraka amin'ireo olona mahintsy sy madio dia avotra fa ireo olona izay miaraka amin'olona maloto sy diso lalana dia rendrika .

Niteny ilay iraka masina Muhammad s.a.w manao hoe : «
إنما مثل أهل بيتي فيكم كمثل سفينة نوح(ع) ،من دخلها نجا ومن تخلف عنها غرق . "
« Tena marina tokoa fa ny fampitana ireo ireo fianakaviako eo aminareo dia ny sambo fiaran'i Mpaminany Noa a.s ka izay niditra ao anatiny dia avotra fa izay nanohitra izany kosa dia rendrika . »

🤝❤اللهم صل على محمد وال محمد ❤🤝

Niteny ilay be fahendrena i   Ali as :« mananatra anareo aho amin'ireo zavatra dimy ireto, fa raha nohon'izany no Ikapoh...
13/12/2020

Niteny ilay be fahendrena i Ali as :
« mananatra anareo aho amin'ireo zavatra dimy ireto, fa raha nohon'izany no Ikapohanareo ny ao ambanin-kelikin-drameva mba handehanana mafimafy sy hiaretana ny zefatrin'ny lalana dia ho tongasoa sy tsara kokoa :
ny iray aminareo izay tsy manantena afa-tsy ilay Tompony ihany ; ary tsy matahotra afa-tsy ny fahotany ; ary raha misy manontany azy ka tsy hananany fahalalana ny valim-panontaniana tsy menatra izy hiteny hoe : tsy fantako ; ary ny olona iray izay tsy menatra ny hianatra ny zavatra tsy fantany ;ary tokony hiaritra ianareo fa tena marina ny fiaretana eo amin'ny finoana dia sahala amin'ny loha eo amin'ny vatana ary tsy misy atsarana akory ny vatana tsy misy loha miaraka aminy na ny finoana tsy misy fiaretana miaraka aminy. »

Niteny i   ao anatin'ny Boky manan-kaja ama-nasina  'any, toko As-saf andininy 2 ka hatramin'ny faha-3 manao hoe:Ianareo...
13/12/2020

Niteny i ao anatin'ny Boky manan-kaja ama-nasina 'any, toko As-saf andininy 2 ka hatramin'ny faha-3 manao hoe:

Ianareo mpino! Nahoana ianareo no milaza izay tsy ataonareo?
Zavatra mamoafady eo anatrehan’Andriamanitra tokoa, ny fitenenanareo izay tsy ataonareo

Niteny ilay olona manampahaizana indrindra amin'ireo olombelona rehetra aorian'ireo mpaminany i   as manao hoe :« Raha t...
12/12/2020

Niteny ilay olona manampahaizana indrindra amin'ireo olombelona rehetra aorian'ireo mpaminany i as manao hoe :
« Raha toa ka feno ny saina mihena ny resaka »
(Ny olona tena manam-pahaizana dia tsy mba maro resaka)

Niteny   a.s:Ory anareo olombelona  , matahora an'Allah anareo , izay raha iteny ianareo  dia aheno izy, raha anafina ia...
11/12/2020

Niteny a.s:
Ory anareo olombelona , matahora an'Allah anareo , izay raha iteny ianareo dia aheno izy, raha anafina ianareo dia ahafantatra izy , ary mivonosa ianareo amin'ilay fahafatesana izay raha mitsoaka azy ianareo dia ho tratrany ihany, raha mijanona amin'ny toerana iray ianareo dia ho azony , fa raha adinonareo izy ,izy kosa tsy manadino anareo velively

Niteny  (as):* "hoan'ny mpitady fahalalana ny voninahitra eto an-tany sy ny fandresena any ankoatra"🙌
10/12/2020

Niteny
(as):
* "hoan'ny mpitady fahalalana ny voninahitra eto an-tany sy ny fandresena any ankoatra"
🙌

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when CHIAN HAQ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to CHIAN HAQ:

Share