Mompera Venance Manifatra

Mompera Venance Manifatra "Meteza hanana fo misionera hitondra
ny Tenin’ny Tompo, hizara hafaliana,
hanompo sy hanasoa ny mpiara-belona"

01/08/2026
AMDG
31/07/2026

AMDG

31 JOLAY - FAHATSIAROVANA AN'I MASINDAHY IGNACE DE LOYOLA

Teo amin'ny faha 64 taonany, ny 31 jolay 1556, no nahafatesan'i Md Ignace de Loyola tao Roma. 470 taona lasa izay! Io daty nahaterahany any an-danitra io no tsaroan'ny Fikambanan'i Jesoa miaraka amin'ny Eglizy isan-taona.

Ankoatra ny fetin'ny Mpiaro ny Fikambanan'i Jesoa ny 03 janoary (Anara-masin'i Jesoa), dia ity datin'ny 31 jolay ity no daty lehibe manan-danja satria fahatsiarovana ny Mpanorina ny Fikambanana.

Enga anie ny vavaka ataony hamelombelona hatrany ny hafanam-pon'ireo Zezoita rehetra, mbamin'ireo mpiara-miasa aminy, hampamokatra ny asa fanirahana iantsorohana ho voninahitr'Andriamanitra lehibe indrindra.

Md Ignace de Loyola - mivavaha ho anay

=============================================

13 JOLAY 2026 | FIVAHINIANANA – Andro 4 Ny alatsinainy 13 jolay, tamin’ny 6 ora hariva dia nisy famelabelaran-kevitra ta...
17/07/2026

13 JOLAY 2026 | FIVAHINIANANA – Andro 4

Ny alatsinainy 13 jolay, tamin’ny 6 ora hariva dia nisy famelabelaran-kevitra tao amin’ny Paroasy Md Padre Pio Amboanara Nosy Be Hell Ville.

Nifototra indrindra tamin'ny fampahalalana ny momba an'i Md Ignasy sy ny zezoita izay fototra nanovozan'i Mompera Venance Manifatra ny maha-zezoita azy sy ny fiainam-panahy niainany ny tapany voalohany izay nataon'i Mompera RAFALIMAMITIANA Fulgence, S.J. Ary ny mombamomba an'i Mompera Venance Manifatra sy ny fankalazana ato anatin'izao Pelerinazy izao kosa ny tapany faharoa izay nataon'i Mompera RABEMANANJARA André, S.J.

Mbola nitohy izany famelabelaran-kevitra izany ny talata 14 jolay tao amin’ny Paroasy Md Piera sy Paoly. Ary hofaranana amin’ny Sorona masina ny alahady 19 jolay ho avy izao ao amin’ny tokotany malalaky ny Ecole primaire Sainte Jeanne d'Arc ao Hell Ville.

Ireo rehetra ireo no nanamarihana ny faha 100 taona nahafatesan’i Mompera Venance MANIFATRA tao amin’ny diosezin’Ambanja. Isaorana Andriamanitra nahavitana soa iny fivahinianana masina iny. Mbola hisy ny fankalazana ho an’ny eto amin’ny diosezin’Antananarivo sy any Toamasina fa ampitaina amintsika miandalana eo ny fandaharam-potoana.

Hamelombelona ao anatin’ny tsirairay ny toe-po misiônera sy fitiavan-tanindrazana anie izao fankalazana izao. Tsy handalo fotsiny ny ohatra navelan’ity zokibe amin’ny finoana ity fa ho raikitra mandrakariva ao am-pontsika.

AMDG

12 JOLAY 2026 | FIVAHINIANANA – Andro 3 Natao tao Nosy Faly ny alahady 12 jolay lasa teo ny Sorona masina ivon’ny fankal...
16/07/2026

12 JOLAY 2026 | FIVAHINIANANA – Andro 3

Natao tao Nosy Faly ny alahady 12 jolay lasa teo ny Sorona masina ivon’ny fankalazana ny faha 100 taona nahafatesan’i Mompera Venance MANIFATRA.

Ny Evekan’Ambanja, Mgr RANDRIAMALALA Francis Donatien no nitarika ny Sorona masina nanamarihana izany, izay efa nialohavan’ny andro roa nanaovana fivahinianana sy niomanam-panahy. Tonga tao ihany koa ny Evekan’i Port Bergé, Mgr Georges Varkey nanotrona ny fankalazana ; ary ankoatra ireo pretra avy ao Ambanja dia nisy ihany koa ireo avy any Nosy Be sy Mahajanga ary Antananarivo.

Avy amin’ny diosezy samihafa ihany koa ireo kristianina tonga nankalaza : Ambanja (mpampiantrano), Mahajanga, Antananarivo, Toamasina ary Antsirabe. Singanina manokana ny diosezin’Antananarivo sy Toamasina izay samy toerana nanamarika ny tantaran’i Mompera Venance MANIFATRA. Antananarivo no toerana nanamasinana azy ho pretra (teo Andohalo) ary Toamasina (EKAR ND de Lourdes) no toerana niasany sy nananganany fiangonana.

Tamin’ny faran’ny Sorona masina, nisy hirika nanaovana fanentanana sy fampahafantarana momba ny Baiboly vaovao BMK na ny Baiboly masina katolika ny ekipa izay notarihin’i Masera RANDRIANIRINA Solange, FSP. Anisan’ny ekipa nandrafitra ny BMK ny Zezoita mirahalahy (PP. RANDRIANARIMALALA Roger sy RANDRIANIRINA Jean Aimé) izay samy tany Nosy Faly, koa avy dia nanao fampahafantarana tany ihany koa izy ireo.

Samy nandao an’i Nosy Faly ireo mpivahiny ny alatsinainy maraina. Tao ireo avy hatrany dia nihazo ny renivohitra izay efa tonga ny harivan’ny talata lasa teo. Tao kosa ireo mbola nanohy ny dia nankany Nosy Be Hell ville, toerana fahaefatra ao amin’ny diosezy hanamarihana ny fankalazana aorian’Antsohihy, Ambanja ary Nosy Faly.

Fijoroana ho vavolombelona sy fizarana finoana no azo amintinana ny votoatin’ny hetsika natao ho fahatsiarovana ny zava-bita sy ny ohatra nasehon’ity pretra zezoita ity izay nanamarika ny tantara, tsy teo anivon’ny fiangonana ihany fa na teo amin’ny firenena aza.
AMDG

11 JOLAY 2026|FIVAHINIANANA – Andro 2Azo sokajiana ho efatra ny hetsika tena nanamarika ny andron’ny sabotsy 11 jolayA- ...
15/07/2026

11 JOLAY 2026|FIVAHINIANANA – Andro 2

Azo sokajiana ho efatra ny hetsika tena nanamarika ny andron’ny sabotsy 11 jolay

A- FAMELABELARAN-KEVITRA
Famelabelaran-kevitra no tena nibahana tamin’ny tapany maraina

1- Momba an’i Mompera Venance MANIFATRA
👉Nisy fampidirana nataon’i Mompera RANDRIANARIMALALA Roger, S.J. Fampidirana momba ny atao hoe fivahinianana masina, nomeny endrika tari-dàlana enti-mivavaka, no nataony. Nanampy ny tsirairay hanomam-panahy hihiditra amin’ny fivahinianana masina sy hijery ary hanao topimaso ny tantara nisy taloha izany.
👉Taorian’izay dia i Mompera RALAIARINOSY Auguste, S.J. indray no nitondra ny vokatry ny fikarohany mahakasika ny tantaran’i Venance MANIFATRA sy ny làlana nolalovan’ity fivahinianana masina ity hatramin’izao andiany fahatelo izao.
👉I Mompera ANDRIANIRINA Luc Antoine, pretran’ny diosezin’Ambanja sady mpiahy ny vondrona ignasianina ao amin’ny diosezy, ny tapany voalohany. Fijoroana ho vavolombelona no tena nataony. Nahakasika ny fikarakarana ny fivahinianana masina Nosy Faly hatrizay sy ny fiahiany ireo vondrona ignasianina izay mamondrona ireo fikambanana miaina ny fiainam-panahy ignasianina ny fifampizarana nataony.

2- Momba ny MISIONA
Nandimby azy telo mirahalahy kosa i Mompera ANDRIANJAVA Serge, OFMCap sy i Mgr RANDRIAMALALA Francis Donatien.
👉Niompana bebe kokoa tamin’ny resaka MISIONA i Mompera Serge. Inona no atao hoe MISIONA ary inona no asan’ny MISIONERA. Mifandraika rahateo amin’ny fankalazana izany.
👉Ny fomba fitoriana ny Evanjely amin’izao vaninandro iainantsika izao kosa no tena novelabelarin’ny Eveka. Raha izay no tamin’ny andron’i Jesoa, inona kosa no miandry antsika? Indrindra manoloana ireo fanamby atrehin’ny zanak’olombelona ankehitriny sy ny fiaraha-monina eto amintsika?

B- SORONA MASINA
Nofaranana tamin’ny Sorona masina ny tapany maraina. I Mgr VARKEY Georges, Evekan’i Port Bergé no nitarika izany. I Mompera RABESON Jocelyn, S.J., Lehiben’ny Fikambanan’i Jesoa eto Madagasikara kosa no nizara ny tenin’Andriamanitra.

D- RAOZERY
Sabotsy, andro natokana hanajana an’i Masina Maria. Nisy ny Raozery ny tolakandro, nandinihana ireo mistery efatra. Nozaraina isaky ny diosezy izay tonga nanatrika ny fitarihana azy.
Taorian’izay no niroso tamin’ny famerenana ny litorjia ho an’ny ampitso ny mpandray anjara rehetra.

E- SAHOBY
Hetsika isam-bondrona no nandravahana ny alina, taorian’ny sakafo hariva.

15/07/2026

Mots de passes Pèlerinage
2025 : RECEVOIR - VIVRE - TEMOIGNER
2026 : CROIRE - PRIER - PARTAGER + BRAVOoo

TONGA SOA TAO NOSY FALY IREO MPIVAHINY Nigadona tao Nosy Faly ny marainan’ny zoma 10 jolay ireo mpivahiny. Fandaharam-po...
11/07/2026

TONGA SOA TAO NOSY FALY IREO MPIVAHINY

Nigadona tao Nosy Faly ny marainan’ny zoma 10 jolay ireo mpivahiny. Fandaharam-potoana sy hetsika maromaro no miandry ny mpivahiny. Ny lafiny ara-panahy no mibahan-toerana amin'ny maha fivahinianana azy.

1- Mpivahiny fa tsy vahiny, firotsahana
Tafiditra anatin’ny fivahinianana ny fanomanana ny toerana ilaina rehetra. Koa nandeha avy hatrany ny farimbona ho fanomanana indrindra ny toerana iombonana : fanaovana ny Sorona masina, fampianarana, fitsaohana ny Sakramenta masina, Làlan’ny hazofijaliana, fitobiana, sns.

2- Famelabelaran-kevitra, fampianarana sy fifampizarana
Pretra roa no nanao famelabelaran-kevitra ho an’ny mpivahiny ny tolakandro.
Mompera ANDRIANJAVA Serge, OFMCap no nizara momba ny Nosy Faly sy ny asan’ny misiona tao. I Mompera TSONTSO Armand, pretran’ny diosezin’Ambanja kosa no nampahafantatra ny tantaran’i Mompera Venance MANIFATRA.

3- Fandinihana ny fijalian’i Jesoa
Nitohy tamin’ny Làlan’ny hazofijaliana ny famelabelaran-kevitra. Narahina fitsidihana ireo sisa tavela tamin’ny trano nitoeran’ireo misionera voalohany izany dia ireo Zezoita sy ry Maseran’ny St Joseph Cluny.

4- Sorona masina notarihin’ny Eveka
Tonga ny tolakandro ny Evekan’Ambanja, Mgr RANDRIAMALALA Francis Donatien, hankalaza ny fivahinianana amin’ny maha eveka tompo-toerana azy. Niara-dia taminy i Mgr VARKEY Georges, Evekan’i Port Bergé. Izy mirahalahy no nitarika ny Sorona masina ny hariva ho fanombohana ny fivahinianana. Pretra maro no niara-nanolotra ny Sorona masina niaraka tamin’izy ireo.

5- Fitsaohana ny Sakramenta masina
Zoma, andro fanajana ny Fo masin’i Jesoa. Taorian’ny sakafo hariva dia nisy fitsaohana ny Sakramenta masina notarihin’i Mompera ZAKAVELO José Christophe, S.J., aomônie nasionalin’ny AFAFI-FET. Fotoana fahanginana sy firesahana amin'i Jesoa Eokaristia.

6- Horonan-tsary
“La Mission” no lohatenin’ny horonan-tsary nojerena ny alina. Mitantara ny iraka nataon’ireo Zezoita tany amin’iny faritra Amerika atsimo iny no votoatin’ny horonan-tsary. Toy ny mahazatra dia tsy mora ny famakiana lay, izany no niainan’ireo misionera, tahaka ny taty amintsika.

AMDG

Address

Lot VA 38 LB Ter D Tsiadana/Ambohidempona Ankatso
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mompera Venance Manifatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share