Jesus' Ministry

Jesus' Ministry (Isaia 9:5)
(1)

JESOSY KRISTY AVY ANY NAZARETA ✝️
"... Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana."

Manàna   mitady an’Andriamanitra.Tsy misy fatiantoka ny mitady an’Andriamanitra.Tsy hanenenana ny mitady an’Andriamanitr...
20/08/2026

Manàna mitady an’Andriamanitra.
Tsy misy fatiantoka ny mitady an’Andriamanitra.
Tsy hanenenana ny mitady an’Andriamanitra.

Ary tadidio fa: "…Mpamaly soa izay mitady Azy" Izy. Hebreo 11:6

"... Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia orin-java-tsoa ..." Salamo 34:10

ALLELOIA !!!!

Tena tia anao, hoy aho, io Jesosy io.

Pasteur Fanekena Nirinasoa

❣️
fans

Hihazakazaka hanaraka anao anie ny fitahian’Andriamanitra amin’ity herinandro ity, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo ...
17/08/2026

Hihazakazaka hanaraka anao anie ny fitahian’Andriamanitra amin’ity herinandro ity, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo avy any Nazareta. Amen!

Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako.
Salamo 23:6a

Tena tia anao, hoy aho, io Jesosy io.

Pasteur Fanekena Nirinasoa

❣️
fans

TENA MAMALY VAVAKA ANDRIAMANITRA !!!!-Marina fa tsy "matériel" no anton'ny fanompoana kanefa eto aho dia te hampahery an...
13/08/2026

TENA MAMALY VAVAKA ANDRIAMANITRA !!!!

-Marina fa tsy "matériel" no anton'ny fanompoana kanefa eto aho dia te hampahery anao fa tena mbola MIASA KRISTY JESOSY , mbola MANEHO NY VONINAHINY sy ny FAHATSARANY ✅

-Velona Izy ary ANDRIAMANITRA MAHERY !!! Androany, minoa, mivavaha ary miankina feno Aminy fa TSY ANDISO FANANTENANA ANAO IZANY IZY 😊

-Raha niasa teo amin'ny fiainan'ny hafa Izy dia afaka ny hiasa eo amin'ny fiainanao ihany koa .Ny toro-hevitra ny aminy tokony atao fotsiny dia hoe : "tohizo ny fanompoana an'Andriamanitra ary kolokoloy tsara ny fiainam-panahinao" 💯

- no niteny hoe : "Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao." Salamo 50:15 🙏

Tena tia anao, hoy aho, io Jesosy io.

Pasteur Fanekena Nirinasoa

❣️
fans

TENY HO ANAO : Miezaka mafy ianao, nefa toa tsy misy vokatra.Miasa mafy ianao, nefa toa tsy mety mamokatra.Indraindray a...
08/08/2026

TENY HO ANAO :
Miezaka mafy ianao, nefa toa tsy misy vokatra.
Miasa mafy ianao, nefa toa tsy mety mamokatra.
Indraindray aza, toy ny hoe tapi-dalan-kaleha ianao.
Mafy loatra ny fiainana, ary toa tsy misy olona azo hianteherana...

,

AZA KIVY!
AZA MANANGANA SAINA FOTSY!
MITOERA FOANA AO AMIN’I KRISTY!

Na dia tsy mbola hitanao aza ny vokatra, aza mihevitra fa very maina ny ezaka nataonao.
Na dia toa mangina aza ny lanitra, tsy midika izany fa nanadino anao Andriamanitra.

Mbola hisy ny maraina vaovao.
Mbola hisy ny fotoana hiovan’ny zavatra rehetra.
Mbola mamaly vavaka Andriamanitra.
Ary mbola ho azonao ny anjara masoandronao.

Aza miala amin’i Kristy noho ny fahasarotan’ny lalana.
Tano Izy, satria izay maharitra hatramin’ny farany no handresy.

« Fa ho anareo izay matahotra ny anarako kosa dia hiposaka ny Masoandron’ny fahamarinana ... »
Malakia 4:2

Tena tia anao, hoy aho, io Jesosy io.

Pasteur Fanekena Nirinasoa

❣️
fans

Hiseho ami-maha Andriamanitra mahagaga azy anie Kristy Jesosy eo amin'ny fiainanao amin'ity 5 volana farany amin'ity tao...
02/08/2026

Hiseho ami-maha Andriamanitra mahagaga azy anie Kristy Jesosy eo amin'ny fiainanao amin'ity 5 volana farany amin'ity taona 2026 ity.

Katsao amin'ny fonao rehetra Izy ary ankino aminy ny zavatra rehetra fa be fiantrana sy famindram-po Izy.

Minò,mivavà, ary mitoera ao aminy fa tsy handiso fanantenana anao Izy.... Alleloia!
Fotoana izao hahitantsika ny fisehoan'ny heriny eo amin'ny fiainantsika.

Efa andro tokony hampisehoan'i Jehovah ny heriny izao ...
Salamo 119:126

Tena tia anao, hoy aho, io Jesosy io.

Pasteur Nirinasoa Fanekena Nirinasoa

❣️
fans

Ilay izy, tsy hoe rehefa ataon'ny sasany latsa sy esoeso i KRISTY JESOSY dia hiala Aminy koa isika. TSIA!!!Fa vao mainka...
30/07/2026

Ilay izy, tsy hoe rehefa ataon'ny sasany latsa sy esoeso i KRISTY JESOSY dia hiala Aminy koa isika. TSIA!!!

Fa vao mainka aza isika hijoro ho , hanompo ary hanaraka . Amen!

Fa i Kristy no anton'ny ahavelomako ...
Filipiana 1:21a

Tsara Ianao, Jesosy ô!
Faly izahay fa manana Anao.
Sambatra izahay fa ao Aminao.

Pasteur Nirinasoa Fanekena

❣️
fans

Tena tia anao, hoy aho, io Jesosy io  fans
25/07/2026

Tena tia anao, hoy aho, io Jesosy io
fans

"Ilay Andriamanitra izay mamaly amin'ny afo anie no handringana ny fahavalonao rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy T...
22/07/2026

"Ilay Andriamanitra izay mamaly amin'ny afo anie no handringana ny fahavalonao rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo avy any Nazareta. Amena."

- Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany, aoka ho ravoravo ny nosy maro....
Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina. Salamo 97:1-3

"Ilay Andriamanitra izay nanome ny Zanani-Lahy Tokana hamonjy anao anie no hampandresy anao amin'ny fahavalonao rehetra. Amena."

- Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 16:20

- Ary Jehovah no mandeha eo alohanao, ary Izy no hiaraka aminao, tsy handao anao na hahafoy anao Izy, koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
Deotoronomia 31:8

Tena tia anao, hoy aho, io Jesosy io.

Pasteur Fanekena Nirinasoa

❣️
fans

Mitohiza manetry tena eo ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, satria ny fijerin’Andriamanitra anao no hamaritra ny fia...
15/07/2026

Mitohiza manetry tena eo ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, satria ny fijerin’Andriamanitra anao no hamaritra ny fiainanao rahatrizay.

Aza adinoina "fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny ."
1 Samoela 16:7 b

Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba anareo amin'ny fotoan'andro.
1 Petera 5:6

Tena tia anao, hoy aho, io Jesosy io

Pasteur Fanekena Nirinasoa

❣️

Efa noresen'i Jesosy Kristy Tompo teo amin'ny hazo fijaliana ny devoly sy ny forongony. ENY, TENA RESY TANTERAKA IREO!Ho...
12/07/2026

Efa noresen'i Jesosy Kristy Tompo teo amin'ny hazo fijaliana ny devoly sy ny forongony.
ENY, TENA RESY TANTERAKA IREO!

Hoy ny Soratra Masina hoe:
Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly.
1 Jaona 3:8b

Ny anjarantsika dia ny mialoka ao amin'io Jesosy io mba hiainantsika ihany koa ao amin'ilay fandresena izay efa vitany ... AMEN !

Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra dia .
Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: " sy batery fiarovana ho ahy Izy, ary Andriamanitro, Izay hitokiako."
Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
Salamo 91:1–3

Tena tia anao, hoy aho, io Jesosy io

Pasteur Fanekena Nirinasoa

❣️

Address

INPF Ivato
Antananarivo
101

Telephone

+261343704089

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesus' Ministry posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share