17/06/2026
Lioka 18.9-14 (Tapany faha-2)
Ilay Fariseo sy ilay mpamory hetra
❎Mitodika 'ny mpivavaka indray i Jesoa eto. Samy tonga tao amin'ny tempoly izy roa lahy. Samy nivavaka. Samy nitodika tany amin'Andriamanitra. Kanefa tsy nitovy ny zavatra nentiny teo anatrehany.
⏩Fariseo :
Nitondra ny fahamendrehany. Nitanisa ny zava-bitany. Nirehareha t@ezaka nataony. Nampitaha ny tenany t@hafa. Nihevitra ny tenany ho marina. Raha tsorina dia toa ny tenany ihany no tena nojereny tao nataony.
⏩Mpamory hetra :
Nahatsapa ny fahotany, niaiky ny tsy fahamendrehany ary tsy nanana afa-tsy fangatahana iray: "Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko fa mpanota aho." Tsy nitondra ny zava-bitany izy. Tsy nitondra fanamarinana ny tenany. Tsy nitady hampiseho ny maha-tsara azy fa niankina tanteraka t@Andriamanitra. Fantany fa ny hany azony ianteherana dia ny famindram-pon'Andriamanitra. Ary io no fototry ny vavaka marina. Noho izany dia ilay mpamory hetra no nody voamarina fa tsy ilay Fariseo.
🙏Ny vavaka dia :
❌❌Tsy toerana anehoantsika hoe mendrika isika.
❌❌Tsy toerana itanisantsika ny ezaka nataontsika mba hahazoantsika ny fitahiany.
❌❌Tsy toerana hampitahantsika ny tenantsika amin'ny hafa.
Fa toerana ahatsapantsika indray hoe iza Andriamanitra ary iza isika eo anatrehany.
❎Ny vavaka marina :
⏩Tsy mitodika amin'ny tenantsika na amin'ny zava-bitantsika, fa mitodika amin'Andriamanitra.
⏩Tsy mampiseho ny halehiben'ny herintsika izy io, fa mampiseho ny halehiben'Andriamanitra sy ny filantsika Azy.
❎Eo no ahatsiarovantsika fa Andriamanitra no Mpitsara marina rehefa mila rariny isika. Izy no Ray be famindram-po rehefa mila famelan-keloka isika. Izy no Mpamonjy satria tsy mahavonjy ny tenantsika isika. Ary Izy no manamarina ny mpanota izay manatona Azy amin'ny finoana@alalan’i Jesoa Kristy.
❎Noho izany, ny faharetana asehon'ilay mpitondra-tena t@fanoharana voalohany sy ny fanetren-tena asehon'ilay mpamory hetra eto dia tsy toetra roa samihafa, fa samy mipoitra avy amin'ny zavatra iray ihany: fo iray izay mahalala fa mila an'Andriamanitra.
⏩Arakaraka ny ahafantarantsika ny filantsika Azy no hahatonga antsika hanatona Azy matetika kokoa.
⏩Arakaraka ny ahafantarantsika ny fahasoavany no hahatonga antsika tsy hiantehitra amin'ny tenantsika.
⏩Ary arakaraka ny ahitantsika ny halehiben'ny famindram-pony no hahatonga antsika hiala amin'ny fireharehana sy ny fampitahana tena amin'ny hafa.
Satria eo anatrehan'Andriamanitra,
❌❌Tsy ny olona matanjaka indrindra no voamarina,
❌❌Tsy ny olona mendrika indrindra no ekena, fa izay manaiky manatona Azy am-paharetana sy am-panetren-tena, amin'ny finoana sy ny filàna Azy.
"Fa izay rehetra manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra." (Lioka 18.14)
Fanontaniana ho saintsainina:
⏩Mbola maharitra mivavaka ve aho rehefa tsy mbola hitako ny valiny?
⏩Mivavaka amim-pinoana ve aho sa mora kivy?
⏩Mifantoka amin'Andriamanitra ve ny vavako sa amin'ny fahamendrehako sy ny zava-bitako?
⏩Sao dia variana mijery ny hafa aho ka manadino fa ny famindram-pon'Andriamanitra ihany no iankinako?