Jesus is king

Jesus is king Jesosy ilay Fiainana

Raha te hanana fiainana milamina sy mandroso ianao, dia aza avela hisy fahadisoana na alahelon'olona manaraka anao. Anis...
28/04/2026

Raha te hanana fiainana milamina sy mandroso ianao, dia aza avela hisy fahadisoana na alahelon'olona manaraka anao. Anisany bloqué ny fiainan'olona tsy hamokatra; dia fanaovana zavatra mampalahelo ny Fanahy Masina. Maro ny teboka afaka ny hampalahelo Fanahy Masina, rehefa tsy mitandrina isika amin'ny fitondra-tenatsika. Tsy oe Fanahy mora malahelo ny Fanahy Masina, fa Fanahy tsy mazaka ny tsy rariny sy ny tsy hitsiny.
‎Ohatra ngeza be amin'izany ity resahako ity.
‎Misy fotoana ny olona diso miaina amin'ny fitiava-tena, ka mahavita manao tsinotsinona ny hafa. Tsy oe, rehefa isika no manao fahadisoana amin'ny tenatsika, dia oe mibebaka amin'Andriamanitra, fa ny fahadisoana ataotsika amin'ny hafa dia mila hibebahatsika amininy olona izay nanaovatsika fahadisoana, mety ho sarotra ilay mifona sy miteny amin'ilay olona nanaovana fahadisoana, oe? mamela ahy noho ny fahadisoana nataoko taminao, kanefa manokatra varavaran'ny lanitra ho anao izany. Ny mahamaika an'Andriamanitra, tsy isika malaky mibebaka aminy, fa ilay isika mahay mihavana amininy hafa ( Mato 5: 23-24-25 ). Izany no matonga an'Andriamanitra tsy mamaly vavaka antsika na dia mamafy sy manao fanatitra sy manao Dîme aza, satria mbola misy zavatra nataotsika nampalahelo ny Fanahy Masina.
‎Mety nisy fotoana ianao nanambanimbany olona na nanambany mpanompon'Andriamanitra, namingavinga ray amandreny ,na nametsifetsy olona, na namingana olona mpiara-miasa aminao akaiky satry tsy tinao izy no ahazo ilay toerana ao ampiasana, na niteny ratsy ny namanao, na nanao laza ratsy mahakasika ny namanao na rahalahy na rahavavinao ao amin'ny Tompo. Refa tsy manana fahatongavan-tsaina isika hialatsiny amin'ny olona izay nanaovatsika fahadisoana; dia mivonona hy payer prix vokatry ny nataotsika. Andriamanitra dia mpitsara marina, ary mitsara araka ny fahamarinany. Tsy misy tsy vitan'ny fifampiresahana ary afaka hibebahana ny fahadisoana rehetra, mba hatonga anao hadio ara-panahy ary hatonga an'Andriamanitra hanokatra varavaran'ny lanitra ho anao.
‎Mandeha mihavana faingana, amin'ilay mañana ady aminao ( Matio 5: 23-24-25 )
‎Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masina ( Efe 4: 30 - 32 )

Romana 4 : 18. Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; a...
27/05/2023

Romana 4 : 18. Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain'ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao (Genesisy 15:5).
Ra ao anatin'ny fahadisoam-panantenana fatratra ianao? meteza hino sy hanantena hatrany; fa ao anatin'ny fahadisoam-panantenana no misy ny fanantenana ho anao. Kristy ilay fanantenana voninahitra

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jesus is king posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Jesus is king:

Share