14/05/2023
TONGA NIARAKA TAMIN'I JESOSY NY FAHASOAVANA SY FAHAMARINANA
"Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy". Jaona 1:17
Talohan'ny niavian'i Jesosy dia niaina tao anaty fanameloana sy ny fihezahana mitady sitraka amin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny asa ny olombelona, ny antony dia satria mbola tsy tonga teo anivon'ny olombelona ny tena hoe fahasoavana sy ny tena fahamarinana. Ny zava-mihafin'ny famonjen'i Kristy, dia maneho amintsika, fa ny fahasoavana dia naseho sy nomena rehefa nanome an'i Jesosy ho sorona ho antsika ny Ray, ary ny fahamarinana kosa dia tonga rehefa nanaiky hibaby ny otan'ny olombelona rehetra Izy, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy izay rehetra mino Azy. Ho Azy ny voninahitra mandrakizay. Amena.
Fantaro fa ivelan'i Jesosy dia tsy misy antsoina hoe tena fahasoavana sy fahamarinana. Izy irery ihany no ahafahan'ny olombelona rehetra mahazo famonjena. Izy no lalana, sy fahamarinana, ary fiainana. (Andry RANDRIAMAMPIANINA)