25/09/2024
MIVERENA AMIN'NY TENA FILAZANTSARA MARINA
*Rehefa maty i Abrahama dia tonga ny fahavalony nanotitra ny lava-drano fatsakàna izay nohadiany,
*rehefa tonga anefa i Isaka zanany dia tsy niady lavaka vaovao izy fa ny lavaka fatsakàna izay nataon-dRainy ihany no nohadiany ary rehefa niady izy dia nahita rano velona teo.
Genesisy 26 :15-17 15 Ary ny lavaka fantsakana rehetra, izay efa nohadin'ny mpanompon-drainy fony fahavelon'i Abrahama rainy, dia efa novonoin'ny Filistina sy nototofany tany avokoa. 16 Ary hoy Abimeleka tamin'Isaka: Mialà aty aminay; fa hianao mahery lavitra noho izahay. 17 Ary lasa niala teo Isaka, dia nanorina ny lainy teo an-dohasahan'i Gerara ka nonina teo. 18 DIA NOLOARAN'ISAKA INDRAY NY LAVAKA FANTSAKANA IZAY VOAHADY FONY FAHAVELON'I ABRAHAMA RAINY, fa efa novonoin'ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany. 19 Dia nihady teo amin'ny lohasaha ny mpanompon'Isaka ka NAHITA LOHARANO VELONA TEO.
*Toy izany ihany koa ny fanoharana nataon’i Jesosy ny amin’ilay lehilahy namafy voa tsara teo an-tanimbariny, fa rehefa natory ny olona dia tonga ny fahavalony namafy voa ratsy.
Matio 13 :24-28
24 Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny; 25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha. 26 Ary rehefa naniry ny vary ka niteraka dia niposaka koa ny tsimparifary. 27 Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Tompoko, tsy voa tsara va no nafafinao tany an-tanimbarinao? koa avy taiza kosa ny tsimparifary? Dia hoy izy taminy: 28 Fahavalo no nanao izany.
Rehefa nazavainy Jesosy lay fanoharana dia toy izao: ny andininy 37-39 Ary namaly Izy ka nanao hoe: Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak'olona; 38 ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny fanjakana; ny tsimparifary dia zanak'ilay ratsy; 39 ny fahavalo izay namafy izany dia ny devoly.
*I Jesosy Kristy no ilay mpamafy voa tsara tonga teto amin’izao tontolo izao, Izy no fahazavan’izao tontolo izao, Izy ilay tahaka ny masoandro be lohataona nanazava an’izao tontolo izao ary izay nanaraka azy tsy mba nandeha tamin’ny maizina fa nanana fahazavan’aina, toy ireo Apostoly izay nanaradia azy ary tonga fahazavana ihany koa araka ny tenin’i Jesosy hoe ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.
*Ireo Apostoly ireo no nofoazin’i Jesosy ary NITONDRA NY FIFOHAZAM-PANAHY teto amin’izao tontolo izao, tsy nifangaroharo tamin’ny fanaon’izao tontolo izao, sarotiny ny amin’ny FAHAMASINANA, nitory ny teny tsy misy kilema dia NY TENY NY AMIN’NY HAZOFIJALIANA, nampianatra ny olona hanana TAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA, nampahafantatra ny olona fa mpanota izy ary mila mpamonjy, dia tsy iza ny mpamonjy ny mpanota fa i Jesosy Kristy ilay lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, tsy misy makany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalany. Nitaona ny olona HIBEBAKA KA HIVERINA AMIN’ANDRIAMANITRA.
*Raha oharina tahaka NY MASOANDRO izay manazava an’izao tontolo izao ny FIANGONANA VOALOHANY izay tena nirehitra sy nazava, fa rehefa nandeha ny fotoana ka maty avokoa ireo Apostoly dia nitsolopilopy ilay fahazavana, ary dia natory ny fiangonana ka teo indrindra no nanararaotra i satana sy ny miaramilany namafy voa ratsy sy nanototra ny fahamarinana, ary nanitatra ny fanjakany.
Zara raha hita intsony ny fahazavan’ny fiangonana, tahaka NY VOLANA raha tazanina dia toa mazava nefa tsy hita taratra ny fiatraikany, ary raha dinihintsika tsara ny volana dia fotsy misy pentimpetina mainty.
*Lasa tahaka ny volana ny fiangonana ankehitriny izay lasa mifangaroharo amin’izao tontolo izao, lasa mandefitra sy milalao fahotana, lasa tsy sarotiny intsony amin’ny resaka fahamasinana, lasa manafosafo fahotana, ny mpitory filazantsara lasa variana amin’ny resaka fitahiana sy fahombiazana, lasa mampifantoka ny olona amin’ny zavatry ny tany, lasa tsy toriana intsony ny fibebahana, ny fahamasinana, ny hazo fijaliana, ny tahotra
an’Andriamanitra, ny fiverenan’i Jesosy Kristy.
*Lasa tsy misy hery ny fiangonana ary lasa ao anaty marimaritra iraisana, ka mahatonga ny Fanahy Masina tsy hiasa mahery vaika intsony eo amin’ny fiangonana.
*Tsy miova anefa i Jesosy Kristy, tsy miova ny heriny, tsy miova araka izany koa ny Fanahy Masina sy ny heriny fa ny fiangonana no niova lasa nanaraka ny fanaon’izao tontolo izao.
*Variana milalao, manao fifaninanana sy manao fety isakarazany ny akamaroan’ny fiangonana ka tsy miomana ny amin’ny fihavin’ny Tompo akory, lasa manompo sampy ka i mamôna no lasa atao andriamanitra, resa-bola sy ny zavatry ny tany foana no resahina ao am-piangonana, zara raha misy zava-panahy hahatonga ny olona hifantoka ny any an-danitra.
*Tahaka ny tamin’ny andron’i Mosesy, rehefa handeha hiakatra tao an-tendrombohitra i Mosesy sy Josoa dia nanafatra ny loholona izy hoe miandrasa anay eto mandram-piverinay eto aminareo.
Rehefa hitan’ny olona fa naharitra ela i Mosesy ka tsy mbola nidina dia niangona ho eo amin’i Arona izy ka nanao taminy hoe: Misangàna, ka anaovy andriamanitra izahay hitarika antsika eo aloha ; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ny tany Egypta dia tsy fantatray izay nanjo azy. 2 Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo sy ny zanakareo-Iahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento ety amiko. 3 Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin'i Arona. 4 Ary izy nandray azy tamin'ny tànan'ny olona, dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta. 5 Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso. 6 Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao. Eksodosy 32 :1-6
*NY VAOVAO MAHAFALY anefa dia tsy maintsy mbola hoavy hiverina indray ilay MASOANDRO izay lasa iny,
Hoy i Paoly Apostoly mampiomana hoe: Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava. Romana 13 :12
Izao no fotoana HIVERENANA AN-DOHARANO satria mby efa ho lasa ny alina ary efa manakaiky ny andro.
Fotoana fifohazana amin’ny torimaso, anarina ny asan’ny maizina ary hitafiana ny fiadin’ny mazava.
*II Mpanjaka 2 :19-22
19 Ary hoy ny mponina tao amin'izany tanàna izany tamin'i Elisa: Masìna hianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon-anaka.20 Dia hoy izy : Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany. 21 ARY NIVOAKA NANKANY AMIN'ILAY NIANDOHAN'NY RANO IZY, DIA NANIPY SIRA TAO ka nanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah : Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan-anaka intsony hiseho eto 22 Ka dia tsara ny rano mandraka androany araka ny teny nataon'i Elisa.