09/09/2026
๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐'๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐
๐ฅ ๐ ๐ผ๐ณ๐ผ๐ป'๐ฎ๐ถ๐ป๐ฎ ny Alakamisy 10 Septambra 2026
๐ Filemona 1 - 7
"Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, ary Timoty rahalahy, mamangy an'i Filemona, izay malalanay sy mpiara-miasa aminay, 2 ary mamangy an'i Apia anabavinay sy Arkipo, miaramila namantsika, ary ny fiangonana ao an-tranonao: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 4 Misaotra an'Andriamanitro mandrakariva aho, raha mahatsiaro anao amin'ny fivavahako, 5 satria reko ny fitiavanao sy ny finoana* izay anananao ho an'i Jesosy Tompo sy ho an'ny olona masina rehetra, [* Na: ny finoanao] 6 mba hiasa mafy ho an'i Kristy ny fiombonana avy amin'ny finoanao amin'ny fahalalana tsara ny zavatra rehetra izay ao anatinareo. 7 Fa nanana fifaliana sy fiononana amin'ny fitiavanao aho, satria efa novelombelominao ny fon'ny olona masina, ry rahalahy."
๐ ๐๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ
"Aseho amin'ny asa ny Finoana"
Aoka ny finoantsika hiseho aminโny asa sy ny fihetsika ataontsika, fa tsy hijanona ho teny fotsiny. Ny finoana marina dia manosika antsika hanao zavatra mifanaraka aminโny sitraponโAndriamanitra.
Ho an'Andriamanitra irery ny Voninahitra. Amen.
๐๐ถ๐ธ๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป'๐ป๐ ๐ ๐ฝ๐ถ๐๐ผ๐ฟ๐ถ๐๐ฒ๐ป๐ ๐๐ ๐๐ฎ๐๐ฒ๐ธ๐ถ๐๐๐ฎ ๐ฎ๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐ฉ๐ถ๐๐ฎ ๐๐ถ๐ผ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ (๐๐ ๐๐ฉ๐)
RAZAFIMAMONJY Landy