04/08/2026
J E S O S Y M A M O N J Y
Taorian'ny olana sy ny zava-misy niseho teto amin'ny Fiangonana dia nisy ny fandraisan'ny Fanjakana andraikitra ho fandaminana.
Toy izao ny tondrozotra famahana olana eto amintsika Fiangonana JESOSY MAMONJY :
1️⃣ Miara-manaiky ny Fiangonana manontolo fa tapitra tamin'ny 16 Jolay 2026 lasa teo ny fotoam-piasan'ny CA teo aloha ; noho izany, ajoro ny Komity Mpitantana vonjimaika hitondra ny famahana olana hatramin'ny fitsanganan'ny CA vaovao.
2️⃣ Sivy (09) mirahalahy no isan'ny Mpikambana ao anatin'ny Komity mpitantana vonjimaika :
02 Ankolafy Pst Raymond Ankorondrano
02 Ankolafy Pst Gilbert 67ha
03 Mpitoriteny Evanjelistra MEJM
02 Mpino tsotra
• Alatsinainy 03 Aogositra 2026 no fanaterana ireo lisitry ny mpitantana ao anaty Komity Mpitantana vonjimaika any amin'ny Ministeran'ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ;
• Ireo mpikambana tao anaty filankevi-pitantanana teo aloha dia tsy mahazo mikambana ao anatin'ny Komity Mpitantana vonjimaika ;
• Misy koa ny Komity mpanara-maso izay ahitana solon-tena 5 avy amin'ny Ministera (Minisiteran'ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Minisiteran'ny Fitsarana, Ministera miandraikitra ny fanavaozana, Minisiteran'ny filaminam-bahoaka, Minisiteran'ny Zandarimariam-pirenena)
3️⃣ Tsy misy tendrena ho Filoha Mpitantana ireo Komity ireo fa fiaraha-mitantana hatrany ny fandaminana rehetra.
4️⃣ Ny fanapahan-kevitra rehetra dia iarahana mandray sy iarahana manao sonia vao azo tanterahina, ka ny 2/3-n'ny mpikambana fara-fahakeliny no manaiky handraisana fanapahan-kevitra (manodidina ny amin'ny fifidianana)
5️⃣ Ny famoaham-bola rehetra dia tsy maintsy eken'ny 2/3-n'ny mpikambana ao anatin'ny Komity mpitantana vonjimaika ary misy sonian'ireo vao azo tanterahina ;
6️⃣ Ny Komity mpitantana vonjimaika no manomana ny fanovàna na ny fanitsiana ny andininy sasantsasany momba ny FIFIDIANANA izay miteraka olana ao anatin'ny sata fototra sy ny fitsipika anatiny.
• Ny Komity mpitantana vonjimaika no manomana ny fanatanterahana ny fifidianana filankevi-pitantanana ao anatin'ny enim-bolana (06) ; izany fifidianana izany dia am-pandraisana anjara ny Ankolafy rehetra : tsy anavahana na iza na iza ao anatin'ny Fiangonana JESOSY MAMONJY ; tanterahina amin'ny fomba mangarahara, am-pahitsiana sy am-pilaminana.
7️⃣ Tohizan'ny Komity mpitantana vonjimaika ny famitana ny karatra biometrika ka iantohana ny tsy hanavakavahana ho an'ireo Mpikambana rehetra ao amin'ny fikambanam-pivavahana ary io karatra PVC biometrika io no ampiasaina mandritra ny fifidianana.
• Ny mpino vita batisa ka efa feno 18 taona miakatra nno mahazo mifidy.
8️⃣ Tsy azon'iza na iza atao ny manao fihetsika na teny mety hitarika fanakorontanana na ao aloha na mandritra ary aorian'ny fifidianana ; ary izay VOKA-PIFIDIANANA eo ihany koa dia eken'ny rehetra avy hatrany.
9️⃣ Ny Komity mpitantana vonjimaika ireo ihany koa no mandinika ny fomba hanokafana ireo Fiangonana rehetra nakatona.
🔟 Tsy misy ny famindràn-toerana Mpitandrina (affectation) ao anatin'ny enim-bolana (06 mois) ankoatra ny maty na misy marary mafy, ary ankinina amin'ny Komity mpitantana vonjimaika ny fandaminana izany.
------------------
Natao teto Antananarivo, ny 30 Jolay 2026 ary voatomboka kase-panjakana mena ;
Nanao sonia ny avy amin’ny solontenan'ny Ministera (Minisiteran'ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Minisiteran'ny Fitsarana, Ministera miandraikitra ny fanavaozana, Minisiteran'ny filaminam-bahoaka, Minisiteran'ny Zandarimariam-pirenena),
Nanao sonia ny avy amin'ny solontenam-pivavahana JESOSY MAMONJY (ankolafy rehetra).
------------------
⚠️ Marihina fa avy amin'ny FILOHAM-PIRENENA izany, fandaminana sy fikarakarana fanomanana sy fanatanterahana ny manodidina ny fifidianana : fanombohana hatramin'ny fivoahan'ny vokatra.
Fa kosa, tsy misy mahakasika ny fiandraiketana ara-panahy eto amin'ny Foibe izany, fa ny miandraikitra ny ara-panahy mitondra ny fivoriana eto amin'ny Foibe dia tsy miova mandra-pisian'ny fandaminana : Pst R. Raymond, Pst N. Toky, Pst Nemezy.
🇲🇬 HO AN'ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA
🇲🇬 AOKA HITOHY HIVAVAKA HO AN'NY FIANGONANA JESOSY MAMONJY