24/08/2026
🌞 MARAIMBAOVAO🌞
💫 Alatsinainy 24 Aogositra 2026 💫
🎉 MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MPINO 🎉
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin' Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo. Amena.
👧 Anjaran'ny ankizy👦
🎼 FFPM 759: 4
Ry Sakaizan'ny tanora!
Eny, sitrakay
Isan' andro, isan' ora
Ho Anao izahay
Tompo ô! Arovy
Ny madinikao
Aza afoy, fa mba tsarovy
Tano mafy ho Anao
Eny, aza afoy fa mba tsarovy
Tano mafy ho Anao
🙏 Hivavaka isika 🙏
Manaiky ho Anao izahay Jesoa mandritra ny androm-piainanay. Amena.
🛡️️Tsianjery🛡️
" Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: ataovy izay asainy ataonareo."
Jaona 2: 5
🗡 Ny Soratra Masina hovakintsika dia izay hita ao amin'ny bokin' ny Mpanjaka
📖 1 Mpanjaka 2: 1 - 4 📖
Amin'ny anaran'ny Tompo
1. Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zanani-lahy izy hoe: 2. Izaho efa handeha amin'ny làlan-kalehan' ny tany rehetra; koa mahereza hianao, ary misehoa ho lehilahy. 3. Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny làlany, hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn' i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao, 4. mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra ( hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely hianao.
🎀 Ray Masina ô, manamasina anay amin'ny fahamarinana ny teninao no fahamarinana. Amena. 🎀
🎶 FFPM 515: 3
Tsara vatsy, ry Jesoa ô
Ny mpandeha fahananao
Fa ny teninao soa
Mofon' aina tokoa
Iveloman'ny olonao
Ho amin' io tany io tokoa
No izoran'ny dianay
Jesoa Tompo no ao
Sady efa manao
Trano soa hipetrahanay
🙏 Hivavaka isika 🙏
Nahatratra izao maraina izao indray izahay Andriamanitra ô ka misaotra sy midera ny Anaranao. Misaotra fa mbola afaka mandray vatsy avy amin'ny teninao izahay ho batery fiarovana ny fanahinay, fanalahady idiranay ao amin'ny fanjakan' ny lanitra. Izay mahatoky dia hahatandrina ny lalàna sy fitsipika efa nomenao hatramin'ny andron'i Mosesy. Hahalavorary izay rehetra hatao sy haleha. Tsy ho diso anjara amin'ny valim-pitianao hatramin'ny taranaka fara mandimby. Misaotra Jesoa mampahafantra anay mandrakariva ny sitraponao. Tsy nahatakatra izany izahay, tsy nahatandrina ny didinao ka mamindrà fo aminay, mamelà ny helokay fa diso izahay. Aoka tsy hirehitra aminay ny fahatezeranao, koa sasao sy diovy amin'ny ranao izahay mba hadio sy ho afa-pahotana. Apetrakay eo am-pelatananao ny ho avinay manontolo fa Ianao no ekenay ho Tompo sy Mpamonjy. Misaotra tsy mahafoy na mahasaraka anay. Amin'ny anaranao Jesoa no anaovanay ny vavaka. Amena.
🍃 Izaho efa handeha amin'ny lalan-kalehan'ny tany rehetra; koa mahereza hianao, ary misehoa ho lehilahy.🍃
💥 Ho an' Andriamanitra irery ny voninahitra. Amin'ny anaran'ny Ray Zanaka Fanahy Masina. Amena.💥