06/07/2026
🎬Alahady maraina : 05 Jolay 2026
📖Lohahevitra : Fisaorana sy fametrahana ny hoavy
🎤Mpitory teny : Pasteur Mahefa
SALAMO 103 : 1-5
Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.
Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra,
Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,
Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an'ny voromahery.
MISAORA AN'NY JEHOVAH RY FANANHIKO NOHON'NY:
📌 Tamin'ny lasa
🖇 Famonjena : sambatra fa voavela heloka ROMANA 4:7 - ROMANA 8:1, sitrana ny aretina rehetra
🖇fanavotana ny fiainana rehetra : mahavoky soa ny vava,ny ara-panahy, nanafaka tao amin'ny fahantrana sy maro hafa
JEREMIA 31 : 3-6
Tany lavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe:
Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.
Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly.
Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.
Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika.
TEHIRIZIN'ANDRIAMANITRA AMIN'NY FAHASOAVANA HATRANY NY FIAINANA
📌 Amin'ny hoavy
:
🖇 Hanorina Izy
🖇 Hampifaly Izy
🖇 Hampandroso Izy
🖇 Hitahy Izy
🖇 Hanao zavatra maro tsara be Izy
🖇 Hampandova fiainana Mandrakizay