02/11/2024
Finaritra Ă´ đ!
âď¸ Mifono hafatra mafonja sy mahavelom-bolo avy aminâIzy Tompontsika ity andinin-tSoratra Masina ity đ. Aminâny filazana hoe ÂŤ Aza matahotra Âť dia mampiseho Andriamanitra fa Izy dia Andriamanitra akaiky sy miahy ny olony, ary miaro izay Azy. Manatsotra ny Tanany Izy, vonona mandrakariva ny hanohana izay mialoka Aminy, mba tsy hanan-tahotra izay rehetra Azy.
âď¸ Eo anatrehanâny karazana fotoan-tsarotra atrehantsika tokoa mantsy, mety mahatsiaro irery isika, mahatsiaro fa mandifotra antsika ny olana atrehantsika. Mampatsiahy antsika ary Andriamanitra eto fa tsy irery isika fa eo anilantsina Izy, ary mankahery antsika eo antrehanâizay mety ho tahotra na fahakiviana.
âď¸ Anio ary, na inona mety ho fahasarotana na olana atrehanao đ, miteny aminao ny Tompo hoe ÂŤ Aza matahotra Âť đ. Mihazona anao aminâny Tanany Ankavanany Izy, ary mamonjy anao. Ario ny tahotrao noho izany, ary aoka hatoky Azy ianao.
â¤ď¸ Samia mahereza, samia hotahiana â¤ď¸