24/08/2026
✨Koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra
Matio 2️⃣8️⃣➖1️⃣9️⃣🅰️
🟡Isaorana Jesosy fa vita ny fanohanana am-bava ny lahatsoratra eto amin’ny Lutheran Leadership Development Program (LLDP) eto amin’ny Concordia Theological Seminary ( CTSFW) , Fort Wayne, Indiana.
🟢Isaorana ihany koa ny CTSFW sy ireo Mpampianatra rehetra ny amin’ny fahavitan’ny GRADUATION ka nazahoana ny Diploma ato amin’ny LLDP
🔵Isaorantsika ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM ) nanohana nahafahana nianatra sy manitam-pahalalana.
🟤Ny fianarana mantsy dia tsy fanitaram- pahalalana fotsiny fa fandranitana sy famohazana ireo harena omen’Andriamanitra antsika momban'ny Leadership, Development, Administration, Organizational Leadership and Governance and Management and Finance.
🟣In-telo na in'efatra Isan- taona ny fianarana ka ny iray any Wittenberg, Germany, izay tananan’i Lotera sy ny Reformation ary ny ambiny kosa aty America, izay ny ankamaroan’ny fotoana dia eto amin’ny Concordia Theological Seminary, Fort Wayne, Indiana.
Hisy ireo handimby antsika hianatra eto amin’ny LLDP manomboka amin’ny November 2026 izao.
✨Isaorana isika rehetra mahatsiaro am- bavaka sy manohana ny Fiangonantsika.
Ento am- bavaka ny Fiangonantsika.