Huios Antsirabe

Huios Antsirabe 𝙃𝙐𝙄𝙊𝙎 — Movement of revelation and impact for a strengthened, restored, and deployed generation.

We train, activate, and propel sons toward their divine destiny.

Tsara ny mandray. Fa mahasambatra kokoa ny manome. ❤️Isaorana an’Andriamanitra ny fahavitan’ny FANAMPIANA NY MADINIKA an...
20/06/2026

Tsara ny mandray. Fa mahasambatra kokoa ny manome. ❤️

Isaorana an’Andriamanitra ny fahavitan’ny FANAMPIANA NY MADINIKA androany.

Fizarana filazantsara. No sady fanampiana ny sahirana. Ho voninahitra ho an’Ilay Ray Mpahary.

Misaotra ny ekipa rehetra niara-nanatontosa.
Ny Tompo mahita ny fontsika.

Andriamanitra anie hameno eo amin’izay tsy vita.
Mirary fifaliana sy fiadanana ho antsika rehetra.

~ Fanampiana Ny Madinika Jona 2026
• Huios Antsirabe - Redeemed To be Kings

❗️ FIKORIAN’NY FANAFAHANA À DISTANCE 🔥⚡️ FOTOANA HIANARANA MIKASIKA NY DELIVRANCE  SY HANAOVANA VAVAKA FANAFAHANA À DIST...
19/06/2026

❗️ FIKORIAN’NY FANAFAHANA À DISTANCE 🔥

⚡️ FOTOANA HIANARANA MIKASIKA NY DELIVRANCE SY HANAOVANA VAVAKA FANAFAHANA À DISTANCE❗️❗️❗️

— Ho anao izay mila fanafahana sy ianao izay liana amin’ny ministeran’ny fanafahana….

— Tonga ny fotoana tsara indrindra hihaonantsika indray 🔥 dia ny DELIVERING STREAMS izany.

📆 FitoZoma — Zoma roa sisa — 19, 26 Jona
⏰ 20H00 ✨✨✨
🎙 Audio Live on The STREAM Platforms (misy lien ao amin’ny commentaire)

Ataovy izay hanatrehanao an’ity fotoana ity.
Hasao ny havana sy namana.
Ndao hiaina fahafahana.
Maimaimpoana.

Androany ity fotoana ity.
Peace ❤️🔥

💥 ISIKA NO NOFIDIANY HANEHOANY NY VONINAHINYEfa nidina tety an-tany Andriamanitra naneho ny voninahiny tamin'ny alalan'i...
16/06/2026

💥 ISIKA NO NOFIDIANY HANEHOANY NY VONINAHINY

Efa nidina tety an-tany Andriamanitra naneho ny voninahiny tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy. Efa niakatra any an-danitra nefa Jesosy, saingy naniraka ny mpanara-dia Azy mba hanao izay asa nataony.

🍀 Manana antom-pisiana ianao. Anisan'izany ny ho fanaka fampisehoam-boninahitra.

Tsy haiko hoe tahaka ny ahoana ianao izao na mety tahaka ny ahoana ny fiainanao, fa raha ny tena tanjon'Andriamanitra amintsika aloha dia ny haneho ny fahatsarany amin'izao rehetra izao.

Fanaka fampisehoam-boninahitra isika ❤️🔥

15/06/2026


Raha tena mila fitondrana am-bavaka ianao.
Ary mipetraka eto Antsirabe.
Dia manasa anao handefa hafatra miafina hilaza ny antom-bavakao.
Fa hivavaka ho anao izahay.

Aza tara.

Tsy voatery hahafaly ahy izay mitranga sy misehoSaingy hianatra hankatoa ahoMatoky ny fitondranao aho RayMatoky aho fa I...
15/06/2026

Tsy voatery hahafaly ahy izay mitranga sy miseho
Saingy hianatra hankatoa aho

Matoky ny fitondranao aho Ray
Matoky aho fa Ianao tsy handao ahy

Na handalo fisedrana na ho avoaka amin’ny fitahiana
Izaho efa nisafidy fa tsy mba hiala Aminao

Ka ampio aho
Mba hahazona ny Tananao
Tano mafy aho tsy hamotsotra
Fa tsy mahasaraka Anao

Aza avela hiala lavitra aho
Fa ento ampototry ny hazofijalianao ❤️🔥

Mila Anao aho Tompo ô! 🔥Ary aoka hihetsika eo amin’ny fiainako ny herinao.⚡️ Ho anao izay tena mila an’Andriamanitra sy ...
10/06/2026

Mila Anao aho Tompo ô! 🔥
Ary aoka hihetsika eo amin’ny fiainako ny herinao.

⚡️ Ho anao izay tena mila an’Andriamanitra sy ny heriny…
Ity misy fotoana miavaka hanasanay anao:

✨ Cellule de Prière ILAIKO NY HERINAO 🔥

📆 Ny Zoma izao — 12/06/2026 — Ce Vendredi

⏰ Amin’ny 12 ora atoandro Jsq 2ora tolakandro

❗️ Toerana: Maison de Prière pour toutes les Nations Mahazoarivo Antsirabe (akaikin’ny Ecole Mon Heritage)

Tongava fa hisy Tenin’Andriamanitra hahasoa anao
Ary hisy vavaka ho anao manokana ❤️🔥

Tsy misy vidim-pidirana
Tsy hanavahana an’iza na iza

There Is Fire Here
HUIOS ANTSIRABE

Misy fotoana tsy takatry ny saiko izay hitondranao ahy. Toa mampanontany tena hoe mbola mihaino ahy ihany ve Ianao ? Mis...
05/06/2026

Misy fotoana tsy takatry ny saiko izay hitondranao ahy.
Toa mampanontany tena hoe mbola mihaino ahy ihany ve Ianao ?

Misy fotoana mijery ny an'ny hafa dia mahita hoe tena taraiky aho izany fa aiza ihany ny mba anjarako ?

Indraindray na ny hamaritako an'izay zava-miseho eo amiko aza tsy haiko sy tsy voalazako akory.

Indraindray na ny hitraka sy handroso aza sarotra amiko satria tsapa fa toa mavesatra amiko ilay zava-misy.
.. Fa na izany aza tsy ataoko hampiova ny fitiavako Anao izany rehetra izany satria ho aiza intsony moa aho 🥹 Ianao no efa teo foana ho ahy.

Mbola tsy hary akory sy mbola tao an-kibon'i Neny aho dia efa fantatrao, notiavinao sy efa nofidianao. Koa iza intsony no mahalala ny fiainako mihoatra Anao ? ❌ TSY MISY ❌

Ka anio, n'inon'inona zavatra tsy maintsy ho lalovako fantatro fa VELONA NY MPAMONJIKO. Ary, miaraka amiko eny foana Izy tsy mandao na mahafoy ahy. Ka na mbola tsy mijoro akory aza aho dia efa voalahatra ho ahy ny FANDRESENA satria manoatra nohon'ny mpandresy aho ao Aminy.

Fantatro fa izao ilay malala eo imasonao, be voninahitra sady tena tianao. Ka raha tia ahy Ianao tsy hamela ahy ho irery izany. Ka eo an-tànanao no azo antoka indrindra ka tsy hiala aho fa hifikitra Aminao mandrakizay.

Ka hilaza aho hoe : "TSARA FOANA NY FITONDRANAO KA IFALIAKO ary TSY MBA DISO IZANY IANAO"
Huios Antsirabe

04/06/2026

TSY VITAKO NY MIAINA RAHA TSY MISY ANAO JESOSY Ô! 🥹🙏🔥

✨ CONFÉRENCE EN LIGNE ~  NY FOMBA HANDRAISANA sy HIHAZONANA VALIM-BAVAKA ✨Mivavaka ianao ka eo am-piandrasana ny valiny ...
03/06/2026

✨ CONFÉRENCE EN LIGNE ~ NY FOMBA HANDRAISANA sy HIHAZONANA VALIM-BAVAKA ✨

Mivavaka ianao ka eo am-piandrasana ny valiny mihintsy izao ?

Na koa efa renao fa injay le izy fa tsy naharitra loatra teo aminao ? Toa tampoka teo dia rava ho azy izany ?
.. Tadidio fa isan'ny fifalian'Andriamanitra ny manatanteraka ny fifalianao. Mino aho hoe isan'ny mampifaly anao ny fahitan'ny masonao ny fahatanterahan'ny vavaka. Indrindra moa fa efa somary ela niandrasana izay ianao.

Ka anio, ao anaty groupe de discussion facebook, 'ndao ho resahantsika ireo zavatra mety takiana aminao mba hampivaly ny vavakao sy mba hampaharitra izany eo aminao.

⚡ Toerana : Discussion Facebook Messenger
📆 Alarobia 03 jona 2026 || 20h sy 21h (izay mety aminao fa samy hiresahantsika an'izay avy ireo)

Mino aho fa tsy hamotsotra an'ity fahasoavana miraraka ity ianao 👉

Raha toa ka renao fa ilainao izany dia manasa anao handefa MP amin'ny Pejy na ihany koa manao commentaire dia misy miresaka aminao avy hatrany.

Mety hoe tsy manana n'inon'inona loatra aho ... Mety hoe tsy manana an'iza hitarainana sy hianteherana aho ... Mety hoe ...
03/06/2026

Mety hoe tsy manana n'inon'inona loatra aho ...

Mety hoe tsy manana an'iza hitarainana sy hianteherana aho ...

Mety hoe tsy mahalala olona firy aho ...
.. Eny, raha mitaha ny hafa dia mbola betsaka tokoa ny tsy hananako. Anefa mifaly kosa aho satria manana an'ilay Andriamanitra izay Tompon'izao zavatra hary rehetra izao. Ilay manana ny fahefana rehetra 🔥

Ka androany hanipy ny amiko rehetra aho. Hamela ny momba ahy rehetra. Hanipy izay mety ho voninahitro ety. Tsy hirehareha hoe mahavita tena fa hamotsotra izay rehetra manavesatra ahy. Eny, ny amiko rehetra mihintsy no atolotro ho Anao anio.

Satria fantatro hoe tsy afa-miaina tsy misy Anao aho. Tena mila Anao loatra aho ary very aho raha tsy eo Ianao. Ianao irery ihany no hany fananana tsy ho afaka esorina amiko mandrakizay 🥹

Ka hietry aho. Hiondrika manoloana ny fahalebiazanao. Hialoka eo ambany elatrao. Hanao Anao ho ambonin'ny zavatra rehetra.

Ka na mety handalo ny tafiotra. Mety handalo ny rivotra mahery. Mety handalo izao rehetra izao. Tsy hihetsika aho fa Ianao no aro mafy ho ahy izay Vatolampy tsy hihetsika mandrakizay. Tsy hiala Aminao mandrakizay aho. Koa azony aho Tompo ô! Mino aho fa tsy hamotsotra ahy koa raha Ianao 🔥

Voadiko izany anio. Ary tsy hivadika amin'izany aho. Aoka ny Fanahinao hameno ahy hatrany.
Huios Antsirabe

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Huios Antsirabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share