Ezaho ny fiantsonao fa aza atao malemy. Isaia 58: 1a FJM

Ezaho ny fiantsonao fa aza atao malemy. Isaia 58: 1a FJM Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ezaho ny fiantsonao fa aza atao malemy. Isaia 58: 1a FJM, Religious Center, Andoharanofotsy, Antananarivo.

VOAVOTRA TSY MATY AN-DRANOFa efa tonga ny Zanak’olona (Jesosy) hitady sy hamonjy ny very. Lioka 19:10, 11Indray andro ah...
18/03/2022

VOAVOTRA TSY MATY AN-DRANO

Fa efa tonga ny Zanak’olona (Jesosy) hitady sy hamonjy ny very. Lioka 19:10, 11

Indray andro aho dia saika maty an-drano. Enin-taona aho tamin’izay, nefa dia mbola tadidiko toy ny vao omaly izany : nitsikarokaroka tetsy sy teroa ny sandriko, niezaka hamikitra tamina zavatra mafy aho. Rehefa nihoatra ny tampon’ny rano ny masoko, dia niaina lalina aho, saingy indrisy fa tokony nifoka rivotra aho, nefa dia rano no voatelinko. Mbola tsapako mandrakizao ilay izaho nangitakitaka.

Soa ihany fa nisy vehivavy iray tsy fantatro, nilomano koa tao amin’ilay dobo filomanosan’ny hotely, nahatazona mafy ny sandriko, dia nosintonin’ny raiko hivoaka ny rano aho. Reraka tanteraka aho. Menatra ilay mpikarakara ny dobo filomanosana, ka nametraka avy hatrany marika mitsingevana mba tsy hisy ankizy hafa hikorisa avy ao amin’ny dobon’ny ankizy ka lasa ao amin’ny dobon’ny olon-dehibe…

Rehefa mitady ho faty an-drano hono ny olona iray, dia matetika mikorofoka aoka izany, ka manakana ny mpamonjy voina tsy ho afaka mamonjy azy. Eo amin’ny fiainana isika indraindray dia difotra anaty olana, fahoriana sy ny lasa, ka mikofokofoka miady amin’Andriamanitra. Nefa Izy irery ihany no afaka mamonjy antsika.

Voasoratra ao amin’ny Baiboly hoe : „Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy” (Isaia 55:6). Fa nanamarika ihany koa Jesosy hoe : „Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana” (Jaona 5:40).

Maninona moa ianao raha mba mijanona tsy mikofokofoka miady intsony, ary mamela hiasa Ilay Andriamanitra Mpamonjy ?

Zoma 18 Marsa 2022
ILAY VOA TSARA NAFAFY

08/03/2022

FIJOROANA VAVOLOMBELONA

https://lalamasaka.mg
Ny vavaka ataonay dia ny hitomboan’ny finoanao mba handraisanao fahagagana avy amin’Andriamanitra, indrindra raha manana olana na tsy fahasalamana mitovy amin’ity fijoroana vavolombelona ity ianao.

17/02/2022

Miomana hihaona amin'Andriamanitrao.
Amosa 4: 12

Address

Andoharanofotsy
Antananarivo
102

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ezaho ny fiantsonao fa aza atao malemy. Isaia 58: 1a FJM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to Ezaho ny fiantsonao fa aza atao malemy. Isaia 58: 1a FJM:

Share