05/05/2026
FANAMBARANA
Araka ny nivoaka nandritra n'ny fivorian'ireo Pasteur MANERANA NY NOSY nandritra ny MEGA MEETING 2026,
ny "Conseil Juridique" n'ny Eglise Rhema de Madagascar (Rhema Church of Madagascar), dia manao izao fanambarana izao :
- Misy ireo fikambanana/fiangonana mitondra ny anarana "Rhema" kanefa TSY Eglise Rhema de Madagascar, izay misy vitsivitsy hita fa manaotao foana indraindray, ka manjary ny Eglise Rhema de Madagascar iray manontolo no voahoso-potaka.
- Misy ireo Pasteur izay efa niala tsy ho Rhema de Madagascar, kanefa dia mbola ny anaran'ny Rhema de Madagascar hatrany no entiny na voatonontonona noho ny ataony.
- Tsapa ihany koa fa maro ireo mpino lasa sahiran-tsaina noho ny fisian'ny fikambanana/fiangonana marobe mitondra ny anarana RHEMA ka tsy fantany intsony ny tena izy.
- Marihana anefa fa ny anarana "RHEMA" dia fananan'ny EGLISE RHEMA DE MADAGASCAR, araka ny "CERTIFICAT D'ENREGISTREMENT DE MARQUE" laharana 14001 tamin'ny 26 Juillet 2013 avy tamin'ny OMAPI, nohavaozina araka ny "CERTIFICAT DE RENOUVELLEMENT D'ENREGISTREMENT DE MARQUE" tamin'ny 11 Janvier 2023 sy ny "ORDONNANCE laharana 13695/22 navoakan'ny fitsarana tamin'ny 11 Novembre 2022, ary namafisin'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tamin'ny ORDONNANCE laharana 13544 tamin'ny 09 Octobre 2023 sy ny didi-pitsarana navoakan'ny Fitsarana Ambony (Cours d'appel).
- Koa araka izany dia HO TAPITRA TSY HO ELA ny FE-POTOANA nomena ireo hafa rehetra mitondra io anarana RHEMA io izay n angatahana azy ireo mba hanova izany fananan'ny Eglise Rhema de Madagascar izany, amin'ireo anaran'ny fikambanana/fiangonana entiny ary tsy hampiasa sy tsy hitondra ny anarana RHEMA, mba hisorohana ny mety zavatra hafa hataon'izy ireo any ambadika any, ka ny Eglise Rhema de Madagascar izay ara-dalàna no voahoso-potaka.