Aza manahy, teny fampaherezana

Aza manahy, teny fampaherezana Lioka 12:25-26
[25]Ary iza moa ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro iainany, na

Ho feno fitahiana sy fahasoavana ianao πŸ™
31/12/2022

Ho feno fitahiana sy fahasoavana ianao πŸ™

πŸ”₯🚨🚨TENY POSITIF 15 MOMBA NY FAHOMBIAZANA SY NY FAHAMARINANA πŸ‘‡1. Ny tsy fahombiazana dia ahafahana hanombohana indray ami...
18/09/2022

πŸ”₯🚨🚨TENY POSITIF 15 MOMBA NY FAHOMBIAZANA SY NY FAHAMARINANA πŸ‘‡

1. Ny tsy fahombiazana dia ahafahana hanombohana indray amin'ny fomba malina kokoa.πŸ€”
Henry Ford

2. Tsy misy afa-tsy fomba iray ihany no tsy hahombiazana, dia ny mahafoy alohan'ny hahombiazanao.πŸ€—
Georges Clemenceau

3. Tsy misy tokony hatahoranao satria tsy azonao atao ny tsy hahomby. Afaka mianatra, mivoatra ary lasa tsara kokoa noho ny taloha ianao.😊
Hal Elrod

4. Mankasitraha ny tsy fahombiazana, ary mianara amin'ny tsy fahombiazana, satria ny fahombiazana tsy misy kilema dia tsy misy lesona azo nalaina.
James Dyson

5. Raha sahirana ianao dia aza omena tsiny ny fiainana. Tadidio fa arakaraky ny maha sarotra ny fiainana iainanao no maha mafy anao miatrika ny fiainanaπŸ’ͺ
Gandhi

6. Ao anatin'ny fahasahiranana rehetra dia misy fahafahana miafina.πŸ‘Œ
Albert Einstein

7. Ny tsy fahombiazana dia ny zava-manitra manome ny fahombiazana ny tsirony.🀏
Truman Capote

8. Azonao atao koa ny manorina zavatra tsara amin'ny vato misakana.
Johann Wolfgang von Goethe

9. Tsy misy fahombiazana mora na tsy fahombiazana maharitra.πŸ‘
Marcel Proust

10. Ny fahombiazana eo amin'ny fiainana dia tsy amin'ny alalan'ny filalaovana karatra tsara fa amin'ny alalan'ny fahaizana milalao ny karatra diso amin'ny fomba tsara.😍
Joshua Dool

11. Matokia ny sainao. Aleo ho anao ny fahadisoanao toy izay an'olon-kafa.πŸ˜‰
Michael Aguilar

12. Ny fahombiazana dia avy amin'ny tsy fahombiazana mankany amin'ny tsy fahombiazana nefa tsy very ny hafanam-po.😳
Winston Churchill

13. Ao ambadiky ny lehilahy mahomby rehetra dia misy taona maro tsy fahombiazana.🧐
Bob Brown

14. Tsy lavo aho. Nahita fomba 10.000 aho tsy hanao izany.🧐
Thomas Edison

15. Lavo ianao, mitsangana, fafao ny tenanao avy lavo iny, ary miverina miasa.πŸ₯Ί
barack obama

Aza manahy πŸ™ teny fampaherezana

πŸ‘‹πŸ‘‹ Mianara mankasitraka izay anananao mialohan'ny fotoana hanery anao hankasitraka izay nanananao. βœ‹Izany hoe mahaiza ma...
29/08/2022

πŸ‘‹πŸ‘‹ Mianara mankasitraka izay anananao mialohan'ny fotoana hanery anao hankasitraka izay nanananao. βœ‹
Izany hoe mahaiza mankasitra izay hananao amin'izao fa ho avy n fotoana rehefa niady mafy ianao ka voadona atsy voadona aroa dia hipetraka ianao ka tsy maintsy hanaiky izay eo ihany kanefa ny olana nitombo ihany... πŸ™
Courage ry namana fa refa mahay manetritena ianao d ho asandratra ka hanana fifaliana fona amin'ny fiainana πŸ˜‰ aza manahy ny dikan'izany fa mahareta ☺️

😒 Eny e, efa fantatra fa tsy ampy ny rehetra ho entina anombohana azy.Fa zao πŸ˜‰ atombohy mihintsy alony, ampiasao izay an...
17/08/2022

😒 Eny e, efa fantatra fa tsy ampy ny rehetra ho entina anombohana azy.
Fa zao πŸ˜‰ atombohy mihintsy alony, ampiasao izay anananao misy eo am-pelatanana, ary araho vavaka izany satria ny Andriamanintsika dia maindry anao hietsika mba afahany manampy anao πŸ‘
Rehefa manomboka ianao dia hitombo miandalana eo ny fahasoavana manampy anao πŸ™πŸ™
Courage πŸ«‚ tsy misy ny ririnina mandavataona izany fa tsy maintsy mamiratra fona io πŸ™πŸ™

Ho azonao amin'ito herindro ito ny vola ilainao hanapianao ny ankohonana anao, aza manahy πŸ™1 Petera 3:15fa manamasΓ¬na an...
11/07/2022

Ho azonao amin'ito herindro ito ny vola ilainao hanapianao ny ankohonana anao, aza manahy πŸ™

1 Petera 3:15
fa manamasìna an i'Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,

Ny tsiambaratelon'ny fahasambarana dia tsy ny fitadiavana ny bebe kokoa, fa amin'ny fampandrosoana ny fahaizana mankasit...
10/07/2022

Ny tsiambaratelon'ny fahasambarana dia tsy ny fitadiavana ny bebe kokoa, fa amin'ny fampandrosoana ny fahaizana mankasitraka ny kely misy eo aminao

Aza avela hamaritra ny fiainanao ny lasa fa lesona fotsiny ny lasa fa tsy sazy, Solution: mirosoa hatrany na aotrany aho...
09/07/2022

Aza avela hamaritra ny fiainanao ny lasa fa lesona fotsiny ny lasa fa tsy sazy,
Solution: mirosoa hatrany na aotrany ahona na aotrany ahona ny zava-misy,
Tsy misy resy tsy miady hoy ny Taolo,
Aza manahy πŸ’ͺ

Matokisa ahy, homeko tsara lavitra noho ny eo am-pelatananao ianao!Matetika isika mivavaka mafy kanefa tsy mahafoy izay ...
07/07/2022

Matokisa ahy, homeko tsara lavitra noho ny eo am-pelatananao ianao!
Matetika isika mivavaka mafy kanefa tsy mahafoy izay eo antanantsika mba hiova vaovao, tiana ho azo ny tsara nefa ilay efa ratsy na tonta na ilay taloha tokony ho avela mba hisolo vaovao, mazava ho azy fa refa tsy manaiky ho taritiny izy Tompo ianao dia mijanona amin'ny taloha iany izany, ara-panahy no resaka eto fa fanehoana iany ny sary, ary mampiseho fa na zavatra, na fitaovana, na endri-javatra hita maso na ny tsy hita maso dia mila avaozina, Anjarantsika no mikolokony an'izany mba hihavao hatrany hatrany.

Asan'ny Apostoly 27:25
[25]Koa matokia, ry tompokolahy Γ΄, fa mino an'Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.

Aoka alony izay, Fety ny andro πŸŽ‰πŸŽŠ, samy hifety daholy na ianao na ny manodidina anao, raha manana problem ianao dia adin...
25/06/2022

Aoka alony izay,
Fety ny andro πŸŽ‰πŸŽŠ, samy hifety daholy na ianao na ny manodidina anao, raha manana problem ianao dia adinoy alony izany 😎 samy miatrika ny fety ianareo, ny olana misy fona ary tsy lany izany fa tsy izany akory no hataona sakana tsy hifaliana πŸ€›, vita fety indray mifankahita ny tohiny, kanefa ataovy antsaina hoe hilamina io ary aza manahy mihintsy, matokisa fotsiny fa ianao tsy lany fika izany πŸ–οΈ, AZA MANAHY
Mirary fety mahafinaritra ho antsika rehetra πŸ™πŸ™

Aza manahy fa io ady na olana atrehanao io d efa anaty plan Andriamanitra io, fa io ady io efa vitan'i Tompo atramin'ny ...
21/06/2022

Aza manahy fa io ady na olana atrehanao io d efa anaty plan Andriamanitra io, fa io ady io efa vitan'i Tompo atramin'ny farany fa tsika no mbola tsy tena mahalala tsara ny tena heviny lalina ka lasa mikorotantsaina fona vao misy endri-javatra mapahory atsika ka lasa toloran'ny devoly saina ratsy sy hipenopenao atsy sy aroa hitady vaha olana.
Kanefa na tsy hainao aza izay heviny dia ny teny hoe aza manahy ataovy antsaina fona ka apetrao amin'Izy Tompo ny adinao fa hainy ny mitondra io ary aza adino fa lalana iany izao miseho izao mba afahany mametraka anao araka izay maha anao,
Androany mety tsy ianao no sendra ny afatra fa misy fotoana tonga aminao izao hafatra izao dia aza manahy fa hilamina araka ny fanirianao ny fiainanao.
Andao hisaotra azy noho izay mbola tsy tateraka anefa hainao fa ho taterahiny Tompo tsy ho ela amin'ny fiainana ny tsara indrindra izay efa ho anjaranao πŸ™

Tia hiteny fotsiny za hoe aza manahy ny @ io situation iainanao io na aotrany ahona izany na aotrany ahona fa Andriamani...
30/05/2022

Tia hiteny fotsiny za hoe aza manahy ny @ io situation iainanao io na aotrany ahona izany na aotrany ahona fa Andriamaninatra mihintsy no efa mandidy anao (c'es un ordre) hoe AZA MATAHOTRA, BAIKO IO; baiko tena tsy maintsy arahintsika fa dia asakasakao alony, Mirary anao izaho mba ho tafapetraka lalina ao am-ponao izany πŸ™

Aza matahotra olona na olana na baby na fahotana vitanao na inona na inona fa matokia ny vavaka izay nataonao fa henon'I...
25/05/2022

Aza matahotra olona na olana na baby na fahotana vitanao na inona na inona fa matokia
ny vavaka izay nataonao fa henon'Izy Andriamanitra izany, ary Izy no katsaho,
Matetika isika fona ihany no mametraka sakana ny tenantsika satria manamelontena dia tsy sahy mivavaka na menatra mivavaka, mangina mihintsy aza, satria ny devoly dia izay mihintsy no tanjony dia ianao ilay tsy hivavaka iny, fa aza adino fa efa nisy fitiavam-bavaka naniry tao anatinao afahanao mino na dia kely aza ahafataran'Andriamanitra anao, πŸ™

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Aza manahy, teny fampaherezana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share