Atsimondrano Gospel Song Competition

Atsimondrano Gospel Song Competition Fifaninanan-kira ara-pilazantsara Lehibe atao eto 'Atsimondrano.

20/12/2022

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPTETITION 2022
ULTIME FINALE en vidéo.



20/12/2022

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION

Mahafaly anay mpikarakara no manambara fa mendrika avokoa ireo mpandray anjara rehetra noho ny ezaka sy ny seho rehetra natao hatrany am-panombohana ka mandram-pivoak'izao voka-dalao izao.

CATEGORIE GOSPEL
1️⃣: GRACE CHOIR
Fiangonana Assemblée de Dieu Anjazamihira Itaosy
2️⃣: VOIX DE LA LOUANGE
Fiangonana VIF Iavoloha
3️⃣: MALAGASY CHOIR
Fiangonana FPVM Andranonahoatra

CATEGORIE OPEN
1️⃣: APAL
EKAR Bemasoandro
2️⃣: APP
FJKM Ifarihy
3️⃣: AMPIBA
Fiangonana FPVM Ankaraobato

🔸Toy izao kosa ny Antsipirihany tamin'ny fanisam-bato sy ny Naoty izay efa voambara ihany.

🔸Manamafy ny mpikarakara fa tao anatin'ny lalao madio sy mangarahara hatrany no nanatanterahana ny Fifaninanana.

🔸Aoka isika na haneho hevitra tsy fankasitrahana aza noho ny alahelo na fahatezerana dia ho mendrika ny maha-kristiana hatrany, ny teny maro tsy hilaozan'ota koa aoka re tsy hitarika antsika amin'izany, ny fahatezerana diso toerana.

Voninahitra hoan'Andriamanitra irery ihany.


ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION 2022Isaorana an'Andriamanitra ny Famindrampony sy ny Fahasoavany fa tontosa soamants...
19/12/2022

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION 2022

Isaorana an'Andriamanitra ny Famindrampony sy ny Fahasoavany fa tontosa soamantsara ny andiany 2022 tamin'ny Fifaninana.
Isaorana ireo solotenam-panjakana rehetra sy isan'ambaratongany tamin'ny fanotronany:
- ny Minisitry ny Fahasalamana
- ny solotenan'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina
- ny solotenan'ny Governoran'ny Faritra Analamanga
- ny Senateur Ramanambitana
- ny Ben'ny Tanana rehetra an'Atsimondrano

Faly ny fo fa nilamina tsara avokoa ny fotoana rehetra ary nalaina nisaraka ny rehetra, nivoaka tamin'izany ireo mpandresy:
CATEGORIE GOSPEL:
-Laharana voalohany: GRACE CHOIR (ar 3.000.000)
Fiangonana Assemblée de Dieu Anjazamihira Itaosy
Commune BEMASOANDRO
-Laharana faharoa: VOIX DE LA LOUANGE (ar 1.500.000)
Fiangonana VIF Iavoloha
COMMUNE ANDOHARANOFOTSY
-Laharana fahatelo: MALAGASY CHOIR (ar 500.000)
Fiangonana FPVM Andranonahoatra
COMMUNE ANDRANONAHOATRA

-Laharana voalohany: APAL (ar 3.000.000)
EKAR Bemasoandro
Commune BEMASOANDRO
-Laharana faharoa: APP (ar 1.500.000)
FJKM Ifarihy
COMMUNE ANKARAOBATO
-Laharana fahatelo: AMPIBA (ar 500.000)
Fiangonana FPVM Ankaraobato
COMMUNE ANKARAOBATO

Voninahitra hoan'Andriamanitra irery ihany.


ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION 2022🔸Nivoaka anio nandritry ny ULTIME FINALE ny mpandresy tamin'ny CATEGORIE 1:GOSPE...
18/12/2022

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION 2022

🔸Nivoaka anio nandritry ny ULTIME FINALE ny mpandresy tamin'ny CATEGORIE 1:GOSPEL & CATEGORIE 2: OPEN
🔸Ny fanambarana ny Naotin'ny MPITSARA (75%) sy ny Votes Public (25%) no nahafahana namoaka ny mpandresy.

🎉 FELICITATIONS🎉
- A.P.A.L EKAR Bemasoandro : Catégorie OPEN
- GRACE CHOIR Assemblée de Dieu Itaosy : Catégorie GOSPEL

An'Andriamanitra irery ny Voninahitra.


18/12/2022

Indro ny rohy ahafahantsika manaraka mivantana ny ULTIME FINALE
ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION 2022

https://fb.watch/huGoQAnk1J/

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION🎉ULTIME FINALE🎉Alahady 18 Desambra manomboka @01:00 tolakandro ao @ Tokotany malalaky...
16/12/2022

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION

🎉ULTIME FINALE🎉
Alahady 18 Desambra manomboka @01:00 tolakandro ao @ Tokotany malalaky ny Commune Bemasoandro.

📩VOTING PUBLIC
- Tahak'izao no endrik'i Bulletin Unique
- Asiana marika ❌ eo amin'ny efajoro natokana hoan'izany
- Ny Bulletin iray dia sady hifidianana GOSPEL no hifidianana OPEN

🔸CATEGORIE GOSPEL:
1- 5 RUCHES (Apokalipsy Tanjombato)
2- FEON'NY FAMONJENA (FPVM Avaratsena)
3- GOSTA Tanjombato
4- GRACE CHOIR (Assemblée de Dieu Itaosy)
5- Groupe de LOUANGE JEROSALEMA (Vahao ny Oloko Ankaraobato)
6- MALAGASY CHOIR (FPVM Andranonahoatra)
7- SEDERAN'I LIBANONA (FPVM Tanjombato)
8- VOIX DE LA LOUANGE (VIF Iavoloha)

🔸CATEGORIE OPEN:
1- AEA Ambohimamory (EKAR Ambohimamory)
2- AMPIBA (FPVM Ankaraobato)
3- APAL (EKAR Bemasoandro)
4- APP (FJKM Ifarihy)
5- CHOEUR D'HOMME (FLM Tanjombato)
6- Groupe ANTSAN'NY FANANTENANA
7- VOIX D'ANGE (FPVM Ankaraobato)
8- ZANAK'I ZIONA (FJKM Ambaniala)

TOHANO NY CHORALE-NAO
TOHANO NY FIANGONANAO
FIDIO IZAY MENDRIKA INDRINDRA
TONGAVA MARO - TSY MISY VIDIM-PIDIRANA

Samia maneho ny tsara indrindra hoan'Andriamanitra


ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITIONATELIER - COACHING🔸Tsy ny fifaninanana hamoaka mpandresy no tanjona fa kosa ny hanamp...
13/12/2022

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION
ATELIER - COACHING

🔸Tsy ny fifaninanana hamoaka mpandresy no tanjona fa kosa ny hanampy ny tsirairay hihatsara sy hampivoatra ny sehatry ny Fiderana eto anivon'ny Distrikan'Atsimondrano araka ny Vina izay nozarain'ny Député Andry Ratsivahiny.

Tontosa ny Alahady 11 Desambra lasa teo ny ATRIKASA Fampianarana sy Fifanakalozana niarahan'ny mpifaninana hiatrika ny ULTIME FINALE sy ny COACH.

🔸Nahazo anjara tamin'izany ihany koa ireo mpandray anjara efa raraka tao amin'ny TOUR 1.

🔸Isaorana hatrany ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina manolotra ny Efitrano Gisèle Rabesahala ao amin'ny Tranombokim-pirenena.
🔸Isaorana manokana ny Coach Fidy Rabearisoa sy Coach Tahinavibe Ramahefason nifampizara tamin'ireo mpidera eto anivon'ny Distrikan'Atsimondrano.

Samia manome ny tsara indrindra ho Voninahitr'Andriamanitra.


05/12/2022

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION
Toy izao no Naoty isa-tsokajy an'ireo niatrika ny "TOUR 2"/DEMI-FINAL natao ny 04 Décembre tao @ Grand-Amphi ISTS MANDRIMENA.
🔸Marihana fa mitovy ny maso-tsivana hitsarana ny rehetra
🔸Ny naoty nomen'ny mpitsara dia atao hanosika antsika hanatsara izay efa vita, samia manao ezaka bebe kokoa

ℹ️ Tapaka taorian'ny fandinihan'ny mpikarakara sy ny fakana ny hevitry ny mpitsara fa noho ny fisian'ny tsy fahatomombanana kely ara-teknika tany am-panombohana izay tsy nisy fiantraikany mihitsy tamin'ny lafiny fitsarana fa kosa tsapa fa niteraka fahatarana sy nitaky faharetana tamin'ny mpandray anjara rehetra, dia hiatrika ny "ULTIME FINALE" avokoa ireo 8 isa-tsokajy. Marihina etoana anefa fa ny Naoty voarain'ny tsirairay dia atambatra amin'ny Naoty amin'ny FINALE miampy ny Voting Public.

Samy nanome Voninahitra an'Andriamanitra avokoa ny rehetra.


21/11/2022

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION
Toy izao no Naoty isa-tsokajy an'ireo niatrika ny "TOUR 1" natao ny 20 Novembre tao @ Salle d'oeuvre EKAR Saint Michel ITAOSY.
🔸Marihana fa mitovy ny maso-tsivana hitsarana ny rehetra
🔸Ny naoty nomen'ny mpitsara dia atao hanosika antsika hanatsara izay efa vita, samia manao ezaka bebe kokoa
🔸Ny toromarika hoan'ny tarika tsirairay dia haroso ao amin'ny Commentaires mba ahafahan'ny tsirairay mandroso miatsara hatrany.
Samy nanome Voninahitra an'Andriamanitra avokoa ny rehetra.


08/11/2022

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION
Miroso sahady amin'ny Dingana Fifanintsanana isika izao, "PHASE FINALE"

"TOUR 1" no dingana voalohany amin'izany:
🔸16 voalohany ao amin'ny Sokajy 1 "GOSPEL"sisa no mifaninana
🔸16 voalohany ao amin'ny Sokajy 2 "OPEN" sisa no mifaninana
🔸An-kitsapaka no hisafidianana ny hira hifaninanana manomboka eto, samia mivonona

Ny Alarobia 09 Novembre @ 02:30 ao @ Tranombokim-pirenena Efitrano Gisèle Rabesahala no fotoana.



07/11/2022

ATSIMONDRANO GOSPELSONG COMPETITION
Ireto manaraka ireto no lisitr'ireo tafiakatra Dingana Fifanintsanana
"TOUR 1" isan-tsokajy
🔸Ny moyenne tamin'ny Naoty Audition 1 sy Audition 2 no nahazoana ny filaharan'ny mpifaninana
🔸Marihana fa samy niezaka avokoa ny rehetra ary amporisihina mba hanohy hanao ny tsara sy mendrika hatrany ho voninahitr'Andriamanitra!
🔸Ireo rehetra tafiakatra dia asaina mba hotonga hanatrika ny fivoriana fanaovana ankitsapaka ny hira atao amin'ny "TOUR 1" sy fampahafantarana ny lamina amin'izany
(Alarobia 09 Novambra manomboka @02:30 ao amin'ny Tranombokim-pirenena Efitrano Gisèle RABESAHALA )


Address

Atsimondrano
Antananarivo

Opening Hours

Monday 08:00 - 18:00
Tuesday 08:00 - 18:00
Wednesday 08:00 - 18:00
Thursday 08:00 - 18:00
Friday 08:00 - 18:00
Saturday 08:00 - 00:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Atsimondrano Gospel Song Competition posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share