FJKM, Fitandremana Avaratr’Andohalo

FJKM, Fitandremana Avaratr’Andohalo « Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô » (Salamo 93:5b)

⛅️MOFONAINA TALATA 08 SEPTAMBRA 2026⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO ✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨📖 1 ...
08/09/2026

⛅️MOFONAINA TALATA 08 SEPTAMBRA 2026

⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO

✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨

📖 1 Tim 4, 1 - 10 📖

Fa ny Fanahy milaza marina fa amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia, 2 amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, 3 izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina, izay nataon’Andriamanitra ho an’izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin’ny fisaorana. 4 Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ny fisaorana, 5 satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana izany. 6 Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’izany zavatra izany hianao, dia ho mpanompo tsara an’i Kristy Jesoa, tezaina amin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao. 7 Fa ny anganongano ratsy fanaom-bavy antitra dia lavo, ka mampiasà ny tenanao ho amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. 8 Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra no mahasoa amin’ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa. 9 Mahatoky izao teny izao ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra. 10 Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.

🙏 ℜ𝔞𝔶 𝔐𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔬 , 𝔪𝔞𝔫𝔞𝔪𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔞𝔫𝔞𝔶 𝔞𝔪𝔦𝔫'𝔫𝔶 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞, 𝔫𝔶 𝔗𝔢𝔫𝔦𝔫𝔞𝔬 𝔫𝔬 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞. 𝔄𝔪𝔢𝔫𝔞

⛅️MOFONAINA ALATSINAINY 06 SEPTAMBRA 2026⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO ✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ...
07/09/2026

⛅️MOFONAINA ALATSINAINY 06 SEPTAMBRA 2026

⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO

✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨

📖 Mar 11, 20 - 25 📖

Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fakany ilay aviavy. 21Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao. 22Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’Andriamanitra. 23Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany. 24Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany. 25Ary raha mitsangana mivavaka hianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.

🙏 ℜ𝔞𝔶 𝔐𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔬 , 𝔪𝔞𝔫𝔞𝔪𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔞𝔫𝔞𝔶 𝔞𝔪𝔦𝔫'𝔫𝔶 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞, 𝔫𝔶 𝔗𝔢𝔫𝔦𝔫𝔞𝔬 𝔫𝔬 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞. 𝔄𝔪𝔢𝔫𝔞

06/09/2026

Famintinana toriteny Alahady 07 Septembre 2026
🙏🏼Meteza hiasa amin'ny finoana🙏🏼
📃I Sam 17, 45-47📃
Ny Hebreo dia mampahatsiahy antsika fa Ny finoana dia fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina.
Rehefa miaraka amin'Andriamanitra enao dia tsy maintsy mino fa miaraka aminao Izy, mijery anao Izy ary mamaly vavaka anao Izy.
Amin'Andriamanitra dia ny finoana no mande aloha, ny finoana aloa izay vao ny fanasitranana, ny finoana aloa izay vao fahombiazana
Ny hafatra hoantsika hanamafisana izany finoana izany dia ny tantaran'i Davida
Ny tantaran'i Davida no mampahatsiaro antsika fa ny zava-dehibe tamin'ny Davida dia Andriamanitra no momba azy sy fahatokiany fa hitantana azy indrindra eo anoloan'ny ady izay atrehiny.
Eo anoloan'ny ady izay hatrehiny ny zavatra nataon'i Davida dia :
🤎1. Ny anaran'Andriamanitra no nentiny niady. And 45 Rehefa ny anaran'Andriamanitra no entinao miadydia Andriamanitra no miady ho anao. Andriamanitra no tokony antsoina voalohany. Ny finoana ananantsika no mapmahatsiahy antsika fa Andriamanitra aloha vao ny vahaolana ny and47.
❤️2. Apetraho amin'Andriamanitra ny ady hatrehanao. Avelao Andriamanitra hiasa, haneho ny heriny. An'Andriamanitra io ady hatrehanao io ary Andriamanitra no hiady ho anao.
💚3. Eo an-tanan'Andriamanitra ihany n'y fandresena. Apetraho eo an-tanan'Andriamanitra ny adinao. Ankino amin'Andriamanitra ny fiainanao, ny ady hatrehanao Sal 37,5. Eo an-tanan'Andriamanitra ihany no ahazoana fandresena. Ny fandresena izay enti-mandresy dia ny finoana.
🌟Tano ny finoana, ento ny anaran'Andriamanitra fa eo an-tanany ihany ny fandresena. 🌟

⛅️MOFONAINA SABOTSY 05 SEPTAMBRA 2026⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO ✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨📖 S...
05/09/2026

⛅️MOFONAINA SABOTSY 05 SEPTAMBRA 2026

⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO

✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨

📖 Sal 127, 1-5 📖

Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, dia miari-tory foana ny mpiambina.
2Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana; izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany, na dia matory aza izy. 3Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro; tamby ny ateraky ny kibo. 4Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery ny zanaky ny fahatanorana.
5Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tispìkany amin’ireny; tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.

🙏 ℜ𝔞𝔶 𝔐𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔬 , 𝔪𝔞𝔫𝔞𝔪𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔞𝔫𝔞𝔶 𝔞𝔪𝔦𝔫'𝔫𝔶 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞, 𝔫𝔶 𝔗𝔢𝔫𝔦𝔫𝔞𝔬 𝔫𝔬 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞. 𝔄𝔪𝔢𝔫𝔞

⛅️MOFONAINA ZOMA 04 SEPTAMBRA 2026⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO ✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨📖 2 Ko...
04/09/2026

⛅️MOFONAINA ZOMA 04 SEPTAMBRA 2026

⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO

✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨

📖 2 Kor 4, 7-18 📖

Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay. 8Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; 9enjehina, nefa tsy nafoy; potraka, nefa tsy maty; 10mitondra ny fahafatesan’ i Jesoa mandrakariva ao amin’ny tena izahay, mba haseho ao amin’ny tenanay koa ny fiainan’i Jesoa. 11Fa izahay izay velona dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa, mba haseho ao amin’ny nofonay mety maty koa ny fiainan’i Jesoa. 12Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13Ary satria manana izany fanahin’ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: ,,Nino aho, ka dia niteny’’ (Sal. 116.10), dia mino koa izahay ka miteny; 14fa fantatray fa Izay nanangana an’i Jesoa Tompo no hanangana anay koa miaraka amin’i Jesoa ka hanolotra anay miaraka aminareo. 15Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ny fisaorana ho voninahitr’Andriamanitra noho ny fitombon’ny fahasoavana amin’ny maro. 16Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan-andro isan-andro kosa ny toetray anatiny. 17Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay, 18raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.

🙏 ℜ𝔞𝔶 𝔐𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔬 , 𝔪𝔞𝔫𝔞𝔪𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔞𝔫𝔞𝔶 𝔞𝔪𝔦𝔫'𝔫𝔶 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞, 𝔫𝔶 𝔗𝔢𝔫𝔦𝔫𝔞𝔬 𝔫𝔬 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞. 𝔄𝔪𝔢𝔫𝔞

⛅️MOFONAINA ALAKAMISY 03 SEPTAMBRA 2026⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO ✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨📖...
03/09/2026

⛅️MOFONAINA ALAKAMISY 03 SEPTAMBRA 2026

⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO

✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨

📖 Jao 11, 25-37 📖

Hoy Jesoa taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. 26Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao? 27Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’izao tontolo izao.
28Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an’i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao. 29Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy. 30Fa Jesoa tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin’ilay nitsenan’i Marta Azy ihany. 31Ary ny Jiosy izay tao amin’i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin’ny fasana hitomany any izy. 32Ary Maria, rehefa tonga teo amin’izay nitoeran’i Jesoa ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko. 33Ary Jesoa nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka toran-kovitra Izy; 34ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha. 35Jesoa nitomany. 36Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ny fitiavany azy! 37Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’Ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?

🙏 ℜ𝔞𝔶 𝔐𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔬 , 𝔪𝔞𝔫𝔞𝔪𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔞𝔫𝔞𝔶 𝔞𝔪𝔦𝔫'𝔫𝔶 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞, 𝔫𝔶 𝔗𝔢𝔫𝔦𝔫𝔞𝔬 𝔫𝔬 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞. 𝔄𝔪𝔢𝔫𝔞

⛅️MOFONAINA ALAROBIA 02 SEPTAMBRA 2026⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO ✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨📖 ...
02/09/2026

⛅️MOFONAINA ALAROBIA 02 SEPTAMBRA 2026

⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO

✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨

📖 Gen 6, 9-22 📖

Ary izao no tantaran’i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa. 10Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy, dia Sema sy Hama ary Jafeta. 11Ary simba ny tany teo anatrehan’Andriamanitra sady heni-doza; 12dia hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany. 13Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noa: Ny faran’ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ny olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ny tany Aho. 14Koa, manaova sambo-fiara ho anao amin’ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. 15Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan’ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony. 16Ary hasianao fidiran’ny mazava ny sambo-fiara, ary amin’ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao vara-varana ny rindrin’ny sambo-fiara; hataonao efitra telo mifanongoa izy. 17Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin’ny tany handringana ny nofo rehetra izay manampofonaina ambanin’ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin’ny tany. 18Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin’ny sambo-fiara hianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin’ny vinantonao-vavy miaraka aminao. 19Ary ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin’ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. 20Ny vorona, samy araka ny karazany avy, ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina. 21Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angony ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an’ireo koa izany. 22Dia nataon’i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony.

🙏 ℜ𝔞𝔶 𝔐𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔬 , 𝔪𝔞𝔫𝔞𝔪𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔞𝔫𝔞𝔶 𝔞𝔪𝔦𝔫'𝔫𝔶 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞, 𝔫𝔶 𝔗𝔢𝔫𝔦𝔫𝔞𝔬 𝔫𝔬 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞. 𝔄𝔪𝔢𝔫𝔞

🌿🙏Misaotra ny Tompo isika nomeny volana vaovao. Andeha hamakivaky ny volana Septambra am-pinoana indray isika tsy noho n...
01/09/2026

🌿🙏Misaotra ny Tompo isika nomeny volana vaovao. Andeha hamakivaky ny volana Septambra am-pinoana indray isika tsy noho ny fahalalantsika izay mety hitranga na ny ho entin’izany volana izany fa noho isika mahalala Ilay mitantana ny hoavintsika.💝🕊 Koa raha hamakivaky ity volana vaovao ity indray isika dia tsarovy mandrakariva fa mbola miasa hahasoa anao foana Andriamanitra, na dia eo aza ireo zavatra tsy mbola hitantsika maso, ary matokia Azy fa manana ny fotoanany Izy ny amin’ny ireo vavaka mbola tsy nivaly, ireo mba nofinofinao, ireo zavatra efa ela niandrasantsika tamim-paharetana. Tsy voatery mahafantatra ny fotoana marina isika ; Ny takiana amintsika dia ny matoky an’Andriamanitra Ilay mahalala izany. Satria rehefa tonga ny fotoana mety, dia hotanterahin’ny Tompo izany.🙏🙏

"Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany." Isaia 60,22b

⛅️MOFONAINA TALATA 01 SEPTAMBRA 2026⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO ✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨📖 1 ...
01/09/2026

⛅️MOFONAINA TALATA 01 SEPTAMBRA 2026

⛪ATOLOTRY NY FITANDREMANA FJKM AVARATR'ANDOHALO

✨ METEZA HIASA AMIN'NY FINOANA ✨

📖 1 Kor 3, 1-9 📖

Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy, fa tahaka ny amin’izay mbola nofo, dia tahaka izay mbola zaza ihany ao amin’i Kristy. 2Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka hianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza, 3fa mbola araka ny nofo ihany hianareo. Fa raha misy fialonana sy fifandirana eo aminareo, tsy araka ny nofo va hianareo ka mandeha araka ny fanaon’ny olona? 4Fa raha hoy ny anankiray: Izaho an’ Paoly, ary ny anankiray kosa: Izaho an’i Apolosy, moa tsy olona ihany va hianareo? 5Koa inona moa Apolosy, ary inona moa Paoly? Mpanompo ihany izay nahatonga anareo ho mpino ireo, dia samy araka ny nomen’ny Tompo azy avy. 6Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. 7Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy. 8Ary iray ihany ny mpamboly sy ny mpandena; nefa samy handray izay valim-pitiany avy araka ny fisasarany izy. 9Fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay; ary sahan’Andriamanitra sy trano arafitr’Andriamanitra hianareo.

🙏 ℜ𝔞𝔶 𝔐𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔬 , 𝔪𝔞𝔫𝔞𝔪𝔞𝔰𝔦𝔫𝔞 𝔞𝔫𝔞𝔶 𝔞𝔪𝔦𝔫'𝔫𝔶 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞, 𝔫𝔶 𝔗𝔢𝔫𝔦𝔫𝔞𝔬 𝔫𝔬 𝔣𝔞𝔥𝔞𝔪𝔞𝔯𝔦𝔫𝔞𝔫𝔞. 𝔄𝔪𝔢𝔫𝔞

Address

Andohalo
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM, Fitandremana Avaratr’Andohalo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to FJKM, Fitandremana Avaratr’Andohalo:

Shortcuts

Share