19/06/2023
Miarahaba antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy.
Manoloana ny fahalasan'i Ramatoa Raharimalala Bernadette, Katekista teto amintsika dia manomana fiara ny fiangonana ny amin'ny fandevenana izay atao amin'ny Alarobia 21 Jona ho avy izao.
🔴 Ny fiaingana dia eto amin'ny FLM Tsarafaritra Tsimbazaza amin'ny 07 ora maraina ka mihazo ny FLM Ambatovinaky;
🔴 Rehefa vita ny fotoam-pivavahana fankasitrahana an'Andriamanitra dia mihazo ny toerana hametrahana azy farany ireo rehetra izay nisoratra anarana tamin'ny fiara ka miala avy eo Ambatovinaky.
🔴 Saran-dalana : 7000ar mandroso sy miverina.
🔴 Iangaviana ireo rehetra izay te hisoratra anarana sy mitady fanazavana fanampiny mba hiantso ny laharana 034 09 342 24 (Ntoa Claudia).
Tahian'i Jesosy.