22/05/2026
ANIO, zoma 22 may 2026
MIASA AO AMIN'NY MINO NY FANAHY MASINA
🥖📜I Mpanjaka 3, 26-28
26 Fa niteny tamin'ny mpanjaka ravehivavy, renin'ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin'ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy Ă´, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy. 27 Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny.
28 Ary raha ren'ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon'ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren'Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.
Amena !
NY FAHENDRENA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA
1- MAMPAHAFANTATRA NY MARINA
Ny Fanahin'Andriamanitra nitoetra tao amin'i Solomona no nahafahany nitsara marina. Na dia tsy nahita izay zavatra nitranga teo amin'ireto vehivavy niady zaza ireto aza izy dia hainy ny nitsara izany araka ny rariny sy ny fahamarinana. Notoloran'Andriamanitra saina
ny mpanjaka. Nino izy fa tsy hahatanty hamonoana Ilay zaza izay tena reniny. Ny olona iasan'ny Fanahy Masina dia manana fahendrena ka mahalala ny marina rehetra, eny fa na dia ny zava-miafina aza. Tsy hisy afaka hamitaka azy satria manome tolo-tsaina azy ny Fanahy Masina .
➡️ Aoka isika hangataka mba ho heniky ny Fanahy Masina mpanome hery , mpitari-dalana, mpanolo-tsaina,... mba tsy ho azon'ny olona fitahina.
2- MITONDRA VAHAOLANA
Nampitolagaga ny vahoaka sy ny firenena hafa ity fahaizan'ny Mpanjaka ity mitsara. Tsapan'ny olona fa misy fahendren'Andriamanitra tokoa ao anatiny. Fanahy mahay manavaka, mitondra ho amin'ny fahamarinana. Sambatra ny firenena raha toy izany ny toe-panahin'ny mpitondra rehetra: hanjaka ny fahamarinana, ho voahaja ny rariny sy ny hitsiny, satria misy fahatahorana an'Andriamanitra ao anatiny. Teto dia tsy vitan'ny na-
natahotra ny mpanjaka ny olona fa niaiky ny fananany fahendrena avy amin'ny Tompo.
➡️Ny Fanahy Masina dia manome zava-tsoa maro ho antsika, aoka izany hoentina hanaovana soa, hitondrana vahaolana ho an'ny hafa.
Tsarovy fa Izy no hampiteny sy hanolo-tsaina eo anatrehan'ny zava-tsarotra.
Amen.
Nirina Jarnys, Mpitandrina