RENY MITIA

RENY MITIA Fihaonan'ny reny mivavaka ho an'ny zanany sy ny sekolin'izy ireo

Reny Mitia Ambohitantely!Vavaka ho an'ny zanaka no nankalazana ny andro fiakaranaVelona Jesoa Kristy ary mitoetra eo an-...
21/05/2020

Reny Mitia Ambohitantely!
Vavaka ho an'ny zanaka no nankalazana ny andro fiakarana
Velona Jesoa Kristy ary mitoetra eo an-kavanan'ny Ray mandra-pihaviny haka ny zanany.Haleloia!

08/01/2020

Aidino tahaka ny rano eo anatrehan'ny Tompo ny fonao! Asandrato Aminy ny tananao hifona ho an' ny ain'ny zanakao madinika. Fitomaniana 2:19b

RY RENY MALALA O!Tianao ve ny zanakao?Maniry ny hiadanan'izy ireo ve ianao?Aiza no hiantorahantsika sy hitadivantsika vo...
08/01/2020

RY RENY MALALA O!

Tianao ve ny zanakao?
Maniry ny hiadanan'izy ireo ve ianao?
Aiza no hiantorahantsika sy hitadivantsika vonjy ao anatin'izao tontolo izao manintona ary misarika ny fon'ny zanantsika ka mitady handavo azy?

Ny RENY MITIA no afaka mamaly izany!
Mihaona indray mandeha isan-kerinandro izahay, mivavaka ho an'ny zanakay sy ny sekoly ianaran'izy ireo.

Ao amin'Andriamanitra irery ihany amin'ny alalan'ny fiombonam-po sy fiarahana mivavaka no itondranay ny vesatra sy ny zava-manahirana anay.
Ny Tenin'Andriamanitra no fitaovana tsara indrindra omeny antsika hitondrana am-bavaka ireo zanantsika sy ny sekoly misy azy ireo.
Hery lehibe ho anay ny fahatsanay fa tsy irery izahay manana namana, reny mahatoky, miray fo aminay.
Manasa anao ary izahay hiaraka hanatevina anay ato anatin'ny saha mahafinaritra ity, hiaraka hivavaka ho an'ny zanatsika.
Mino aho fa hahazo hery koa ianao amin'izao fiarahana mivavaka izao.

Am-pitivana sy ao am-po miray,
Faramalala ANDRIAMANJATO
Mpandrindra Nasionaly

Address

Ambatobe
Antananarivo
101

Telephone

+261340351024

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when RENY MITIA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Place Of Worship

Send a message to RENY MITIA:

Share