FJKM Iombivato Fehizoro

FJKM Iombivato Fehizoro Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FJKM Iombivato Fehizoro, Christian church, Antananarivo.

17/08/2022

"... Fa taranak'izay notahian'i Jehovah ireo ..." Amen!
Isaorana ny Tompo fa tontosa soa aman-tsara ny fanompoam-pivavahana noho ny Fetin'ny taranaka ny Alahady 14 Aogositra teo. Isaorana ny taranaka rehetra tonga niara-niombom-bavaka tamin'izany.
An'Andriamanitra irery ny voninahitra, Amen!
Hoy ny Tompo amintsika taranak'Iombivato: "Fiadanana anie ho ao amin'ireo mandanao, fanambinana anie ho ao amin'ireo lapanao" Sal. 122.7. Amen!

05/08/2022

"Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona firenena masina ..." I Petera 2: 9 a.
Manasa am-pifaliana antsika rehetra taranaky ny Fiangonana IOMBIVATO FEHIZORO hiara-hidera sy hankalaza ary hanome voninahitra an'Andriamanitra noho ny Fetin'ny taranaka 2022 ny Alahady 14 Aogositra 2022. Manomboka amin'ny 9 ora sy sasany ny fotoana. Hisy ny fanatitra isan-taranaka, fizarana certificat hoan'ny nahazo diplaomam-panjakana rehetra ary faranana amin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo ny fotoana.
Aoka hifampilaza.
"Miorena tsara, aza miova" ary "Tano mafy ny finoana" Amen!
An'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen!

18/07/2022

"Miorena tsara, aza miova"
Isaorana ny Tompo fa vita soa ny "isan-keritaonan'ny Synodamparitany Afovoany Andrefana" tany amin'ny FJKM Mahabo Antongona, ny 13 - 15 Jolay 2022 lasa teo, ary dia afaka niatrika soamantsara izany isika Fiangonana FJKM Iombivato Fehizoro. Isaorantsika Azy koa fa voaefa ny adidy 2022 sy ny adidin'ny Ivontoeran'ny Synodamparitany. Deraina Jesoa!
Hafatra hoantsika mpianakavin'ny finoana: Salamo 60:12 " Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika" Amen!
An'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen!

12/07/2022

"Misaora an'i Jehovah ry fanahiko, ary izay rehetra ato anatiko misaora ny anarany Masina ..." Amen!
"Fa ny marina mifaly, eny, ravoravo eo anatrehan' Andriamanitra izy ka faly" Sal. 68:3
Isaorana ny Tompo fa vita soa ny fiderana sy ny fankalazana ary ny fanomezam-boninahitra Azy noho ny Voka-dehibe 2022 ny Alahady 10 Jolay teo.
Isaorana ny mpianakavin'ny finoana rehetra: Renifiangonana sy Zanaka ampielezana niara-niombona sy nifanotrona tamin'ny fanompoana ho voninahitr' Andriamanitra. Ankasitrahana indrindra ny zavatsoa (vokatra, fanatitra) ho fanohanana ny asan'ny Fiangonana sy ho fampandrosoana ny asa fitoriana ny Filazantsara. Hoy ny Tompo: "... fa hisy valim-pitia tokoa ny ataonareo." II Tant. 15:17b.
An' Andriamanitra irery ihany ny voninahitra, Amen!

02/07/2022

IORENANA AMIN'NY FINOANA NY FANOMPOANA
"Fa maty ny tena raha tsy misy fanahy, ary toy izany koa raha tsy misy asa" Jak. 2:26
VOKA-DEHIBE 2022
Alahady 10 Jolay 2022 amin'ny 9 ora sy sasany
Hanasana antsika renifiangonana sy zanaka ampielezana.
"Miorena tsara aza miova"

FIANGONAN'I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARASYNODAMPARITANY AFOVOANY ANDREFANAFITANDREMANA IOMBIVATO FEHIZORO"Miorena tsara...
15/06/2022

FIANGONAN'I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
SYNODAMPARITANY AFOVOANY ANDREFANA
FITANDREMANA IOMBIVATO FEHIZORO
"Miorena tsara, aza miova." I Kor. 15, 58
Ry Fiangonana IOMBIVATO FEHIZORO,
Renifiangonana sy Zanaka ampielezana mielimpatrana manerana ny Nosy: tonga ity ny fanaterana VOKA-DEHIBE 2022 izay hotanterahana ny Alahady 10 Jolay 2022. Amin'ny 09 ora sy sasany ny fidirana ary arahina Fandraisana Fanasan'ny Tompo.
Hisy lavantim-bokatra sy fiaraha-misakafo.
Manasa am-pifaliana antsika Zanaka ampielezana ary ho tonga hifanotrona amin'ny Renifiangonana hiara-hisaotra sy hidera ary hanome voninahitra an'Andriamanitra noho ny Voka-dehibe 2022.
"... ka miray fo miara miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara." Filp. 1:27

12/01/2022

Address

Antananarivo
104

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Iombivato Fehizoro posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share