11/09/2026
𝐃𝐞́𝐜𝐥𝐚𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐮 𝐏𝐫𝐞́𝐬𝐢𝐝𝐞𝐧𝐭 𝐝𝐞 𝐥’𝐔𝐧𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐥’𝐨𝐜𝐞́𝐚𝐧 𝐈𝐧𝐝𝐢𝐞𝐧
𝐏𝐚𝐬𝐭𝐞𝐮𝐫 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚𝐞𝐥 𝐁𝐢𝐣𝐨𝐮𝐱
𝟏𝟏 𝐬𝐞𝐩𝐭𝐞𝐦𝐛𝐫𝐞 𝟐𝟎𝟐𝟔
𝐅𝐚𝐧𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐯𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧𝐚𝐦𝐛𝐞 𝐑𝐚𝐧𝐨𝐦𝐬𝐢𝐦𝐛𝐞 𝐈𝐧𝐝𝐢𝐚𝐧𝐚
𝐍𝐲 𝐌𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚𝐞𝐥 𝐁𝐢𝐣𝐨𝐮𝐱
𝟏𝟏 𝐒𝐞𝐩𝐭𝐞𝐦𝐛𝐫𝐞 𝟐𝟎𝟐𝟔
Miarahaba antsika rehetra
Miarahaba anareo rehetra ny tenako, ry rahalahy sy anabavy malala ato amin'ny Fivondronamben’ny Ranomasimbe Indiana, indrindra ianareo mambra monina manodidina ny Federasiona FMC .
Tao anatin'ny fotoana vitsivitsy lasa izay dia nahafantatra ity toe-draharaha momba ny fivarotana tany ity izahay, ary tianay ny hanao fanambarana ofisialy amin'izao fotoana izao, Satria eo anivon'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, rehefa miresaka momba ny fifampiraharahana mahakasika ny fananantsika—indrindra fa ny resaka tany izay an'ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, ary amin'ity tranga ity, eto Madagasikara—dia tsy maintsy misy lamina arahina amin'ireny fifampiraharahana ireny.
Tsy raharaha an'ny olon-tokana izany, fa ho an'ny mambra rehetra, na amin'ny alalan'ny fivoriambe fiheveran-draharaha na amin'ny alalan'ny komity izay mifampidinika amin'ny rafitra antanan-tohatra eo ambony, dia ny Fivondronambe izany. Tsy narahina anefa izany fandaminana izany.
Tianay ny hampahafantatra anareo fa tsy nanome alalana ireo fifanarahana ireo izahay, ary mikasa ny handray ny fepetra rehetra ilaina mba hahazoana antoka ny hisian'ny filaminana ato anatin'ny fiangonana mikasika ireo raharaha ireo.
Faharoa, tianay ny manantitrantitra fa raha misy zavatra na tranga mipoitra, dia mila mitandrina fatratra isika mba tsy hanao fanambarana na ranty (publications) etsy sy eroa , ary indrindra indrindra, tsy hitarika amin'ny fifampihantsiana amin’ny herisetra. Izany hoe, tokony atrehintsika amin'ny toe-tsaina Kristiana ny raharaha, amin'ny alalan'ny vavaka, ny fanajana ary koa amin'ny alalan'ny fifampidinihana.
Fahatelo, tiako koa ny manamarika fa amin'izao fotoana izao dia mila mifanohana isika mba tsy hahatonga antsika ho amin'ny fihetanam-po sy fihetsiketsehana, fa kosa hitodika amin'ny vavaka sy fifampaherezana.
Manome toky anareo aho, ry rahalahy sy anabavy malala, fa hahita vahaolana isika. Tsy hoe tsy miraika na tsy manao na inona na inona izahay, araka izay mety noheverin'ny maro hatreto hoe tsy miraharaha ny Fivondronambe. Sanatria. Efa nataonay ny adidy tamin'ny fifampidinihana tamin'ireo rafitra antanan-tohatra eo ambony mba hangataka ny torohevitr'izy ireo momba ny fomba hirosoana. Ary mazava ho azy fa mieritreritra ny hampiantso fivoriambe fiheveran-draharaha tsy ara-potoana izahay mba hanomezana fahafahana ny mambran'ny fiangonana handray fanapahan-kevitra momba ity toe-draharaha ity. Arak’izany, tiako ny hisarika ny sainareo amin'ireo fitsipika ara-Baiboly. Tokony hikatsaka mandrakariva ny fifampidinihana isika, ary haneho faharetana sy fitoniana, ary hitazona ny filaminana ao anatin'ny fiangonantsika.
Tiako ny hivavaka miaraka aminareo mba hahafahantsika, mandritry ny andro ho avy, hanokana fotoana bebe kokoa hitadiavana an’i Jehovah dieny mbola hita Izy.
Andeha isika hiaraka hivavaka. Andriamanitra Rainay, te-hisaotra Anao izahay noho ny fanatrehanao amin'izao toe-javatra iainanay izao. Fotoan-tsarotra tokoa izany, kanefa matoky Anao izahay, satria amin'ny farany, dia Ianao no ho fandresenanay; Ianao no hanome fandresena anay amin'izay zavatra rehetra hitranga. Apetrako eo am-pelatananao ny toe-javatra mitranga amin'izao fotoana izao mikasika ny FMC, ary misaotra Anao aho satria fantatro fa hiditra an-tsehatra Ianao ary hitondra fiadanana amin'izao toe-javatra izao. Omeo anay ny fahasoavanao ary aoka hirotsaka amin'ny zanakao ny fitahianao rehetra. Amin'ny anaran'i Jesosy Mpamonjy anay. Amena.
Dikateny malalaka.