Te handre anao ny Tomponao

Te handre anao ny Tomponao Ity pejy ity dia natao hizarana fampaherezana ho anao.

14/11/2024
FAMPAHEREZANA HO ANAO Salamo 115 : 2b « Aiza izay Andriamaniny ? »             Matetika ny kristianina rehefa tojo olana...
11/12/2023

FAMPAHEREZANA HO ANAO

Salamo 115 : 2b « Aiza izay Andriamaniny ? »

Matetika ny kristianina rehefa tojo olana na zavatra sarotra, dia manaraby azy ny namany, na ny Havany manao hoe: Aiza ary izay Andriamanitrareo no tsy mitahy anareo?

Tsarovy nefa fa tsy mandao ny olony izany ANDRIAMANITRA fa eo foana Izy. Avelany hitranga ireny mba ho fitsapana sy fisedrana anao.

Ireto misy andalan-teny avy ao amin’ny Soratra Masina milaza izany:

1- SADY AO AMBONY NO ETY AMBANY MIARAKA AMINAO ANDRIAMANITRA:

Deotornomia 4:39.”Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.”

2- Eo aloha sy ao aoriananao Andriamanitra
Eksodosy 13:21“… fa Jéhovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.”

3- Manodidina anao Andriamanitra
Salamo 34: 7.”Ny Anjelin'i Jéhovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.”

4- Eo akaikinao Andriamanitra
Salamo 145:18. “ Jéhovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.”

5- Miaraka aminao hatrany Andriamanitra
Matio 28:20 “ …ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.”

6- Ao anatinao Andrimanitra
1 Korintiana 6:19 . “Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo.

Tsarovy ary fa eo foana Andriamanitra; eo aloha; ao afara, ambony, ambany, manodidiny, akaiky, ary ao anatintsika. Ny hany angathiny amintsia fotsiny dia ny fanarahana ny sitrapony, ny fanarahana izay lazainy ao anatin’ny soratra Masina.

Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy. Deotoronomia 31:6

Ny sambo tsirairay mamakivaky ny ranomasin’ny fiainana dia mila manana mpanamory avy any an-danitra miaraka aminy. Saing...
20/06/2023

Ny sambo tsirairay mamakivaky ny ranomasin’ny fiainana dia mila manana mpanamory avy any an-danitra miaraka aminy. Saingy rehefa tonga ny oram-baratra, na manambana ny tafiotra. dia maro no manosika ilay Mpanamory hiala ny sambo, ka mametraka ilay sambo eo an-tanan’olombelona voafetra, na miezaka mamily izany amin’ny herin’ny tenany. Loza no mitranga, ary matetika rendrika ny sambo vokatr’izany, dia ny Mpanamory avy eo no omen-tsiny ho nitarika azy ireo tamin’ny rano mampidi-doza. Aza miantehitra amin’ny fiarovan’olombelona, fa lazao hoe «Jehovah no mpamonjy ahy», hila saina Aminy aho, ho mpanatanteraka ny sitrapony aho. Tsy ho fitahiana ho anao ny tombontsoanao rehetra, na hahatonga anao ho fantsona mpitondra fahazavana ny fanabeazana ambony indrindra anananao, raha tsy miara-miasa amin’ny Fanahy Masina ianao. (...) Aoka ny mpianatra tsy hihevitra fa izay rehetra tolo-tsaina mandrisika azy hanohy ny fianarany dia tsy maintsy ho avy amin’Andriamanitra avokoa. Aoka hoentina eo amin’ny Tompo amim-bavaka ny toro-hevitra tsirairay, ka angataho mafy ny fitarihany – tsy indray mandeha, fa ataovy hatrany izany. Mitalahoa Aminy, mandra-pahatonga anao ho resy lahatra fa avy amin’Andriamanitra na avy amin’olombelona ilay torohevitra. Aza mahatoky olona (...). Miasà eo ambany fitarihan’Andriamanitra.

Mat. 8:27. « Lehilahy manao ahoana re io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy ! »

28/03/2023

Niatrika ireo fakam-panahy rehetra andalovantsika i Jesôsy saingy nivoaka ho mpandresy Izy. Fahavalo efa resy ny devoly .(…) Na izany aza, rehefa manaiky izay nataon’i Kristy ho antsika amin’ny alalan’ny finoana isika dia esorina ny trosam-pahotantsika ary voavela ny helotsika.(…) Rehefa manaiky an’i Jesôsy amin’ny alalan’ny finoana isika dia antsika ny fandreseny.

Finley

TSY HANDAO ANAO NA HAHAFOY ANAO IZYEfa nisy fotoana ve nahatsapanao ny tenanao ho toy ny eo anivon'ny ady mangotraka, ma...
02/09/2022

TSY HANDAO ANAO NA HAHAFOY ANAO IZY

Efa nisy fotoana ve nahatsapanao ny tenanao ho toy ny eo anivon'ny ady mangotraka, mahatsiaro ho resy, ary mitady ho kivy? Fisedrana anao avokoa ireny.

Ny zava_maniry tsy ilaina intsony no kapaina, fa rantsanina kosa izay tiana hamokatra be.

Tahaka izany koa isika. Mety ho hafa tanteraka amin' ny fihevitrao ny fihevitr' Andriamanitra mba hampitomboana ny ara_panahinao. Aza kivy manoloana ireo olana mitranga eo aminao.

Na sarotra sy maharary toy ny ahoana aza ny fitsapana mahazo anao dia tsy tokony ho hadinoinao fa "tsy handao anao na hahafoy anao Andriamanitra".

☆Te handre anao ny Tomponao☆

Rehefa navelan’ Andriamanitra hanaikitra ireo Israelita mpikomy ny menarana misy poizina tany an’efitra, dia nahazo baik...
15/08/2022

Rehefa navelan’ Andriamanitra hanaikitra ireo Israelita mpikomy ny menarana misy poizina tany an’efitra, dia nahazo baiko I Mosesy hanandratra menarana varahina sy hilaza amin’ireo maratra mba ho velona. Maro anefa no tsy nahita fanampiana avy amin’ity fanafody voatendrin’ny lanitra ity. Nanodidina azy ireo maty sy ireo ambavahaona,ary fantatr’izy ireo fa raha tsy misy ny fanampian’ Andriamanitra dia azo antoka ny loza hanjo azy. Saingy nilaozan’izy ireo nitomany noho ny ratrany, ny fanaintainany, ny fahafatesany azo antoka, mandra-pahalany ny heriny, ka nanjavozavo ny fahitany, kanefa azony natao ny nahazo fahasitranana eo no ho eo. (…)

Raha mahatsapa ianao fa nanota, dia aza mandany ny herinao amin’ny fitomaniana noho ny amin’izany, fa mijere, dia ho velona ianao(…)

Rehefa tsapantsika fa tsy mahefa na inona na inona isika raha tsy misy an’I Kristy, dia aoka tsy ho kivy; tsy maitsy miantehitra amin’Ilay Mpamonjy nohomboana sy nitsangana tamin’ny maty isika.

Ry fanahy mahantra, mararin’ny ota sy kivy, mijere, dia ho velona ianao. Efa nanome toky I Jesosy fa hamonjy izay rehetra manantona Azy__Finoana sy Asa t 33

Maro ny zavatra mampiasa ny sain'ny olona amin'izao fiainana efa miha sarotra izao, indrindra fa ireo kristianina dia ma...
12/08/2022

Maro ny zavatra mampiasa ny sain'ny olona amin'izao fiainana efa miha sarotra izao, indrindra fa ireo kristianina dia mandalo fotoam-pisedrana ankehitriny.

Tsy handao anao anefa ny Tompo raha tena mifikitra aminy marina ianao. Ary minoa fa ho mpandresy amin'ny farany.

Misy asa soratra iray ity entina ampaherezana anao:
"Handalo fotoanan'ny fahaverezan-kevitra mafy sy sedra ao amin'ny fiainam-pivavahany ireo izay hahazo fandresena amin'ny farany; nefa tsy tokony hanary toky izy ireo, fa taranja ao anatin'ny sekolin'i Kristy izany, ary tena ilaina hanadiovana izay tsyilaina rehetra.(...)
Kanefa tsy ho lavo an-dalana ianaoraha toa ka manohy mijery ambony, fa tsy ny fahorianao; hahita an'i Jesosy manolotra ny tanany hanampy anao ianao raha atolotrao Azy amin'ny fahatokiana tsotra ny tananao ary avelanao Izy hitarika anao. Rehefa matoky ianao dia ho feno finoana"._Boky Hafatra ho an'ny tanora tt 34,35

Ny tenin'ny soratra masina koa dia mbola eo hatrany manome fanantenana anao:
"Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany" __Jeremia 29:11

Mahareza daholo!!

💪"Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao"💪Nomery 6:24
28/07/2022

💪"Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao"💪
Nomery 6:24

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Te handre anao ny Tomponao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share