Fiangonana Advantista Lalam-by Ankasina

Fiangonana Advantista Lalam-by Ankasina Église Adventiste

FAMELABELARAN-KEVITRA ARA-TSORATRA MASINA LEHIBE ! Manasa anao sy ny ankohonanao hanatrika izao fianarana Baiboly manoka...
01/06/2026

FAMELABELARAN-KEVITRA ARA-TSORATRA MASINA LEHIBE !

Manasa anao sy ny ankohonanao hanatrika izao fianarana Baiboly manokana izao, izay hanamafy ny finoana sy hanampy antsika hiomana amin’ireo zava-mitranga ho avy.

📌 **Lohahevitra :**
**“Ho Avy Jesosy! Ilay Tsara Indrindra.”**

📅 **Daty :** 14 – 21 Jona
🕕 **Ora :** Isan-kariva amin’ny 6 ora ka hatramin’ny 7 ora hariva
⛪ **Toerana :** Fiangonana Advantista Lalam-by Ankasina
🎤 **Mpandaha-teny :** Loh Daniel

*"Indro Izy avy amin’ny rahona, ary ny maso rehetra hahita Azy."*
— **Apokalypsy 1:7**

Tongava maro! Ento ny ankohonana, taomy ny namana mba hiara-handalina ny Tenin’Andriamanitra sy handray ny hafatra sarobidy momba ny fiavian’i Jesosy Kristy.

🔹 **Tsy misy vidim-pidirana**

**Aza adino ny mizara ity fanasana ity mba hahafahan’ny maro mandray ny fitahian’Andriamanitra.**

**Aza adino ny mitondra am-bavaka izao asa izao.**

:7

23/05/2026

Ny finoana dia toy ny WiFi. Tsy hita maso izy, saingy manana hery mampifandray anao amin'izay ilainao.

Isaorana lehibe Andriamanitra tamin'ny fanatanterahana ny fotoana androany❤️vita soa sy tsara n'y voadyn'izy 12 mianadah...
09/05/2026

Isaorana lehibe Andriamanitra tamin'ny fanatanterahana ny fotoana androany❤️
vita soa sy tsara n'y voadyn'izy 12 mianadahy🥰izay notanterahana teto amin'ny Fiangonana Lalamby Ankasina
💓Isaorana ihany koa ireo chef sy cheftaine CDisan_tsokajy ny distrika 67 ha
💓misaotra n'y cheftaine rehetra koa tamin'ny fiaraha mitaiza ny tanoratsika
💓 misaotra ny fiangonana rehetra tamin'ny fitondrana ambavaka
ny hirariana dia tsy hiala amin'ny fikambanana J.A mandrampahatonga an'i Jesosy lay kampitenitsika
ary ho vonona hanantanteraka ny iaraka Zay napetraka tamitsika🥰

07/05/2026

Izaho tia an'i Jéhovah satria efa nanongilana n'y sofiny tamiko Izy
Dia hianatso aho Raha Mbola velona koa
sal 116:2

EBV Ankasina Lalamby ♥️ nahafinatitra ny fiarahana tamin'ireto anakizy ireto nandritra n'y herinandro 🥰🥰nandraisana leso...
10/04/2026

EBV Ankasina Lalamby ♥️ nahafinatitra ny fiarahana tamin'ireto anakizy ireto nandritra n'y herinandro 🥰🥰nandraisana lesona tamin'ny tantaran'i Elia Mpaminany
"Miahy sy mikarakara ahy n'y Andriamanitro"

Andro. Maneran-tany hoan'ny tanora, Global Youth Day 2026An-kafaliana tanteraka no nentina nankalazana azy. Asa sosialy,...
21/03/2026

Andro. Maneran-tany hoan'ny tanora, Global Youth Day 2026

An-kafaliana tanteraka no nentina nankalazana azy. Asa sosialy, fitsaboana maimaim-poana, hira fiderana.
Isaorana Andriamanitra, isaorana ny Ekipa rehetra. Any an-danitra mandray ny valin'asa

Miarahaba antsika rehetra. Aza adino ny  10 androm-bavaka iarahana amin'ny vahoaka  manerantany, manomboka ny alarobia 7...
05/01/2026

Miarahaba antsika rehetra. Aza adino ny 10 androm-bavaka iarahana amin'ny vahoaka manerantany, manomboka ny alarobia 7 Janoary @ sabata 17 Janoary 2026.

Izay mila boky PDF dia afaka manao téléchargement mivantana ato azafady indrindra. Miala tsiny amin'ny fahatarana fa tsy miconnect matetika

https://mega.nz/file/mEUDTL5b -09jdUwzP5Ao9bm7ZiwpfLswmQhd4wvb6RCMmQJM

https://mega.nz/file/PZVDVToR
Mirary soa

Mirary fanandramana mahafinaritra ho antsika rehetra

19/12/2025

Sambatra ny zanak'olombelona izay manao izany, ary ny zanak'olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory. — Isaia 56 : 2

18/12/2025

Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana. Ohabolana 14 : 27

17/12/2025

Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.

Joba 22 : 21

Address

Ankasina
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fiangonana Advantista Lalam-by Ankasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share