30/06/2023
IANAO ILAY ORY, IZAY TSY MANANA FAMPIONONANA
MAMPAHERY ANAO AHO
🔴Ny fihemorana sy ny fangatsiahana ara-panahy, hiverina hirehitra indray
🔴Ny fiainana ravan'ny fahantrana, olana, trosa, hiverina amin'ny laoniny ka hamiratra noho ny teo aloha✨
🔴Ny tokatrano ravan'ny devoly, aoka hanaiky hiasan'ny Fanahy Masina ka hiverina amin'ny filaminana sy fiadanana
🔴Ny fo efa potiky ny alahelo, ratra, fahadisoam-panantenana, aoka hanaiky honenan'i Jesosy mba hofenoiny ny fitiavany, ary hahazo fanamboarana, fanasitranana, fifaliana sy fiadanana❤️
🔴Hifanena amin'ny anjara voatendry ho anao amin'izay ianao amin'ny fiainam - pitiavanao, hanananao herijika hitombo, hiakatra, handroso, ahavita ny vinanao
🔴Ny fianarana, asa, ezaka, fari-piainana ravan'ny tsy fahombiazana, aoka tsy ho kivy fa hitohy handroso sy hino, mba ho entin'Andriamanitra amin'ny fisandratana sy fahombiazana avo indrindra✨
🔴Ny nofo, ny fanahy efa trotraky ny aretina, aoka hino sy handray fahasalamana avy amin'Ilay Tompon'ny fahasitranana🙏
🔴Na inona na inona faharavana eo amin'ny fiainanao, mijoroa, aoka hanaiky ho mpanangana ny rava ianao
🔴Atsangano indray ilay fiainam-panahy efa matimaty, atsangano ilay fanantenana efa foana, atsangano ilay hery efa nihena! 🔴Tohizo ny vavaka, tohizo ny fiainana amin'ny finoana sy fanantenana, fa Andriamanitra koa vonona hiasa ho anao!
🔴Aza kivy na milavo lefona, fa mbola misy azo antenaina tsara mihitsy ny aminao!
🔴Batery fiarovana anao sy élatr'i Jéhovah nanaronany anao tsy ho lasa hazan' ny fahavalo fotsiny io toerana misy anao io, fa tsy itoeranao mandrakizay akory
🔴tsy anisan'ilay ho rava izany ianao , fa ianao Hitsangana, hahery ary ho mpandresy✨
🔴 ary ho hitan'ny fahavalonao ny hanandratan'i Jesosy anao
📌"ka dia ho fantatry ny jentilisa sisa manodidina anareo fa Izaho Jehovah no manorina indray ny efa rava sy mamboly izay efa foana. Izaho Jehovah no niteny sady hahatanteraka izany.
— Ezekiela 36 : 36