Fizarana tenin'Andriamanitra

Fizarana tenin'Andriamanitra Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka. Deotoronomia 28 : 6

Abonnéz Vous🙏🏼
24/07/2024

Abonnéz Vous🙏🏼

(Joba 22 : 21)
19/06/2024

(Joba 22 : 21)

02/05/2024
Amen💗
01/03/2024

Amen💗

Ohabokana 3 : 5 - 6❤🙏🏻
23/01/2024

Ohabokana 3 : 5 - 6
❤🙏🏻

19/01/2024

Mofonaina anio
Zoma 19 Janoary 2024
II Petera 1 : 16 - 21

Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesoa Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany. Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Matio 17:5). Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay. Ary manana ny teny faminaniana atao mafy o***a kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro; fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. — II Petera 1 : 16 - 21

Mofonaina anioAlakamisy 18 Janoary 2024Deoteronomia 4 : 32 - 40Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatram...
18/01/2024

Mofonaina anio
Alakamisy 18 Janoary 2024
Deoteronomia 4 : 32 - 40

Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tety ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany. Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany? Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao? Ianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy. Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo. Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny lehibe, handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao. Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy ety amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy. Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay. — Deoteronomia 4 : 32 - 40

17/01/2024

Finaritra eh!
Mofonaina anio alarobia 17-01-24

Lioka 9:28-36
[28]Ary rehefa tokony ho havaloana taorian'izany teny izany, dia nitondra an'i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
[29]Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
[30]Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
[31]izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
[32]Ary efa navesatry ny tory ny mason'i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr'i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.
[33]Ary tamin'ny nisarahan'izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an'i Mosesy, ary ny anankiray ho an'i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
[34]Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin'ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
[35]Ary nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
[36]Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin'olona na dia iray akory aza tamin'izany andro izany ny amin'izay zavatra efa hitany.

16/01/2024

Salama tompoko
Manomboka rahampitso dia afaka mamaky mofonaina Isan'Andro eto Amin'ny page ianao

Address

Anosibe
Antananarivo

Telephone

+261348440341

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fizarana tenin'Andriamanitra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share