29/05/2021
“Ny famindrampon’i Jehovah no tsy mahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany ;lehibe ny fahamarinanao.
Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.” (Fitomaniana 3.22-24)
Tao anatin’ny vanim-potoana faran’izay mangidy no nisy
an’i Jeremia sy ny zanak’Israely teto – taona 586 talohan’i Jesosy Kristy - voadidon’ny Babyloniana ny tanà nan’i Jerosalema, izaynobaboina ; nalefa sesitany ny ankamaroan’ny jiosy nohon'ny fahotany sy ny fikomiany, araka izay efa nampitandreman’ny Tompo azy ireo mialoha.
Mivaingana ny zava-nisy :mitondra fahoriana ny fikomiana amin’ Andriamanitra !
Ho an’i Jeremia manokana, dia mbola nizà ka ny mafy indrindra koa izy ,satria nobantiana ary nenjehin’ireo mpiray tanindrazana aminy … jereo ange ny fitantarany ny zavatra niainany e! : “ noviraviraina aho” (and.11), “novokisany zava-mangidy” (and.15), “ny fahoriako, ny fanjenjenako” (and.19).
Na teo aza izany ady mafy nandalovan’i Jeremia izany, dia nifikitra hatrany tamin’Andriamanitra izy ;
Eto indrindra no ahazoantsika lesona sy fampaherezana lehibe :tsy niova ny fahatokiany nyTompo fa vao maika nihanà ka toerana aza izany. Hoy izy : “HanantenaAzyaho” (and.21)…nikiaka mihitsy izy hoe “Jehovah no anjarako” (and.24)
Ohatra sarobidy no omen’i Jeremia antsika :ao anatin’ny ady sarotra (valan’aretina, fivelomana tsizarizary…) mbola afaka mitoky amin’Andriamanitra isika ; marina fa teo ny tsy fahatanterahana, ny fahotà na, saingy tsy miova ny fitiavany : “vaovao isa-maraina ny famindrampony” (and.23)
Tany amin’ny hopitaly Village Voara nandritra ny fotoana lavalava izahay mivady, satria tratry ny covid ny vadiko…tsy afaka nivoaka ny hopitaly koa ny tenako, satria nisy ny fepetra napetraky ny tompon’andraikitra hoe tsy mahazo mivoaka, sao mamindra aretina…nahita isan’andro ny olona marary manodidina ary maty nohon'ny tsy fahampian’ny oxygène. Teo indrindra no nahità nay ny hasarobidin’ny fiankinana amin’ny Tompo : “Jesosy ô, mamindrà fo aminay!” .
Isaoranay nyTompo, fa sitrana soa aman-tsara ny vadiko ;ary na dia niatrika ady mafy aza izahay tao amin’ny hopitaly, dia afaka nitarika fivoriam-bavaka tao amin’ny Bloc nisy anay, isaky ny tamin’ny telo ora tolakandro… nitondrafampaherezana ho an’nyrehetrataoizany, teo raha teo ireo vaky vava namoaka ny fifaliany, vokatr’izany , hany ka lasa nisy firahalahiana be tao amin’ny Bloc nisy anay.
Manana izay fomba hitondrà ny ny tsirairay ny Tompo :tsy voatery hitovy izany, na izay fomba efa mahazatra antsika… Tsia ! “Tsy mitsahatra ny fiantrany” (And.22)
Hampahery antsika anie Izy ! … Ho Azy irery ny voninahitra !
Rakotolehibe Mamy