FJKM Rasalama Manjakaray Live direct

FJKM Rasalama Manjakaray Live direct Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FJKM Rasalama Manjakaray Live direct, Church, Antananarivo.

07/10/2024

"FA IZAY TANY MIFOKA NY RANONORANA MILATSAKA AMINY MATETIKA KA MANIRY ANANA TSARA HO AN'NY OLONA IASANA AZY DIA MAHAZO FITAHIANA AVY AMIN'ANDRIAMANITRA"
(Hebreo 6, 7)

30/09/2024

"FA NOHO NY FAHASOAVANA NOMENA AHY DIA IZAO NO LAZAIKO AMIN'NY OLONA REHETRA IZAY EO AMINAREO: AZA MIAVONAVON-KEVITRA KA MIHEVITRA MIHOATRA NOHO IZAY TOKONY HOHEVERINA; FA MIHEVERA IZAY ONONY ARAKA NY OHATRY NY FINOANA IZAY NOZARAIN'ANDRIAMANITRA HO ANAREO AVY."
(Romana 12, 3)

23/09/2024

"NEFA NA DIA MANANA VONINAHITRA AZA NY OLONA, DIA TSY MAHARITRA IZY; TAHAKA NY BIBY IZAY SAMY TSY MAINTSY HO FATY IZY."
(Salamo 49, 12)

16/09/2024

"MISAORA an'i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao" (Sal. 104, 1)

Ataoko ahoana ny fangina
Tsy hisaotra Anao ry Ray
Noho ity androm-pifaliana
Izay natolotra ho ahy

Heveriko fa tsy mety koa
Raha toa ka tsy hiteny
Tsy hamoaka ny ato am-poko
Ilay saotra ombieny ombieny

Tsapakao izaho Naina
Fa vaovao isa-maraina
Ilay famindram-ponao
Ho an'izao tontolo izao

Ilay fanahy ato anatiko
Mibitsika ahy mangina hatrany
Haneho ny fiderana mamiko
Raha mbola eto an-tany

Ilay taratrao mamirapiratra
Sy ilay voninahitrao
Hasehon'ny masoandro miratra
Isan'andro vaky izao

Maneho amiko ireny
Fa tena tia ahy Ianao
Ireny no manambara sy miteny
Fa tena zanakao aho.

Misaotra Tompo

16/09/24 – 8:32

09/09/2024

"KOA JEHOVAH DIA MBOLA HIANDRY MANDRA-PAMINDRANY FO AMINAREO, ARY MBOLA HITOETRA ANY AMIN'NY AVO IZY MANDRA-PIANTRANY ANAREO, FA ANDRIAMANITRY NY FAHAMARINANA JEHOVAH; SAMBATRA IZAY REHETRA MIANDRY AZY."
(Isaia 30, 18)

19/08/2024

"ARY AOKA HO MASINA HO AHY HIANAREO, SATRIA MASINA AHO JEHOVAH; ARY EFA NAVAHAKO TAMIN'NY FIRENENA SAMY HAFA HIANAREO MBA HO AHY".
(Levitikosy 20, 26)

17/06/2024

"AMIN'NY FANAHIKO NO ANIRIAKO ANAO NONY ALINA; ENY, NY SAIKO ATO ANATIKO NO ITADIAVAKO ANAO FATRATRA; FA RAHA MAMELY NY TANY NY FITSARANAO, DIA MIANATRA FAHAMARINANA NY MPONINA AMIN'IZAO TONTOLO IZAO."
(Isaia 26, 9)

29/04/2024

"NY TAREHY MIRAMIRANA MAHAFALY NY FO; ARY NY FILAZAN-TSOA MAMELOMBELONA NY TAOLANA"
(Ohabolana 15, 30)

22/04/2024

22/04/24
"FA AO AMINAO NO MISY LOHARANON'AINA; NY FAHAZAVANAO NO HAHITANAY FAHAZAVANA"
(Salamo 36, 9)

08/04/2024

"NY FAHAZAVANA NO VOAFAFY HO AN'NY MARINA, ARY NY FIFAFIANA HO AN'NY MAHITSY FO."
(Salamo 97, 11)

18/03/2024

"KOA ANKEHITRINY, RAHA NAHITA FITIA EO IMASONAO AHO, DIA AMPAHAFANTARO NY LÀLANAO HAHALALAKO ANAO, MBA HAHITAKO FITIA EO IMASONAO; ARY HEVERO FA OLONAO ITY FIRENENA ITY."
(Eksodosy 33, 13)

11/03/2024

"JEHOVAH Ô, AMPIVERENO AMINAO IZAHAY, MBA HIVERENANAY; HAVAOZY HO TOY NY FAHINY NY ANDRONAY. MOA DIA NANDÀ ANAY TOKOA VA HIANAO SY TEZITRA AMINAY INDRINDRA?"
(Fitomaniana 5, 21-22)

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Rasalama Manjakaray Live direct posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category