Teny Fahasoavana sy Fahasambarana

Teny Fahasoavana sy Fahasambarana Ry KRISTIANA namana, fantaro fa mitondra ny anaran‘i Tompon-tsika ianao.

Aoka mba ho tena KRISTIANA matotra tokoa isika ka ho mendrika hitondra ny anaran‘i KRISTY.

09/07/2025

„Tsy hamela anao handeha irery Andriamanitra androany „

08/07/2025

„Misy fotoana Andriamanitra mamela ny olana hitranga mba hanehoany ny FAHALEHIBIAZANY“
Navelany tafiditra tao amin‘ny Liona 🦁 aloha i Daniela, izay vao narovany.

28/02/2025

💖 MISY 86400 SEGONDRA AO ANATIN'NY IRAY ANDRO.
AZONAO ATOKANA VE NY 2 SEGONDRA HO AN'I JESOSY TOMPO MBA HISAORANAO AZY?

Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy ha...
06/11/2022

Mikaela arikanjely aza, raha niady tamin'ny devoly ka nifanditra ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hahameloka azy, fa hoy izy: "Hananatra anao anie Jehovah".
[ Joda 9: 9]

Ry havana malala, betsaka no tianay ho lazaina nefa tsy voatery ho soratana avokoa fa, manantena ny hihaona mivantana aminao izahay.
Nefa izao ihany no hafatra tianay hoazonao.

"AZA MIDITRA AMIN'NY AFERAN'NY OLONA sy ANDRIAMANITRA"

Amin'izao ankehitriny izao dia hita fa betsaka tokoa ny Kristianina, lasibatrin'ny SATANA.

Tehanafatra hoan'ny vahoakan'Andriamanitra tsirairay izahay ary izany indrindra no anirianay ny hihaona aminao.

Ny hafatra fohy entinay eto dia hoe: "Ny olona antsoina hoe Pasteur dia olona Mpitarika ny FIANGONANA [Mpisorona]"

Andeha sitonintsika avy amin'ny alalan'ny Soratra Masina ny saintsika dia any amin'ny [ ISamoela 2: 14] Mba samy miezaka mamaky anio isika dia mba misaintsaina ny Tenin'Andriamanitra.
Io tantara io dia manambara ny Toetran'ny Mpisorona sy ny vahoakan'Andriamanitra zany hoe ny zanakilay Mpisorona mihitsy no manao tsinotsinona ny vahoakan'Andriamanitra sy ny fanatitra ateriny.
Manasa anao izahay mba hamaky anio andinintsoratra Masina io fa hohitanao ny andraikitra no raisin'Andriamanitra manolona izany.

Rahefa avy namaky anio ianao dia ho hitanao fa, na dia teo aza ny toetran'ireo Mpisorona sy ny zanany dia tsy nisy na ny vahoaka iray aza mba niteny anireo na nitsikera mihintsy na nifosa aza.
Ny Antony dia, Tsisy mahasahy miditra amin'ny fifandraisan'Andriamanitra sy ny Mpisorona ny olona.
Ny fantatrin'ny olona dia manompo an'Andriamanitra izy fa tsy manompo Mpisorona, manao fanatitra ho an'Andriamanitra izy fa tsy hoan'ny Mpisorona, ka izay anaovan'ny Mpisorona iny fanatitra iny tsy idirany mihitsy fa ny fantany fotsiny dia hoe: Efa nanao fanatitra tamin'Atra izy.

Na ataon'ny Mpisorona ahoana ny fanaovana aniny dia tsy idirany fa, anjaran'ny Mp/rona sy Atra no mitsara an'zany.

Ankehitriny isika mara-mahita ny zava-misy eto amintsika dia anjaranao no misafidy hoe: Hiditra amin'ny Kabarin'ny Pasteur sy Atra ve ianao.

Na mpisandoka izy, dia avelao Atra ilay sandohany anarana no Hananatra azy fa tsy anjaranao izany.
Rehefa tsy mety aminao ny ataon'ny mpitondra anao dia ny misintaka no azonao atao fa aza mamoaka teny na mitsara azy akory fa, tsy anjaranao izany, aza manaiky ho lasibatrin'ny vavan'ny olona tsy mino hoe, Ataon'ny Ptr fitaovana ny mpino.
Aza manaiky an'zany fa ianao no mahalala fa, Atra no nanaovanao fanatitra.

29/08/2022

"ARY ELIA nanamboatra ny ALITARA n'i Jehovah izay efa rava.
[ I Mpanjaka 18;30]

Fantrao ve, ny atao hoe: ALITARA?

Teo anatrehan'ilay vehivavy mpijangajanga dia tsy nahay niteny tamin'i Jesosy ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna nanao ho...
16/08/2022

Teo anatrehan'ilay vehivavy mpijangajanga dia tsy nahay niteny tamin'i Jesosy ny Farisiana sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Mamporisika ny olona hanota ianao, fa izy koa dia efa nanota, ary izy koa dia hita ho meloka, ka dia nitampim-bava izy rehetra.

Manana zavatra havaly foana ny hafatry ny fahasoavana ianao, satria tsy mbola nanakombona ny vavanao ny lalàna, tsy mbola nahariharin'ny lalàna taminao ny maharikoriko sy ny fahalotoana ary ny fahalotoana eo anatrehany Andriamanitra, na dia eo aza ny ezaka sy ny asa tsara nataonao.
Romana 3: 19-20 [19] "Ary fantatsika fa na inona na inona lazain'ny lalàna dia lazainy amin'izay ambanin'ny lalàna, mba ho voatampina ny vava rehetra, ka ho meloka amin'Andriamanitra izy rehetra. [20] Fa tsy misy olona hamarinina eo anatrehany amin'ny asan'ny lalàna, fa amin'ny lalàna no ihavian'ny fahalalana ny ota."

Ny Tompo anie hampitombo ny ota ao anatinao mba hahatsapanao ny hasarobidin’ny fahasoavan’Andriamanitra!

Kristianina Tsotra!

15/08/2022

Hanome fisainana vaovao ho anao anie, Andriamanitra anio.

Ilao ny ratsy, fa manaova ny tsara:"SAIKA HO AMIN'NY FIVAVAHANA REHETRA NY FAMPIANARANA"Hoy Andriamanitra: Tsy mahay man...
12/08/2022

Ilao ny ratsy, fa manaova ny tsara:
"SAIKA HO AMIN'NY FIVAVAHANA REHETRA NY FAMPIANARANA"

Hoy Andriamanitra: Tsy mahay manao ny tsara isika Olombelona, fa ratsy ihany no ao am-pontsika.

Sal 14: 1-3 "Ny adala no manao anakam-po hoe: Tsy misy Andriamanitra. Manao izay ratsy sy vetaveta izy; Tsy misy manao ny tsara.
2- Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak'olombelona, mba hizaha na misy hendry, mitady an'Anandriamanitra. 3- Samy efa nivily izy rehetra, ka samy tonga vetaveta avokoa; Tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza."

Izany dia voa-marina aty amin'ny Rom 3;12
Toy izao ihany koa ny filàzan'i Jeremia 13; 23b" Raha izany, dia mahazo manao tsara koa, ianareo izay efa zatra nanao ny ratsy". Zany hoe, afaka manao ny tsara isika, raha amin'ny samy maha-Olombelona, nefa izany dia tsy amin'ilay tadiavin'Andriamanitra amintsika.
Amin'Andriamanitra, ny ratsy dia izay rehetra avy amintsika Olombelona ihany, ary ny tsara dia izay rehetra avy aminy sy Izy irery ihany. Izany no nanomezany antsika ny lalàna, mba hanambara amintsika fa tsy azo atao ny manao izay tsara eo imasony.
(tsy misy afaka manao ny tsara raha tsy ny fanahin'i Jehovah no ao aminy) Vakio ny 👉Jaona.

Fa ny olona dia, tsy manana afa-tsy fahotana ao am-pony eo imason'Andriamanitra. (Jer 17: 1, Mk 7:21-23); ary tsy mijery afa-tsy ny fo hitsara antsika mpanota n'a olo-marina Andriamanitra ( 1 Sam 16: 7).

Ny hoe mpanota eo imason'Andriamanitra dia, teraka avy amin'ny Ray sy ny reny, tsy miandry izay hatao vao mitsara antsika izy fa, mijery ny fontsika dia ny fahotana ihany no hitany.

Ny hoe marina eo anatrehan' Andriamanitra dia, tsy manao na tsy manao zavatra (tsy avy amin'ny asan'ny olona izany na avy amin'ny sitrapony).

Ny hoe marina dia ateraka indray, mandray ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny famelana ny fahotantsika.

Efesiana 2: 8-9
Romana 3: 19-24
Hebreo 9: 26
Hebreo 10: 10-18

Marina ve ianao sa mpanota ?
Ahoana no nahatonga anao ho marina?

Avy amin' ny Rahalahintsika.
Kristianina Tsotra.

!

06/08/2022

"Raha tsy nisy dikany ianao, tsy ho nifaty ho anao i Kristy"

Matetika efa heno ny hoe, ny "Maso rehetra hahita, Azy" Fa amin'io andinin-tsoratra Masina amin'io Apokalypsy 1; 7 io ih...
05/08/2022

Matetika efa heno ny hoe, ny "Maso rehetra hahita, Azy" Fa amin'io andinin-tsoratra Masina amin'io Apokalypsy 1; 7 io ihany dia vakio tsara ka, saintsaino ny hoe; "HITOMANY AZY NY FIRENENA REHETRA AMBONIN'NY TANY."

Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: HAFALIANA VE NY FITSENANA AN'I KRISTY?

a) ENY
b) TSIA

Harahintsika eto amin'ny PEJY ny fanazavana mahakasika izay fa miangavy anao mba hizaha an'i ty pub ity raha efa avy namaky mba hahafantsika mampahafantatra ny olona rehetra ny zavatra tokony homanina ny amin'ny fahatongavan'i Kristy sy ny fitsarana an'i zao tontolo izao.

Izahay ato amin'ny PEJY dia faly manasa anao mba hifanampy aminay hanaparitaka ny vaovao mahafaly hoan'ny olona rehetra.
Raha mahalianana anao dia midira hafatra miafina avy hatrany fa vonona ny handray anao izahay.

NB/ Tohano ao amin'ny komantera ny hevitrao na ho amin' ny valiny ENY na TSIA

Misaotra tompoko samia Mahazahoa FAHASOAVANA.

Mpanoratra :Kristianina Tsotra!

MILA FANTATRAO NY ASAN'ANDRIAMANITRAO NA AMIN'NY TSARA NA, AMIN'NY RATSY.Amin'ity andinintsoratra Masina iray amin'ny Jo...
03/08/2022

MILA FANTATRAO NY ASAN'ANDRIAMANITRAO NA AMIN'NY TSARA NA, AMIN'NY RATSY.

Amin'ity andinintsoratra Masina iray amin'ny Joba 1;12 ity dia, hitantsika fa Andriamanitra mihintsy no naniraka an'i satana mba hamely an'i Joba.
I Joba dia iarahantsika mahalala fa, olona marina no sady matahotra an'Anandriamanitra tokoa.
Mety hiteny ianao hoe: Maninona ary Andriamanitra nanome alalana an'i satana?
Valiny dia tsotra, satria Andriamanitra mba mitaky ny faharetantsika.
Satria Andriamanitra tsy afaka manao ratsy antsika na dia, hizaha ny toetra antsika aza izy, fa aleony manome alalana an'i satana izay manana spécialité mpandrava (Ny devoly tsy tonga raha tsy handrava) mila azontsika anefa, fa ny devoly dia mitady hevitra ny hamotehany sy handravany antsika fona isanandro nefa, tsy azony atao izany raha tsy misy manome alalana azy.
Eo indrindra no itakiantsika ny lohahevitra hoe: "MILA FANTATRAO NY ASAN'ANDRIAMANITRAO" io resaka alalana omena ny devoly dia misy ny avy amin'Andriamanitra, dia misy ihany koa ny avy amintsika.

Raha tena mamaky ny tantaran'i Joba isika dia hita fa tena potika tokoa ny fiainany rehetra, tsy nisy olona tsy nandatsa azy eny fa na hatramin'ny vadiny aza.
Fa i Joba dia naharitra nifikitra tamin'Andriamanitra.
Indraindray manko tsika Kristianina rehefa tojo olana, indrindra fa rehefa mafimafy ny atrehana dia matetika mora miova hevitra, hotrany mahita vahaolana maikabe zany.
Ohatra : rehefa misy tsy fahasalamana iny (Arý misy mpitsabo mahay, tsy pimasy izy fa, mampiasa ravikazo fotsiny) ny Baiboly dia milaza fa tsy azo atao ny manantona ny mpanao hatsarana na ny manao azy ho tsindrian-javatra.

Mazava ny Teny nataon'i Jesosy hoe: "Fa na iza na iza ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy;" [Matio 16; 25a]

Ralahy sy anabavy, tano mafy izay ananao mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.

Vakio tsara ny tantaran'i Joba, fa rehefa hitan'Andriamanitra fa, naharitra izy dia hoy ny soratra Masina hoe: "Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba" [Joba 42; 10]

Ry havana, mifikira amin'Andriamanitra na mafy aza ny ady atrehanao amin'ny anio izao.
Mino izahay fa na ianao mamaky io dia, mahalala fa, "Ny zavatra rehetra dia, miara-miasa mahasoa" matetika ny feon'ny jentilisa dia hoe, "Ny Kristianina hono dia matetika miady mafy amin'ny fiainana" hevitra entin'i devoly hanaketraka anao avokoa ireny, amin'izay ianao tsy hitakatra hoe, misy hevitra Andriamanitra ny ao ambadikan'io adinao io.
Fantaro ny zanak'Israely raha nentin'Andriamanitra nivoaka tany Égypte.

IZAHAY ATO AMIN'NY PEJY TENY FAHASOAVANA SY FAHASAMBARANA DIA MANKAHERY AN'ITY RAY AMAN-DRENY ITY.Manoloana ny Resaka na...
02/08/2022

IZAHAY ATO AMIN'NY PEJY TENY FAHASOAVANA SY FAHASAMBARANA DIA MANKAHERY AN'ITY RAY AMAN-DRENY ITY.

Manoloana ny Resaka nalaza be tato @ Tambanjotran-tserasera mahakasika ny Fitoriana ny tokony hatao ny amin'ny FANATITRA dia, mana-nteny betsaka izahay nefa, tsy tianay ho soratana fa, manantena ny hihaona mivantana aminao izahay. "Andriamanitra ny Fiadanana anie homba anao mandrakariva amin'ny alalan'ny Jesosy Kristy Tompo ntsika."

"Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra;fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany teo alohanareo." [Matio 5; 12]

Betsaka ny FIANGONANA no tsy sahy mitory anio Resaka Fanatitra sy ampaha-folo io, nohon'ny fatahorany, mpino.
Zany hoe: Tsy Andriamanitra no atahorany, fa ny mpino.
Mazava ny soratra Masina fa tsy azo atao ny manampy na ny mamafa ny TENY na dia ny Tendron-tsoratra iray aza.
Nefa ny mampalahelo dia Misy, mihintsy ny FIANGONANA sasany tena manafoana io resaka FANATITRA sy AMPAHA-FOLO io, hany ka lasa fahazarana sy fombafomba fotsiny no sisa ataon'ny mpino ao aminy ny FANATITRA. Tsy fantatrin'ny mpino Kristiana ny tena mahazava-dehibe ny Fanatitra satria ny Mpitarika tsy mba mitory anio, satria matahotra fanenjehana izy.
Voa-soratra fa: "Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany laing anareo noho ny amiko." [Matio 5; 11]

Tamin'ny fotoan'Andro dia, noraisin'ireo Apostoly ho voninahitra ny fanenjehana sy ny tora-bato na ny fisamborana an'izy ireo nohon'ny fitoriana ny Tenin'Andriamanitra.
Izany indrindra no mahatonga anay manoratra mba hampahery anao s'y hifikitra fa efa tanteraka aminao ny teny ny Tompontsika.
Mahereza ry Rahalahy, tazony ny Sabatra fikiro ny ampinga fa efa andro farany izao. Tonga ny fotoana, hahatanteraka ny Teny.

Eto ampamaranana izahay dia manentana ny Mpino Kristianina rehetra fa, isika rehetra dia samy mahalala fa tsy izay rehetra manao hoe: Tompoko, tompoko no izy...

Koa, aoka mba ho mpankato ny Teny isika, fa ho mpihaino fotsiny ka hamitaka ny tenantsika.

Mazabe ny voalazan'ny Malakia 3; 10 "Entonareo ny fahan-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasiankanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo."

Mankasitraka anao naharitra namaky hatramin'ny farany.
Mahazahoa FAHASOAVANA !

NB: FANATITRA fa tsy RAKITRA
Mpanoratra: Mpino

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Teny Fahasoavana sy Fahasambarana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share